Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 63 - Fitantanam-Pianinana, Andraikitra Manokana

    Tokony hiezaka hizaka ny zo nomen’Andriamanitra azy ireo ny ray aman-dreny. Nankininy tamin’izy ireo ny talenta iriny fatratra mba hampiasain’izy ireo hanomezam- boninahitra Azy. Tsy tokony ho tompon’andraikitra amin’ny talentan’ny raim-pianakaviana mihitsy ny ankizy. Raha mbola manana saina matsilo sy fahaiza-mandanjalanja tsara ny ray amana-dreny, dia tokony ao anatin’ny toe-tsaina vontom- bavaka arahin’ny fanampiana manokana avy amin’ireo mpanolo-tsaina manana traikefa amin’ny fahamarinana sy ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra, no handrindran’ny ray aman-dreny ny fitantanana ny fananany.TF 366.1

    Raha toa izy ireo ka manan-janaka ory na miady amin’ny fahantrana, sy heverina fa hitantana amim-pahamendrehana ny fananany, dia tokony hoheverina manokana izy ireo. Fa raha manana zanaka tsy mino, izay manana ny haren’izao tontolo izao sy manompo izao tontolo izao, kosa izy ireo, dia manota amin’ny Tompo izay nametraka azy ireo ho mpitantana raha mametraka ny fananany amin’ireo zanany ireo noho ny maha-zanany azy fotsiny. Tsy tokony hohamaivamaivanina mihitsy ny fitakian’Andriamanitra.TF 366.2

    Ary tokony ho takatra mazava tsara fa ny fanaovan’ny ray aman-dreny didim-pananana dia tsy misakana azy tsy hanolotra ny fananany ho an’Andriamanitra raha mbola velona izy ireo. Tokony hanao izany izy ireo. Tokony hahazo fahafinaretana dieny eto, sy amin’ny valisoa ho avy, amin’ny fitantanana ireo tombom-pananana azony raha mbola velona izy ireo. Tokony hanao ny anjarany amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra izy ireo. Tokony hampiasa ny fananana nampindramin’ny Tompo ho azy mba hanatanterahana ny asa tsy maintsy vitaina eo amin’ny tanimboalobony izy ireo.TF 366.3

    Ny fitiavam-bola no fototry ny heloka bevava rehetra mitranga eto an-tany. Ny raim-pianakaviana izay mihazona amim-pitiavan-tena ny fananany mba hampanan-karena ny zanany, ka tsy mahita ny zavatra ilain’ny asan’Andriamanitra dia manao fahadisoana mahatsiraviná. Hitondra ozona ho an’ireo zanany ny harena izay heveriny fa ho tonga loharanom-pitahiana ho azy ireo.TF 367.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents