Toko 64 - Mamindra Andraikitra Amin’ny Hafa
Ireo anadahy mpitandrina ny Sabata izay mamindra ny andraikitra maha-mpitantana azy ireo amin’ny vadiny, kanefa tena afaka mitantana izany izy ireo, dia tsy hendry, ary mampahatezitra an’Andriamanitra tokoa izany famindram-pitantanana izany. Tsy azo afindra amin’ny renim-pianakaviana ny andraikitra maha-mpitantana ny raim-pianakaviana. Atao ihany anefa izany indraindray ka dia miteraka fahavoazana eo amin’izy roa.TF 370.1
Indraindray dia misy raim-pianakaviana mpino mamindra ny fananany amin’ny vadiny tsy mpino, manantena ny hanao izay mahafaly ny fony, sy hanaisotra ny fanoherany ny fahamarinana, ka hitarika azy hino ny fahamarinana amin’ny farany. Kanefa izany dia sady tsy mihoatra no tsy latsaka fa mitovy amin’ny fanaovana ezaka hividianana fiadanana, na fanakaramana ilay ramatoa hino ny fahamarinana ihany izany. Nomen’Andriamanitra ilay rangahy io fananana io mba hampandrosoana ny asany, kanefa dia nafindran’ilay rangahy hotantanan’ny vehivavy izay tsy manana fiheverana manokana ny fahamarinana akory; tatitra manao ahoana no mba ho azon’ny mpitantana toy izany hatao rehefa mitaky ny fananany mban-janany ilay Mpampianatra Lehibe?TF 370.2
Matetika koa ireo ray aman-dreny mpino no mamindra ny fananany amin’ireo zanany tsy mpino, ka mametraka izany amin’ny toerana tsy hahafahany mamerina amin’Andriamanitra intsony ny zavatra izay efa Azy. Ny fanaovana izany dia fandosirana ny andraikitra nomen’Andriamanitra hiantsorohany, sy fametrahana eo amin’ny laharan’ny fahavalo ny harena izay nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo mba haverina Aminy amin’ny fampiasana izany eo amin’ny asany rehefa takiny amin’izy ireo izany.TF 370.3
Tsy baiko avy amin’Andriamanitra mihitsy ny hamoizan’ny ray aman-dreny, izay tena afaka mitantana tsara ny raharahany, ny fitantanana ny fananany ka hanolorany izany amin’ny zanany, na dia iray finoana aminy aza izy ireo. Mahalana izy ireny no manana ny fanoloran-tena sy fiheverana manokana ny asan’Andriamanitra tokony hananany, sady tsy mbola zatra niatrika fahasarotana sy fahoriana akory izy ireo, mba hahafahany mametraka tombambidy ambony eo amin’ny harena maharitra mandrakizay, sy tombambidy kely kokoa eo amin’ny haren’ny tany. Ny harena apetraka eo an-tanan’olona toy izany dia faharatsiana goavana. Fakam- panahy ho azy ireo ny fametrahana ny fony amin’ny zavatry ny tany sy ny fitokiany amin’ny harena, ka hahatsapa fa toa tsy mila afa-tsy zavatra bitika monja intsony izy ireo ankoatra izany. Raha harena izay tsy azon’izy ireo tamin’ny fisasarany akory no tonga eo am-pelatanany dia mahalana ihany no hampiasany izany am-pahendrena.TF 371.1
Ny raim-pianakaviana izay mamindra ny fananany amin’ny vadiny, dia manokatra varavaran’ny fakam-panahy lehibe ho an’izany vadiny izany, na mpino ilay ramatoa na tsy mpino. Raha mpino ilay ramatoa nefa hita fa mahihitra sady manana fironana amin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavan- karena, dia havesatra kokoa ny ady ataony handrindrana ny fomba fitantanany ny fananana sy ny fomba fitantanan’ilay rangahy izany. Mba hihazonany ny famonjena dia tsy maintsy mandresy ireo lafin-toetra hafahafa sy ratsy ireo izy, ka haka tahaka ny toetran’ny Tompony, hikatsaka ny fomba hahafahana manasoa sy mitia ny hafa, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika. Tokony hiezaka hikolokolo fatratra ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana izay nananan’ny Mpamonjintsika tamin’ny fatrany betsaka tokoa izy. Ny fiainany dia naneho taratra fahalalahan-tanana mendrika sy tsy mitady tombony. Tsy mba voapentin’ny asa feno fitiavan- tena ny fiainany manontolo.TF 371.2
Na inona na inona ny antony nanosika ilay raim- pianakaviana, dia nametraka vato manafintohina mahatsiravina teo amin’ny lalan’ny vadiny izy, izay hanelingelina azy ka tsy hahafahany mandresy. Ary raha toa ka hafindra amin’ny ankizy indray ny fitantanana dia voka-dratsy mitovy ihany no hanaraka. Mamaky ny antony manosika izany raim-pianakaviana izany Andriamanitra. Raha tia tena izy, ka nataony mba hanafenana ny fitiavan- tenany ilay famindram-pananana, sy hanalany tsiny ny tenany noho ny tsy fanaovany na inona na inona ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra, dia azo antoka fa hamely azy ny ozon’ny lanitra.TF 372.1
Mamaky ny tanjona sy ny fikasan’ny fo Andriamanitra, ary mamantatra ny antony manosika ny zanak’olombelona. Mety tsy haseho miharihary toy izay nitranga tamin’i Ananiasy sy i Safira ny tsy fahatezerany mivaingana sy hita maso, kanefa tsy ho maivana noho izay nahatra tamin’izy ireo tsy akory ny sazy hihatra amin’izay manao toy izany, amin’ny farany. Teo am-piezahana hamitaka ny olombelona dia nandainga mivantana tamin’Andriamanitra izy ireo. “Ny fanahy izay manota no ho faty.” - Ezek. 18:20TF 372.2
Voafitaky ny fahavalo tanteraka ireo izay mandoka tena fa afaka mamindra ny andraikiny amin’ny vadiny na amin’ny zanany izy ireo. Tsy hampihena na oviana na oviana ny andraikiny tsy akory ny famindrany ny fitantanana ny fananany ho amin’ny hafa. Tsy maintsy hampamoahina noho ny amin’ny fananana nankinin’ny lanitra hotantanany izy ireo, ka tsy misy hahafahany manala tsiny ny tenany manoloana io andraikiny io, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, mandra-panafahana azy, rehefa tafaveriny amin’Andriamanitra izay nankininy tamin’izy ireo. - 1T, tt. 528-530.TF 373.1