Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

«Hery Mifanandrina»

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 34 - Ilay Antso Avo

    Hitako ny anjely manidina haingana tetsy sy teroa tany an-danitra. Nidina tety an-tany izy ireo ary avy eo niakatra tany an-danitra indray, miomana ho amin’ ny fahatanterahan’ireo vanim-potoana manan-danja sasantsasany. Rehefa afaka izany dia nahita anjely nahery hafa aho nirahany hidina ety an-tany mba hampiray ny feony tamin’ny an’ilay anjely fahatelo ary nanome fahefana sy hery ny hafany. Nomena fahefana lehibe sy ny voninahitra ilay anjely ary raha nidina izy dia nohazavain’ny voninahiny ny tany. Namakivaky ny toerana rehetra ny hazavana izay mialoha sy tao aorian’ ny anjely raha niantso tamin-kery tamin’ny feo mahery izy ka nanao hoe “Rava rava Babylona lehibe ka tonga fonenan’ny demonia sy fieren’ny fanahy maloto rehetra sy akanin’ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina”. Ny hafatra mikasika ny fahalavoan’ny Babylona, araka izay nomen’ny anjely faharoa, dia nomena indray koa miaraka amin’ny fanampiny dia ny faharatsiana izay miditra ny fiangonana hatramin’ ny 1844.Tonga tamin’ny fotoana mety ny hafatr’ity anjely ity ary nandray anjara tamin’ilay asa lehibe ny faran’ilay hafatry ny anjely fahatelo raha nohatevenina ho antso avo izany. Ary ny vahaokan’Andriamanitra dia efa nomanina hatraiza hatraiza mba handresy amin’ilay ora fizahan-toetra izay hatrehiny tsy ho ela. Hitako ireo anjely anakiroa voahodidina fahazavana lehibe, manambara tsy amin-tahotra ny hafatry ny anjely fahatelo. Anjely maro no nirahina hanampy ny anjely mahery avy any an-danitra, ary nahare feo maro izay, toa manako hatraiza hatraiza manao hoe: “Miala aminy, miala aminy hianareo ny oloko mba tsy hiombonanareo ota aminy ary mba tsy hisy hahazoanareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitetika tamin’ny lanitra ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” Toa hita ho fanampin’ ilay hafatra fahatelo ity hafatra ity ary mamitrana izany toy ny antson’ny mamaton’alina manakambana ny hafatry ny anjely faharoa tamin’ny 1844. Nitoetra tamin’ireo olo-masina miandry tamim-paharetana, ny voninahitr’Andriamanitra ary dia nanome tsy amin-tahotra ilay fampitandremana lehibe farany izy ireo, izay nanambara ny fahalavon’ny Babylona sady niantso ny vahoaka Andriamanitra mba hiala aminy mba hahafahany mandositra ilay anjara mampatahotra izay miandry azy.HM58 72.1

    Namakivaky hatraiza hatraiza ny hazavana izay naparitaka tamin’ireo izay miandry sy ireo manana ny hazavana sasantsasany tao am-piangonana, izay tsy nahare sy tsy mandà ny hafatra telo, namaly ny antso ary nandao ireo fiangonana lavo. Ny ankamaroany tonga tamin’ny taonan’ny mpisainana ( fahamatorana) nanomboka tamin’ny nanomezana ireo hafatra ireo ka dia nanana tombontsoa ny hifidy ny fiainana na ny fahafatesana izy ireo. Ny sasany nanao safidy tsara ka mandray ny toerany miaraka taminy ireo izay mikatsaka ny Tompony sy mitandrina ny didiny rehetra.Tsy maintsy nanao ny asany ilay hafatra fahatelo, ny zanak’Andriamanitra rehetra dia tokony hozahan toetra amin’izany ary ireo sarobidy dia antsoina hivoaka ny vondron-pikambanam-pivavahana. Nanetsika ireo mahatoky ny hery iray ka nanetsika azy ireo raha mbola nisy ny fanehoana ny herin’Andriamanitra notoroan-kevitra hatahotra ireo ray aman-dreniny sy ireo sakaizany izay tsy manana finoana tahaka azy ireo, ary amin’izany, dia tsy hatahotra na ho afaka hanampotsampona ny fahatsapana ny fiasan’ny Fanahin’ Andriamanitra ao am-pony izy ireo. Ilay antso farany dia nentina na dia tamin’ireo andevo mahantra aza ary ireo izay tia fivavahana miaraka taminy tamin’ny fiteny feno fanetren-tena, nentina tamim-pifaliana ireo hahita lavitra ny fanantenana ilay fahafahana mahafinaritra azy ireo, ary ny tompony dia tsy afaka hanao an-terivozona azy ireo; ny tahotra sy ny fitalanjona no nahatonga azy ireo ho tsy afa-niteny. Fahagagana lehibe no natao, sitrana ny marary ary famantarana sy fahagagana maro no nanaraka ireo mpino. Niasa Andriamanitra; ary tsy nampahatahotra ireo olo-masina rehetra ny vokany, dia nanaraka ny faharesen-dahatry ny feon’ny fieritreretany manokana izy ireo ka niray tamin’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra rehetra ary nampanakoako ny tany am-pita mombam-pahefana ilay hafatra fahatelo. Hitako fa hifarana am-pahefana sy amin-kery izay mihaotra lavitra ny antson’ny mamaton’alina ilay hafatra fahatelo.HM58 72.2

    Notafina fahefana avy any ambony ireo mpanompon’Andriamanitra; tamin’ny tarehy mazava sy namirapiratry ny fanokanana masina no nandehanan’izy ireo nivoaka nanatanteraka ny asany sy nanambarany an’ilay hafatra avy any an-danitra. Namaly ny antso ireo fanahy izay miparitaka tany amin’ireo fikambanana ara-mpivavahana samihafa ary nentina nivoaka haingana ny fiangonana voaheloka izy ireo, tahaka an’I Lota izay nentina nivoaka haingana an’i Sodoma talohan’ny nandravana azy. Voaomana sy nahazo hery ireo vahoakan’Andriamanitra avy amin’ilay voninahitra lavorary izay nirotsaka taminy tamin’ny fahafenoany manana amby ampy, izay manomana azy ireo mba hiaritra ilay oran’ny fizahan-toetra. Feo maro no reko hatraiza hatraiza, nanao hoe, “Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’I Jesosy.”HM58 72.3

    Jereo Genesisy toko 19 ; Apokalypsy 14:12 ; 18:2-5HM58 72.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents