Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fatiantoka noho ny Tsy Fisian’ny Didim-Pananana

    Mazàna no manjohy tampoka ireo mpandraharaha ny fahafatesana na dia tsy nanana fotoana niomanana ho amin’izany akory aza izy, ary rehefa dinihina ny toe-bolany dia hita fa mampananosarotra sy manahirana ihany. Ao anatin’ny ezaka hamahana ny olana momba ny fananany no hangalan’ireo mpahay lalàna ampahany betsaka amin’ny volany, raha tsy ny fananany rehetra mihitsy aza, ka dia voaroba tanteraka ny vady aman-janany sy ny asan’Andriamanitra. Ireo mpitantana mahatoky ny fananan’Andriamanitra dia hahafantatra tsara ny toetry ny fandraharahana ataony, ka ho vonona hiatrika izay toe-java-tsarotra mety hitranga tampoka toy ny olon-kendry. Na mety hikatona tampoka aza ny varavaram-pahasoavany, dia tsy hamela fahasarotana amin’ireo izay tsy maintsy hikarakara ny zavatra mahakasika azy izy.TF 362.2

    Betsaka ireo izay tsy mba manam-piheverana hanao didim- pananana akory raha mbola ao anatin’ny fahasalamana. Nefa izany fitandremana izany dia tokony hataon’ireo anadahintsika. Tokony ho fantany ny mahakasika ny toe- bolany, ka tsy hamela ny fandraharahany hitoetra ao anaty fikorontanana izy. Tokony handamina ny fananany izy ireo mba hampahazava ny zavatra rehetra raha sanatria tsy maintsy handao tampoka ny tany amin’ny ora tsy ampoizina.TF 363.1

    Tokony hatao amin’ny fomba ara-dalàna tanteraka ny didim-pananana. Ary rehefa vita izany, dia afaka hitoetra an-taonany maro, tsy manan-tsiny, na dia mbola mitohy hatrany aza ny fanomezana ataon’ny mpanolotra arakaraka ny filàn’ny asan’Andriamanitra. Ranadahy, tsy hampandroso indray andro izay mety ho andro hahafatesanao tsy akory ny fanambaranao mialoha ny didim-pananana. Ary rehefa mandray lova avy amin’ireo ray aman-dreny ianao, dia aoka hahazo antoka tsara fa tsy hadinonao ny asan’Andriamanitra. Mpanompony ianao, mihazona ny fananany; ka ny fitakiany no tokony hitana ny eritreritrao voalohany indrindra. Tsy midika izany fa havelanao hahantra tsy hanana na inona na inona ny vady aman-janakao; tokony hamelana tahiry izy ireo raha ilainy izany. Kanefa aoka tsy ny fomba amam-panao no hanery anao hampiditra lisi-pianakaviana maro izay tsy mila izany akory ao anatin’ny fanambarana ny didim-pananana ataonao.TF 363.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents