Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 33 - Angorahana Ireo Malahelo

    Eo anatrehan’ny zavatra ataon’ny Lanitra mba hamonjena ny very, dia ahoana no mbola ahafahan’ireo izay mpiombona amin’ny haren’ny fahasoavan’i Kristy tsy ho liana sy tsy hangoraka ireo mpiara-belona aminy? Ahoana no hahafahan’izy ireo mampanaram-po ny avonavona amin’ny fametrahana saranga sy firazanana, ka hanao tsinontsinona ireo mahantra sy ireo malahelo?TF 176.1

    Marina koa anefa fa nisy teo amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy koa ny avonavona amin’ny fametrahana saranga sy ny fampahoriana ireo malahelo izay manjaka eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ho an’ny ankamaroan’ny olona dia toa tena mangatsiaka ny fangorahana izay tokony hatosaka amin’ny fatra feno amin’ny olombelona. Fihinin’ny olona ho an’ny tenany ihany ny fanomezana nankinina taminy sy natao hitahiana ny hafa. Torotoroin’ny mpanan-karena ny tavan'ny malahelo, ka ampiasainy ny vola azo avy amin’izany mba hanaranany ny avonavony sy ny fitiavany hisehoseho, eny fa na dia ao an-tranon’Andriamanitra aza. Atao izay hahatsapan’ny mahantra fa zavatra lafo loatra izany hoe manatrika ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Hita eny amin’ny olona maro ny fahatsapana fa ny mpanan-karena ihany no afaka manatanteraka fanompoam- pivavahana an’Andriamanitra eo imasom-bahoaka mba hahatsara laza ny fiangonana eo anivon’izao tontolo izao. Raha toa ka tsy naneho ny fitiavany tamin’ireo malahelo sy ireo mpandefitra izay torotoro fo ny Tompo, dia ho tonga toerana mampalahelo ho azy ireo ity izao tontolo izao ity (...)TF 176.2

    Zanaky ny ray aman-dreny malahelo ilay Mpanavotra izao tontolo izao, ary raha natolotra tany am-piangonana Izy fony tamin’ny fahazazany, dia fanatitra notendrena ho an’ny malahelo no mba azon’ny reniny nentina, - domohina na zana-boromailala tanora roa. Izy no ilay fanomezana sarobidy indrindra avy tany an-danitra ho an’ity tontolontsika ity, fanomezana ambonin’ny kajikajy rehetra, kanefa na ny fanatitra kely indrindra aza dia azo anehoana ny fankasitrahana azy. Nandritra ny fivahiniany teto an- tany dia niaina ny fiainan’ireo malahelo sy mpandefitra ny Mpamonjintsika. Ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena no namaritra ny fiainany.TF 177.1

    Avy Aminy irery ihany no iavian’ny sitraka sy ny fitahiana rehetra; mpitantana ny fahasoavany sy ny fanomezana eto an-tany avy Aminy isika; azo atolotra ho an’i Jesôsy toy ny fanomezana masina sy voatokana ny talenta faran’izay kely indrindra sy ny fanompoana faran’izay bitika indrindra, ary dia hasehony eo anatrehan’ny Ray izany, miaraka amin’ny fofo-manitry ny fahamendrehany manokana. Raha atolotsika izany fanomezana izany ka tsotra ny fontsika, feno fitiavana an’Andriamanitra, ao anatin’ny faniriana lalina ny hanompo an’i Jesôsy, dia hoekena amin’ny fahafenoany izany. Afaka mihary harena any an-danitra ny tsirairay. Ny olona rehetra dia mety “hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto hanome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.” — 1 Tim. 6:18,19.TF 177.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents