Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Azontsika Atao ny Mampiasa ny Harena fa tsy Mamihina izany Fotsiny.

    Hiezaka hahatratra ny haren’ny lanitra amim- pahavitrihana, sy amim-pikirizana miaraka amin’ny faharisihana mifandanja amin’ny saran’ny zavatra tiany ho azo ireo mpikatsaka ny harena tsy mety lo. Miasa mba ahazoana ny harena eto an-tany izay mandalo fotsiny ihany ny olona eto amin’izao tontolo izao. Manangona harena eto amin’ity tany ity izy araka ny nandraran’i Jesôsy azy.TF 174.3

    Ny Kristianina marina dia mankasitraka ny fampitandremana atolotr’i Jesôsy azy ka tanterahiny ny Teniny, amin’ny fihanana harena any an-danitra sy amin’ny fankatoavana izay nolazain’ny Mpamonjy azy. Aminy dia manana tombam-bidy kokoa ny fanomezana maharitra mandrakizay izay mendrika hanokanana ny fiainana feno ezaka mitohy sy tsy mety reraka. Tsy mampitodika ny fijeriny mankany amin’ny lalana tsy izy. Mametraka ny faniriany amin’ny zavatra any ambony izy, any amin’ny toerana izay ipetrahan’i Jesôsy eo ankavanan’Andriamanitra. Miafina ao amin’i Kristy ny fiainany satria voaovan’ny fahasoavana. Tsy hoe very ny fahaiza-manaony amin’ny fitadiavam- bola fa mampiasa ny heriny rehetra izy mba ahazoana fahalalana ara-panahy; amin’ny alalan’izany fomba izany dia voasokajy ho fanomezana avy any an-danitra ka tokony hampiasaina amin’ny fankalazana Azy ireo talenta rehetra ananany. Tsy angoniny fotsiny ny hareny fa sitrany izy ireny raha hanampiana ny fampandrosoana ny fanapariahana ny fahamarinana sy hanaovana asa fanasoavana ny fiainan- janak’olombelona tahaka ny nataon’i Jesôsy. Hampiasainy ny heriny rehetra mba hanatrarana io tanjona io fa tsy hiderana azy na koa hahazoany fahafaham-po ho an’ny tenany. Vokatr’izany dia hihamatanjaka ny talenta tsirairay ananany ka hahavita zava-mahagaga eo amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra izy. Azo lazaina ho be herim-po izy fa tsy kamo, ary manana fanahy mazoto sy ho mpanompo an’Andriamanitra. (Jereo Rôm. 12:11). Tsy manameloka ny fitandremana sy fiahiana ny raharahan’izao fiainana izao akory Andriamanitra fa manambara kosa fa ny fikarakarana fatratra, sy ny fiahiahiana diso tafahoatra ireny zavatra ireny dia mifanohitra amin’ny sitrapony. - RH, 1 Mar. 1887TF 175.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents