Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mivory Manodidina ny Hazo Fijaliana

    Tokony hovelomina sy hatanjahina ary haely eny anivon’ireo fiangonantsika ny fitiavana naseho teo Kalvary. Tsy hanao izay rehetra azontsika hatao ve isika mba hanomezana hery ny foto-kevitra nentin’i Kristy teto amin’izao tontolo izao? Tsy hiezaka mafy ny hampitoetra sy hampahomby ireo asa feno fahalalahan-tanana izay takina tsy misy hatak’andro amin’izao fotoana izao ve? Raha mijoro manoloana ny hazo fijaliana ianao, ka mahita ilay Andrian’ny lanitra maty ho anao, dia azonao hatao ve ny manidy ny fonao ka hilaza hoe: “Tsia, tsy manan-javatra homena aho”?TF 13.1

    Natao hampitoetra mandrakizay ny fitiavan’i Kristy ny vahoakany mpino. Natao hisintona sy hampikambana azy ireo manodidina ny hazo fijaliana io fitiavana io. Natao hanala azy ireo amin’ny fitiavan-tena rehetra izany, sy hampifamatotra azy ireo amin’Andriamanitra sy amin’izy samy izy.TF 13.2

    Mivoria manodidina ny hazo fijaliana ao anatin’ny fanoloran-tena sy ny fandavan-tena. Hitahy anareo Andriamanitra rehefa manao ny tsara indrindra ianareo. Raha manatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana ianareo, raha hitanareo fa mifamatotra amin’izany seza fiandrianana izany ianareo, amin’ny alalan’ny fatorana volamena izay nampidinina avy tany an-danitra ka mipaka ety an-tany mba hisintona ny olona avy amin’ny lavaka tsy hita noanoan’ny fahotana, dia hihetsi-pitiavana ho an’ny rahalahinareo sy ny anabavinareo izay tsy manana an’Andriamanitra sy tsy manana fanantenana eo amin’izao tontolo izao ny fonareo. - 9T,tt. 253-256.TF 13.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents