Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Antso ho amin’ny Fanavaozana

    Aoka hotsaroana mandrakariva fa tsy drafitra avy amin’Andriamanitra, fa zavatra noforonin’olombelona ny rafitra feno fitiavan-tena ampiasaina ankehitriny entina hitantanana ny fananana. Tokony ho mpanavao ny Kristianina, ka handrava io rafitra ankehitriny io, ary hanome endriny tena vaovao mihitsy amin’ny fanaovana didim-pananana. Aoka hotsaroana mandrakariva fa fananan’i Jehôvah io tantananareo io. Tahaka ny lalàna ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’io resaka io.TF 364.1

    Raha toa ka misy olona nifidy anareo ho mpanatanteraka ny didim-pananana mifandraika amin’ny fananany, tsy hadihadinareo akaiky va ny sitrapon’ilay mpanao didy, mba tsy hisy na dia vola kely indrindra aza hampiasana tsy araka ny tokony ho izy? Nanankina fananana taminao ilay Sakaizanao any an-danitra, ary nomeny anao ny didim-pananany mba hanehoany aminao ny fomba tokony hampiasana izany. Raha toa ka halalinina amin’ny fo tsy misy fitiavan-tena io didim-pananana io, dia tsy hampiasaina araka ny tsy tokony ho izy ny anjaran’Andriamanitra. Nitafy henatra ny asan’ny Tompo satria natao an-tsirambina, kanefa nomeny vola ampy ny olona mba hiatrehana ny hamehana rehetra, raha toa fotsiny ka nanana fo mankasitraka sy mankatò izy ireo.TF 364.2

    Tsy tokony hahatsiaro fa tsy manana adidy hatao intsony ireo izay manao didim-pananana rehefa vitany izany, fa tokony hampiasa mandrakariva ny talenta nankinina taminy izy ireo, mba ho fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra. Fikasan’Andriamanitra ny hahatonga ny olona rehetra ho afaka mampiasa am-pahendrena ny fananany. Tsy soso- kevitra avy aminy mihitsy ny hanohanana ny asany amin’ny alalan’ny fahagagana. Manana mpitantam-pananana mahatoky izy, izay mitantana sy mampiasa am-pahendrena ny fananany hanohanana sy hampandrosoana ny asany. Tsy tokony ho zavatra hivelomana tsindraindray fotsiny ny fandavan-tena sy fanoloran-tena fa tokony ho fitsipika hivelomana mihitsy. Ny fitomboan’ny filàna eo amin’ny asan’Andriamanitra dia tena mitaky ny fanohanana ara- bola avy amintsika. Mifanesy ny antso ataon’ny olona mba hahatongavan’ireo mpitondra hafatra hampita amin’izy ireo ny fahazavana ary hilaza amin’izy ireo ny fahamarinana na avy eto amin’ny firenentsika izany na avy any ivelany. Ny fanohanana izany dia mitaky mpiasa sy vola misimisy kokoa. - 4T 478-483.TF 365.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents