Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mamindra Harena amin-Janaka

    Hitako fa misy ankizy sasany izay milaza fa mino ny fahamarinana no hanosika ny rainy, amin’ny fomba ankolaka, hihazona ny fananany ho an-janany, fa tsy hanolotra izany ho an’ny asan’Andriamanitra raha mbola velona izy. Ireo izay nanosika ny rainy hamindra ny fitantanana ny fananany amin’izy ireo, dia tsy mahafantatra velively ny zavatra ataon’izy ireo. Mampivangongo andraikitra roa sosona eo aminy izy ireo, dia ny manozongozona ny sain’ny ray mba tsy hanatanterahany ny fikasan’Andriamanitra eo amin’ny fitantanana ny fananana izay nampindramin’Andriamanitra azy mba hampiasaina ho voninahiny, sy ny andraikitra fanampiny ny ho lasa mpitantana ny fananana izay tokony nampanànan’ny ray tamin’ny mpanàna vola, dia mba nandray ny Azy mban-janany ny Tompo.TF 368.1

    Ray aman-dreny maro no manao hadisoana lehibe amin’ny famindrana ny fananany avy eo am-pelatanany ka mametraka izany eo am-pelatanan’ny zanany, kanefa tompon’andraikitra amin’ny fampiasana na amin’ny fanararaotana atao amin’ny talenta nampindramin’Andriamanitra azy izy ireo. Na ny ray aman-dreny na ny ankizy dia samy tsy misy lasa faly kokoa noho io famindram-pananana io. Ary ireo ray aman- dreny, raha toa ka velona mandritra ny taona vitsy, amin’ny kapobeny dia manenina noho ny fihetsika nataony. Tsy mampitombo ny fitiavana ny ray aman-dreny ao anatin’ny zanaka io zavatra io. Tsy mahatonga azy ireo hahatsapa fankasitrahana sy adidy mitombo manoloana ny ray aman- dreniny noho ny fahalalahan-tanany izany. Toa misy ozona mitoetra eo amin’ny fototr’izany zavatra izany, izay tsy miteraka afa-tsy fitiavan-tena fotsiny eo amin’ny ankizy, sy tsy fifaliana sy fihetseham-po mampahonena noho ny fiankinana mahamenatra eo amin’ireo ray aman-dreny.TF 368.2

    Ho tsaratsara kokoa raha toa ka mampianatra ny zanany mba hanampy ny tenany ny ray aman-dreny dieny mbola velona izy, noho ny mamela vola betsaka ho azy ireo amin’ny fahafatesany. Ireo ankizy izay avela hiankina indrindra indrindra amin’ny ezaka ataony, dia ho tonga lehilahy sy vehivavy tsara kokoa, ary ho vonona kokoa amin’ny fiainana andavanandro, noho ireo ankizy izay niankina tamin’ny fananan’ny rainy. Amin’ny kapobeny, ireo ankizy izay avela hiankina amin’ny hoenti-manany dia manome tombambidy ny talentany, mampitombo ireo tombony fanararaotra ananany, ary mamboly sy mampitodika ny fahaizany mba hanatrarana tanjona eo amin’ny fiainana. Matetika izy ireo no mikolokolo toetra feno fahazotoana sy fitsitsiana ary fahamendrehana ara-panahy, izay fototry ny fahombiazana eo amin’ny fiainana kristianina. Mazàna ireo ankizy izay anaovan’ny ray aman-dreny zavatra betsaka indrindra no tsy mahatsiaro adidy indrindra manoloana azy ireo. - 3T, tt. 121- 123.TF 369.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents