Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Andriamanitra no Hanome

    Tokony hitandrina ny olona mba tsy holanilanina foana amin’ny tsy antony ny fahalalahan-tanana asehon’Andriamanitra, nefa koa tsy maintsy horesena ny toe-tsaina kahihitra sy feno fieremana. Io fironana io dia hitarika ho amin’ny fanangonan-karena sy ny tsy rariny, izay fahavetavetana eo imason’Andriamanitra. Tsy tokony hamela ny tenany hampisavorivorian’ny fanahiana ny amin’ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana ny Kristianina. Raha tia sy mankatò an’Andriamanitra ary manao ny anjara tandrify azy ny olona, dia hanome izay rehetra tokony ho azy Andriamanitra. Na dia mety tsy maintsy ho azo avy amin’ny hatsembohan’ny handrinareo aza ny sakafonareo, dia tsy tokony hiahiahy an’Andriamanitra ianareo; satria hanome izay ilainareo isan’andro Izy, araka ny drafitra lehiben’ny fitondrany soa. Io lesona nomen’i Kristy io dia fananarana mafy ny eritreritra feno fanahiana, ny fahaverezan-kevitra sy fisalasalana avy amin’ny fo tsy manam-pinoana. Tsy misy afaka manampy hakiho iray amin’ny halavany na dia mieritreritra mafy ny hanao izany aza ny olona. Koa tsy misy antony tokony hanahiany ny amin’ny ampitso sy izay ilain’ny ampitso. Ataovy ny adidinao, ary matokia an’Andriamanitra; satria fantany ny zavatra ilainao. - RH, 18 Sept. 1888.TF 249.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents