Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hamamoin’ny harena eritreretin’ny saina fotsiny

    Manosika ny rahalahintsika sasany hirotsaka hiasa amin’ny sehatr’asa vaovao ny faniriany hampitombo haingana ny karama raisiny. Matetika anefa dia tsy tanteraka mihitsy ny fanantenany hahazo vola. Vao maika very aza izay mba tokony hatokany ho an’ny asan’Andriamanitra. Hasohasoina sy ankamamiana erỳ ireny sehatrasa vaovao ireny. Kanefa na dia eo aza izany dia miverimberina tsy miova koa ny vokany; ireo anadahy ireo anefa dia efa nahita ohatra mahakasika ireo rahalahiny izay niezaka nanao fampiasam-bola ka tratran’ny fahafonganana tanteraka kanefa dia mbola maro ihany no ela vao tonga saina. Misarika azy i Satana ary manajamba azy amin’ny harena tsy misy akory.TF 254.1

    Fahakiviana tanteraka no setrin’izany fanandramana adaladala izany rehefa tratry ny fahadisoam-panantenana izy. Rehefa tonga eo aminy ny fatiantoka dia hihevitra io olona io fa ratsy anjara izy ary azy manokana mihitsy io fatiantoka io. Tsy tokony hadinoiny anefa fa fananan’olon-kafa natao hampiasainy fotsiny izy ireny ary izy dia tsy iza fa olona natao hitantana ihany ka tsy mahafaly an’Andriamanitra ny fampiasana ratsy izany fananana izany izay tokony natokana hampandrosoana ny asa fitoriana ny fahamarinana ankehitriny. Tsy maintsy haneho mihanjahanja ny fomba fitantanana ny amin’ny fotoana fanadinana azy ny mpitantana tsy mahatoky. — TFC, 1:225 ,226. TF 254.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents