Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fandavana Sahisahy

    “Fantatro fa mitory ihany koa ianao fa tsy tokony handoa ny ampahafolony isika. Ranadahiko, esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijoroanao io. Niresaka momba ny fandoavana ampahafolony ny Tompo. Hoy Izy: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko” (...).TF 90.1

    “Vao haingana izay, dia nahazo fahazavana mivantana avy tamin’ny Tompo momba io resaka io aho, fa Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito maro no mandroba an’Andriamanitra eo amin’ny ampahafolony sy ny fanatitra, ary naseho mazava tamiko fa nambaran’i Malakia araka ny tena endriny io resaka io. Koa ahoana no ahasahian’ny olona iray na dia ny hieritreritra fotsiny ao am-pony aza fa avy amin’ny Tompo ny soso-kevitra milaza ny hihazonana ny ampahafolony sy ny fanatitra? Ranadahiko, taiza ianao no niala ny lalan’ny fahamarinana? Avereno haingana eo amin’ny lala-marina indray ny tongotrao.” - TM 60.TF 90.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents