Amin’ny Maha-Fanomezana fa Tsy amin’ny Maha-Zo
Hoy i Petera hoe: “Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?” — Mat. 19:27. Izany fanontanian’i Petera izany dia maneho ny fieritreretany fa mendrika ny hahazo valisoa ny asa izay nataon’ny apôstôly. Hita tao anatin’ny mpianatra ny fanahin’ny fahafaham-po amin’ny tenany, ny fanandratan- tena, ary dia nampitaha sy nanombana ny tenany tamin’ny namany avy izy ireo. Raha toa ka hita miharihary fa sendra tsy fahombiazana ny iray tamin’izy ireo dia nahatsiaro ho ambony avy hatrany ny hafa. Nahita toe-tsaina nisosoka izay tsy maintsy hatsahatra i Jesôsy. Voavakiny ny fon’ny olombelona, ary hitany miharihary ny fironana ho amin’ny fitiavan-tena tao anatin’ilay fanontaniana hoe: “Koa inona ary no ho azonay?” Tsy maintsy ahitsiny izany faharatsiana izany mialoha ny hitarany sy hahazoany vahana be loatra.TF 376.3
Tandindomin-doza hanary eo imason’izy ireo ireo foto- kevitra marina ananan’ny filazantsara ny mpianatra. Tamin’ny alalan’ity fanoharana [momba ny fiantsoana ny mpiasa tany] ity no nampianaran’i Kristy azy ireo fa tsy avy amin’ny asa mihitsy ny valisoa atolony, andrao hisy olona hirehareha, fa avy amin’ny fahasoavana avokoa. Ny mpiasa tany nantsoina hiasa ny tanimboaloboka teo am-piantombohan’ny andro dia nandray ny valisoany araka ny fahasoavana izay natolotra azy. Nefa ilay iray izay nandray ny antso farany dia nandray ny fahasoavana mitovy amin’izay noraisin’ny mpiasa voalohany. Samy fahasoavana avokoa ny asa nataony, ka tsy misy na dia iray aza afaka hanandra-tena ho ambony noho ny hafa. Tsy tokony hisy fialonana hankahalana ny hafa mihitsy. Tsy misy nomena tombony ambony noho ny an’ny hafa, ary tsy misy afaka hilaza fa zony madiodio ny handray valisoa. Naneho ny toe-tsain’ny mpikarama an’ady i Petera teto. - RH, 10 Jol. 1894.TF 377.1