Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Mamerina ny Fahadisoana Vita tamin’ny Lasa

    Misy karazana fientanentanana, mambabo ny sain’ny maro ka mitarika azy ireo hanao fandaniam-bola betsaka izay tsy ahitana soritra hitondra fidiram-bola azo ampiasaina amin’ny manaraka akory. Raha mba nampiasaina araka ny làlana nosoritan’Andriamanitra hampiasana azy mantsy ireny vola ireny dia mba mety afaka nanomanana mpiasa maro hanatanteraka ny asa izay tokony hovitaina mialoha ny fiavian’ny Tompo. Ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy ny vola no maneho ny filàna ny fampitandremana avy amin’ny Tompo fa ny asany dia tsy tokony hosakantsakanan’ny tetikasan’ny olombelona mihitsy, fa tsy maintsy tontosaina amin’ny fomba hanatanjaka azy hatrany izany.TF 313.3

    Noho ny fanarahana drafitra diso dia lasa mampidi- trosa amin’ny asan’Andriamanitra ny olombelona. Aoka tsy haverina intsony izany. Aoka ireo izay mitarika ny asa hiasa amim-pitandremana fatratra, ka hitsipaka ny fitondrana ny asan’Andriamanitra amin’ny fitrosana. Aoka tsy hisy na iray akory aza hiasa tsy amim-piheverana sy maimaika ka hieritreritra nefa tsy mahalala akory fa handeha araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra. - 7T 283, 284.TF 314.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents