Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mpitantana ny Fotoana

    Vola ny fotoana, kanefa dia betsaka ny mandanilany foana ny fotoana izay nahafahana nanao asa mitera-bokatsoa, amin’ny alalan’ny fanaovany izay zavatra tsara amin’ny tanany. Mbola tsy hilaza na oviana na oviana ny Tompo hoe, “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky,” amin’ireo olona izay tsy mba mampiasa ny hery ara-batana izay talenta sarobidy natolotr’Andriamanitra azy hahafahany mamory harena, hanohanana izay zavatra ilaina sy hanolorana fanatitra ho an’Andriamanitra.TF 317.3

    Tsy tokony hahatsiaro tena ho afa-po amin’ny fanolorany ny volany fotsiny ireo mpanan-karena. Ananan’izy ireo koa ny talentan’ny fahafaha-manao zavatra, ka tokony hianatra ny haneho ny tenany ho ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, mba ho mpanompo ara-panahy feno fahamatorana amin’ny fanabeazana sy fanofanana ireo zanany ho amin’ny fanaovana asa mitera- bokatsoa. Ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia tokony tsy hieritreritra fa voatokana ho azy ireo toy ny fananana samirery ho azy fotsiny ihany izy ireo, ka hihevitra fa izy ireo dia afaka mampiasa ny fotoany sy ny fananany araka izay mahafaly ny fony. Fananana novidin’Andriamanitra izy ireo ka antsoin’Andriamanitra ny tombon-kery ara-batana ananan’izy ireo mba hampiasaina amin’ny fahitam-bokatra hoentina ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra.TF 318.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents