Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 18 - Andao Isika Hizaha Toetra An’Andriamanitra

    “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranobo, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinaho fitahiana manana amby ampy ho anareo.” - Mal. 3:10. Hankatò an’Andriamanitra ve isika ka hitondra ny fahafolon-karena sy ny fanatitra rehetra, mba hahafahana manome fahafaham-po ny fangatahan’ny fanahy hanolorana hanina ho an’izay noana ny mofon’aina? Manasa anao Andriamanitra mba hizaha toetra Azy ankehitriny, raha manakaiky ny fiafarany ny taona iray, ka ny taona vaovao dia mba hahitana ny trano firaketan’Andriamanitra ho feno indray (...).TF 97.1

    Milaza amintsika Izy fa hovohany ny varavaran’ny lanitra, ka hampidinany fitahiana manana amby ampy ho antsika. Nianiana tamin’ny teniny Izy: “Hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.” — Mal.3:11. Koa toky ho antsika ny teniny fa hitahy antsika tokoa Izy, ka hanana ampahafolony sy fanatitra betsaka kokoa hatrany isika mba hatolotra ho Azy. “Miverena amiko, dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. ” — Mal. 3:7.TF 97.2

    Ranadahy, hekenareo ve ireo fepetra ireo? Hanolotra betsaka an-tsitrapo sy amim-pifaliana ve ianareo? Miantso fanampiana avy any Amerika ireo saha any ivelany. Hiantsoantso foana ve izy ireo? Mila vola betsaka ireo misiona eo an-toerana; naorina tamim-pinoana tany amin’ireo faritra samy hafa ao amin’ny saha izy ireo. Havela hiraviravy tanana sy ho faty ve izy ireo? Tsy hifoha ve isika? Andriamanitra anie hanampy ny olony mba hanao araka izay tratrany indrindra.TF 97.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents