Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manaraka an’i Jesôsy

    Tsy nangataka tamin’ilay tovolahy mpanan-karena afa- tsy ny handeha amin’ny lalana izay efa nodiaviny i Jesôsy. Mora kokoa ny mamakivaky ny lalana feno tsilo rehefa hita eo ny dian-tongotry ny mpampianatra izay efa nandamina sy nanetry mialoha ireo tsilotsilo izay mety handratra. Nirin’i Jesôsy ny handray io tanora manan-talenta io hiara- miasa aminy raha mba nanaiky ny sitrapony izy tahaka ireo mpanota maro be izay nasainy hanaraka azy.TF 167.2

    Tsy heloka ho an’ity tovolahy ity ny fahakingany amin’ny famoriana harena raha toa ka mba nanaiky hitia ny namany tahaka ny tenany izy sy mba tsy nampiasa hafetsifetsena tamin’izy ireo mba hitombon’ny hareny. Raha mba nampiasainy hiezahana hamonjena ireo fanahy very izany fahaiza-manaony izany dia nahazo sitraka tamin’Andriamanitra izy ary nataony ho fitaovana kinga sy mahomby ho Azy. Saingy nandà iny tombontsoa ambony iny izy; dia ny hiara-miasa amin’i Kristy eo amin’ny asa fanavotana fanahy; naleony namoy ny harena sarobody izay nampanantenaina azy any amin’ny fanjakan’ny lanitra ary dia nifahatra nankany amin’ny harena mandalo ihany.TF 167.3

    Maneho karazana Kristianina maromaro ity tovolahy ity izay tsy mety mitondra ny hazo fijaliana sy mizaka ny zioga tokony hoentina, ary tsy mety mamela ireo tombontsoa eto an-tany sy tsy mamoy ireo harena tokony hatolotra. Nanankina talenta sy fananana maro tamin’izy ireny Andriamanitra ary miandry ny fandraisany anjara amin’ny asa fanompoana ho setrin’izany. Tsy tompon’izay eo am- pelatanantsika isika fa ireny fananantsika ireny dia tokony hampiasaina ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.TF 168.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents