Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 51 - Misoroka Ny Trosa Amin’ny Fiangonana

    Miara-paly aminareo aho amin’ny fananana fomba fijery hiala amin’ny trosa eo amin’ny fanorenana. Ohatrinona tokoa moa no mety ho azo raha nanaovana ezaka manokana isan-taona izany. Tsy misy antony hanohizantsika isan-taona isan-taona ny findramam-bola ho an’ny trano fiangonana mihitsy. Raha samy manatanteraka ny andraikiny ny mambra tsirairay, ka samy maneho fandavan-tena sy fahafoizan-tena ho an’ny Tompo Jesôsy ilay nanavotra azy ho tonga fananany avokoa, amin’izay dia mba ho afaka tanteraka amin’ny trosa ny fiangonany ka hanome voninahitra Azy.TF 282.1

    Ireo foibe sy ivontoerana lehibe eo amin’ny sahan’ny Tompo, izay fitaovana eo am-pelatanany dia tokony ho afaka tanteraka amin’ny findramam-bola. Vola tsy toko tsy forohana no lany tamin’ny tataon-ketra vokatry ny famerenana tsikelikely ny trosa isan-taona isan-taona [NOSORATANA TANY AOSTRALIA]. Raha mba nonerana manontolo tamin’ireo vola ireo mantsy ireny trosa ireny dia tsy ho lany, eny tsy ho lanin’ny zana-bola foana izany. Tena fomba fiasa mampahonena mihitsy ny firotsahana amin’ny findramam-bola. Ho tsara kokoa manao ahoana anefa raha mba navela hiangona aloha ny vola rehetra ilaina hanorenana fiangonana, amin’ny alalan’ny fanaovana ezaka mafy, amin’izay dia mba tsy ho tataovan- trosa akory izay fiangonana irina hotokanana. O, mba azontsika atao ho fitsipika mifehy ny fanorenantsika trano ho an’Andriamanitra ve ny hanao ezaka ombam-pahamatorana sy feno faharetana, ka hahafahantsika manokana izany fiangonana izany tsy hovesaran-trosa .TF 282.2

    Nasehon’ny Tompo ahy fa tsy tokony havela hitoetra eo amin’ny fiangonantsika any Aostralia sy any Nouvelle Zealand ny trosa. Ny findramam-bola amin’ny sehatra rehetra dia midika ho fanaovana an-tsirambina ny fahamasinan’izay momba an’Andriamanitra; noho ny fanomezana vahana ny fitiavan-tena sy ny zavatra misarika ny isam-batan’olona hahazo vahana bebe kokoa (...) Ny voninahitra farany ambony indrindra no tsy maintsy atolotra ho an’ny tabernakelin’Andriamanitra. Ny zavatra hafa rehetra heverina ho zava-dehibe ankoatr’izany dia tsy maintsy apetraka any amin’ny laharana faharoa avokoa. Tsy maintsy asondrotra sy omem-boninahitra ary hamasinina ny fieritreretantsika. Ny toe-tsaina araka izao tontolo izao sy ny fieremana dia toa efa natsofoka ho ao an-tsain’ny zanaka sy ny ray aman-dreny ary ireo namana. Nampiasaina tamin’ny fomba sy ny fotoana tsy nahafahana nanome voninahitra an’Andriamanitra ny vola, matetika, ka dia niteraka fahavoazana mihoapampana. Notolorana fanomezana tsy voalanjalanja akory tamin-kalalahana ny ankizy sy ny ray aman-dreny ary ny namana, nefa ny fanomezana tena tokony hanandratana ny voninahitry ny Tompo dia nahena sy noferana na tamin’ny tombam-bidy izany na tamin’ny fotoana tokony hanolorana azy.TF 283.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents