Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 58 - Antso Ho Amin’ny Fitehirizana

    Tsy tokony hisy fandaniana mihoapampana atao amin’ny fananganana trano tsara tarehy na amin’ny fividianana fanaka lafo vidy, na amin’ny fanaranam-po ny tena amin’ny fomba fitafian’izao tontolo izao na amin’ny fividianana sakafo raitra; fa amin’ny zavatra rehetra dia aoka isika hieritreritra ireo fanahy izay nanoloran’i Kristy ny ainy. Aoka hovonoina avokoa ny fitiavan-tena sy ny fiavonavonana. Aoka tsy hisy handanilany foana ny volany amin’ny fanasana sary halefa any amin’ireo namany. Aoka isika hihevitra tsara ny dôlara tsirairay azo tehirizina, mba hahafahana maneho amin’ny fanahy an-dalam-pahaverezana ny fahatsaran’i Kristy izay tsy azo ampitahaina.TF 332.1

    Hanoso-kevitra amin’ny fomba maro samihafa hahafahanao mandanilany foana ny volanao i Satana. Ka rehefa laniana amin’ny fikatsahana fahafaham-po ho an’ny tena ny volanao, na amin-javatra tsy misy dikany, na tsy dia manan-danja akory, na ohatrinona izany na ohatrinona, dia tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra ny fomba nandaniana azy. Aoka isika hahay handinika tsara ka hijery raha mba efa naneho fandavan-tena araka ny tokony ho izy tokoa. Moa ve isika mba efa nanao ezaka feno fanoloran-tena, hahafahana manaparitaka ny fahazavan’ny fahamarinana ho an’ireo very?TF 332.2

    Zavatra tokana ihany no tokony hifantohan’ny fiangonana; faniriana tokana no tokony hifehy azy rehetra, ary tsy inona izany fa ny faniriana hanahaka ny endrik’i Kristy. Ny tsirairay dia tokony hangetaheta fatratra ny hanao izay rehetra azony atao ho an’i Jesôsy, amin’ny alalan’ny ezaka manokana, amin’ny alalan’ny fanomezana, ary amin’ny alalan’ny fanoloran-tena. Tokony hasian-kanina ao an-tranon’Andriamanitra, ary hofenoina harena mitafotafo, mba hahafahana mamaly ny antsoantson’ny Makedoniana avy amin’ny firenena rehetra. Tena mampahonena loatra raha toa ho voatery hamaly amin’ireo izay miantsoantso toy izao isika hoe: “sady tsy afaka ny handefa vola izahay no tsy afaka handefa olona any aminareo satria foana ny tahirinay.”TF 332.3

    Aoka ny iraimbilanja, ny ventisikorobo, ary ny ariary isanisany avy izay very noho ny fankamamiana ny fitiavam- pahafinaretana, sy ny fitiavana hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao, ny fitiavana ny haitraitra, mba hampitodihana hikoriana any amin’ilay fantsona mitondra ho any an- trano firaketan’Andriamanitra. Ny lakan-drano madinika mitambatambatra no mahatonga renirano lehibe. Aoka isika mba ho tena Kristianina feno fahatongavan-tsaina, ho mpiara-miasa feno amin’ Andriamanitra.TF 333.1

    Misy saha vaovao tokony hosokafana eo amin’ny asan’Andriamanitra, fanahy maro no tokony hanampy isa eo amin’ny finoana; anarana vaovao no hosoratana eo amin’ny rejisitry ny fiangonana, dia anarana izay ho voasoratra any amin’ilay fitehirizana tsy mety maty any an-danitra intsony. Enga anie ka mba ho tsapantsika izay zavatra tsy maintsy hataontsika amin’ny vola nolanilanintsika foana amin’ny fanandratana ny izaho! - RH. 27 Jan. 1891.TF 333.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents