Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mpiara-Miasa ao amin’ny Tranon’Andriamanitra

    Mbola mila fanohanana mandrakariva ny asan’Andriamanitra. Tena takina ny fiaraha-miombona antoka avy amin’ny tsirairay, na olona ambony na ambany, na manan-karena na mahantra, mba hahafahana mamerina amin’Andriamanitra izay tokony haloa aminy, mba hasian- kanina ao an-tranon’Andriamanitra, ka mba ho voatohana tsara ireo mpanompo izay nantsoiny hanao ny asa fampitana ny fahamarinana amin’ity tontolo an-dalam-pahaverezana ity.TF 334.1

    Tsy ny ampahafolony ihany no takin’ Andriamanitra, fa takiny koa ny hanomezantsika voninahitra Azy amin’ ny fampiasantsika izay rehetra ananantsika. Tsy azo ekena ny fahazarana mandanilany foana, satria izay rehetra tantanantsika dia fananan’ Andriamanitra avokoa. Tsy misy ariary na iraimbilanja antsika akory izany. Ny fandanilaniam- poana ny vola amin’ny haitraitra sy rentirenty dia manakana ny mahantra tsy mba hanana izay mba tena ilainy hahafahany mividy akanjo sy fitafiana. Izay rehetra nolanina tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny avonavona tamin’ny alalan’ny akanjo, ny trano, ny fanaka sy ny haingo, dia azo nampitoniana ny tebiteby sy ny ahiahin’ireo fianakaviana izay mijaly sy miaina ao anaty fahoriana. Ny mpitantana ny fananan’ Andriamanitra dia miahy manokana ireo izay mila fanampiana. Izany no vokatry ny fivavahana madio sy tsy misy tasy. Melohin’ Andriamanitra ny olona izay mampanaram-po ny fitiavan-tenany raha mbola mijaly amin’ ny tsy fahampian-tsakafo sy fitafiana ny mpiara-belona aminy.TF 334.2

    Miantso ny tsirairay amin’ireo zanany ny Tompo mba hahatonga ny fahazavan’ny lanitra sy ny fahazavan’ny fitiavany feno fandavan-tena hamirapiratra eo anivon’ny haizim-piton’izao vanim-potoana mitotongana izao. Raha hitany fa ekenao ny maha-Tompon’ny tenanao sy ny fanananao rehetra Azy, ary raha hitany fa ampiasainao tsara amin’ny maha-mpitantana mahatoky anao ireo fananana rehetra natolony, dia horaketiny ao amin’ny bokin’ny lanitra ny anaranao, amin’ny maha-mpiara-miasa, sy amin’ny maha-mpiara-miombona antoka Aminy anao eo amin’ny sahany, mba hanasoavanao ny mpiara-belona aminao. Dia ho fifaliana lehibe no ho azonao amin’ny andro farany, rehefa hahita miharihary fa ny fananana nampiasaina amim- pahendrena nanampiana ny hafa no nahatonga azy ireo ho feno fankasitrahana an’Andriamanitra. - RH, 8 Des. 1896.TF 334.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents