Talohan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia nisy fotoana izay tsy nisian’ ny Baiboly at’a-tsy vitsy foana, nefa tsy navelan’ Andria-manitra ho foana tanteraka ny teniny. Tsy navelany ho voafina mandrakizay io zava-tsoa io. Azony natao mora foana ny namaha ny tenin’ ny fiainana toy ny nahazoany nampidanadana ny varavaran’ ny tranomaizina sy nampivoha ireo vavahady vy mba hanafahana ny mpanompony. Tany amin’ ny tany samihafa tany Eoropa dia nisy olona nohetsehin’ ny Fanahin’ Andriamanitra nikatsaka ny fahamarinana tahaka ny harena nafenina. Andriamanitra no nitarika azy teo amin’ ny Soratra Masina, ka liana fatratra izy nianatra ireo takelaka masina. Vonona ny hanaiky ny fahazavana izy na toy inona na toy inona ho vidin’ izany aminy. Na dia tsy hitany mazava aza ny zavatra rehetra, dia afaka nahazo fahamarinana maro efa voalevina ela izy. Iraka nalefan’ ny lanitra izy ireo ka nandroso nanapatapaka ny rojon’ ny hevi-diso sy ny finoanoam-poana, ary niantso ireo izay efa nandevozina ela loatra mba hitsangana sy hampisy lanjany ny fahafahany. HM 79.1
Afa-tsy tao amin’ ireo Vaudois, dia toa voahidy nandritra ny taona maro ny tenin’ Andriamanitra noho izy voasoratra tamin’ ny fiteny izay ny nahita fianarana ihany no nahay azy ; nefa tonga ny fotoana nandikana ny Soratra Masina sy nanomezana azy ny olona amin’ ny fiteny samihafa amin’ ny tenin-drazany. Efa nilaozan’ izao tontolo izao ny mamatonalina. Nisinda niandalana ny aizin’ ny tsy tahalalana ary namiratra tao amin’ ny tany maro ny mazava atsinanana. HM 79.2
Tamin’ ny taonjato fahetra ambin’ ny folo no teraka tany Angleterre i Jean Wiclef « ilay kintan’ ny marainan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana». Izy no mpialoha lalana ny fanavaozana, tsy ho an’ i Angleterre fotsiny, fa ho an’ ny fiangonana kristiana manontolo. Ny fanoherana mafy indrindra an’ i Roma izay navela nambarany, dia tsy azo hadinoina na oviana na oviana. Io fanoherana io no nanokatra ny ady izay niafara tamin’ ny fanafahana ny isam-batan’ olona. ny fiangonana sy ny firenena. HM 80.1
Nahasahana zavatra maro loha ny fanabeazana noraisin’ i Wiclef, ary ho azy koa dia ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandohampahendrena. Nampiavaka azy tany an-tsekoly ny fitiavam-bavaka mafana, sy ny talenta nahavariana ary ny fahaizany lalina. Ny hetahetam-pahalalana tao aminy no nanosika azy hanakatra ny taranjam-pahaizana rehetra. Nobeazina tamin’ ny foto-kevitra arapivavahana tamin’ ny taona antenantenany izy, tamin’ ny lalàmpiangonana, sy tamin’ ny lalàm-panjakana, indrindra ireo mikasika ny taniny. Ny asany tatý aoriana dia mampiseho mazava ny tombambidin’ io fitaizana azony tany am-boalohany io. Ny fahalalany tomombana tsara, ny fahaizana mandanjalanja hevitra tamin’ ny androny dia nahatonga azy ho afaka nampiseho ny fahadisoan’ izany ; ary ny fianarany ny lalana ara-panjakana sy ara-piangonana dia nanomana azy hiditra an-tsehatra tao amin’ ilay tolona lehibe natao ahazoana fahafahana ara-politika sy ara-pivavahana. Hainy ny nampiasa ny fiadiana notsoahina avy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra, sady nananany koa ny fifehezan-tsaina azony tany an-tsekoly, ka nazava taminy ny tetik’ adin’ ireo ambony fahaizana. Ny herin’ ny fahaizany manokana, ny fitatry ny fahalalany sy ny halalin’ izany dia nibaiko ny fanajan’ ny sakaizany sy ny fahavalony azy. Nahafaly ny mpanaraka azy ny nahita fa tsy mena-milahatra tamin’ ireo olo-mangan’ ny firenena ilay mpiaro azy ; voasakana ary ny fahavalony tsy hamingavinga ny fanavaozana ara-pivavahana raha ny fahabadoana sy ny fahalemen’ ny mpanohana azy no nataony hamelezana azy. HM 80.2
Raha mbola tany am-pianarana i Wiclef, dia nanomboka ny fandinihana ny Soratra Masina. Tamin’ ireo andro tany am-boalohany tany. fony tsy nisy afa-tsy tamin’ ny fiteny fahagola ny Baiboly. dia azon’ ireo olona nahita fianarana ireo natao ny nahita ny lalana ho amin’ ny loharanon’ ny fahamarinana, izay nihidy kosa ho an’ ny sarangan’ olona tsy nahita fianarana. Tamin’ izany fomba izany dia efa voaomana ny lalana hanaovan’ i Wiclef ny asan’ ny Mpanavao fivavahana. Nisy olona nahita fianarana nandinika ny tenin’ Andria-manitra ary nahita ny fahamarinana lehibe momba ny fahasoavany maimaimpoana voambara ao. EEfa nanaparitaka io fahaialana io izy tamin’ ny fampianarana nataony, ka nitarika ny hafa koa hitodika ho amin’ ireo teny velona avy amin’ ny tsindrimandry. HM 80.3
Rehefa voasintona teo amin’ ny Soratra Masina ny sain’ i Wiclef, dia nanomboka nanadihady izany tamin’ ilay hafanam-po nahazoany nanjaka tamin’ ny fianarana literatiora izy. Hatrizay dia tsapany fa nisy zavatra nokatsahiny fatratra izay tsy nahitany fahafaham-po, na teo amin’ ny fianarana momba ny fivavahana nataony, na teo amin’ ny fampianaran’ ny fiangonana. Tao amin’ ny tenin’ Andriamanitra no nahitany izay efa nokarohiny teo aloha, nefa tsy hitany. Tao no nahitany ny fanambarana ny drafitry ny famonjena sy i Kristy izay naseho ho hany Mpisolovava ny olona eo amin’ Andriamanitra. Nanolo-tena hiasa ho an’ i Kristy izy, ary nanapa-kevitra fa hitory ny fahamarinana efa hitany. HM 81.1
Tahaka ireo mpanavao fivavahana nandimby azy, dia tsy tazan’ i Wiclef avy hatrany tamin’ ny fotoana nanombohany izay ho fiafaran’ ny asany. Tsy nanao fanahy iniana hijoro hanohitra an’ i Roma izy. Nefa kosa ny fitiavany ny fahamarinana dia tsy nitondra azy afa-tsy teo amin’ ny fifanoherana amin’ ny hevi-diso. Arakaraka ny nahitany mazava ireo fahadisoan’ ny fahefana papaly, no vao mainka nampahafana fo azy naneho ny fampianaran’ ny Baiboly. Hitany fa niala tamin’ ny tenin’ Andriamanitra i Roma ka nanaraka ny lovan-tsofin’ olombelona; nampangainy tsy tamin-tahotra ireo mpitondra fivavahana nanilika ny Soratra Masina, ary nangatahiny ny hamerenana ny Baiboly amin’ ny vahoaka sy ny hananganana indray ny fahefany ao amin’ ny fiangonana. Mpampianatra havanana sy mafana fo izy, sady mpitory teny mahay mandaha-teny, ary ny fiainany andavanandro dia fanehoana ny fahamarinana toriny. Ny fahaialana ny Soratra Masina, ny herin’ ny sainy mandanjalanja, ny fahadiovan’ ny fiainany, ny herim-pony tsy mety kivy ary ny fahamarinan-toetrany dia nahatonga ny rehetra hanaja sy hatoky azy. Natsilo tokoa i Wiclef raha nampiharihary ny fahadisoana, ka tsy natahotra izy namelively ireo fanaovan-dratsy tafahoatra neken’ ny fahefan’ i Roma. Betsaka ny olona no tsy afa-po intsony tamin’ ny finoany voalohany raha nahita ny faharatsiana nanjaka tao amin’ ny Fiangonana Romana, ary nihoby tamin-kafaliana tsy miafina kosa ireo fahamarinana nahariharin’ i Wiclef; romotra anefa ireo mpitarika teo amin’ ny fahefana papaly rehefa tsinjony fa lehibe noho ny azy ireo ny hery miasa mangina avy amin’ ity mpanavao fivavahana ity. HM 81.2
Fony izy nitondra fivavahana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka, dia sahy nijoro nanohitra ny fandoavana ny hetra notakian’ ny papa tamin’ ny mpanjaka anglisy, ary nasehony fa ny fandraisan’ ny papa ny fahefana ho azy amin’ ny mpitondra fanjakana dia mifanohitra amin’ ny fahamarinana sy ny zavatra voambaran’ Andriamanitra ao amin’ ny Baiboly. Nanetsiketsika izaitsizy ny manampanahy ny filazana marina nataon’ i Wiclef ka nampirehitra ny fahatezeran’ ny olona tamin’ ny vola nampandoavin’ ny papa. Niray hina ny mpanjaka sy ny andriana mba handà ny fitakian’ ny papa hanana fahefana amin’ ny ara-nofo sy ny fitakiana hetra. Kapoka mafy namelezana ny fahefana fara-tampon’ ny papa tany Angletera izany. HM 82.1
Nisy fomba ratsy iray koa izay nataon’ ilay Mpanavao fivavahana anton-draharaha ela ny hamongorana azy sady nanaovany ady tsy mihambahamba, dia ny nanorenana ny antokon’ ny relijiozy mpangataka. Nanao andiany tany Angletera ireny mpangataka irony ka nanala-baraka ny fahalehibeazan’ ny firenena sy ny fandrosoany. Ny orin’ asa, ny fanabeazana, ny fiainana ara-pitondrantena, dia samy nahatsapa ny voka-dratsy mahamenatra avy amin’ izany. Tsy fantsona nikorianan’ ny fandaniam-bola navesatra tamin’ ny harembahoaka fotsiny ny fiainam-pangataka nidonanam-poana nasehon’ ny relijiozy, fa nahatonga ny asa mahasoa ho fanebaka koa izany. Simba sy voaloto ny fitondrantenan’ ny tanora. Noho ny hery miasa mangina avy amin’ ireo relijiozy ireo, dia betsaka ny zatovo no voatarika hiditra monastera ka nanokan-tena ho amin’ ny fiainandrelijiozy, ary nataony izany na dia tsy nankasitrahan’ ny ray amandreniny aza, eny, na dia tsy fantatr’ izy ireo aza izany sy nifanohitra tamin’ ny baikony. Hoy ny nosoratan’ ny anankiray anisan’ ny tranainy tamin’ ireo rain’ ny Fiangonana Romana, raha nanantitrantitra ny fitakian’ ny fiainan-drelijiozy ho ambony noho ny adidy sy ny fitiavan’ ny zanaka ny ray aman-dreniny izy : «Na dia mitsilany eo am-baravaranao aza ny rainao mitomany sy mitaraina, ary na dia hasehon-dreninao aza ny kibo nitoeranao sy ny nono nampinonoiny anao, dia aza misalasala ny hanosihosy azy amin’ ny tongotrao ka mandehana mivantana ho eny amin’ i Kristy». «Io toetram-biby tsy mendrika ny maha-olombelona io», araka ny filazan’ i Lotera azy tatý aoriana, «izay misy fofon’ amboadia sy olon-doza be mihoatra noho ny fofon’ ny kristiana sy ny olombelona», no nanamafy ny fon’ ny ankizy hanohitra ny ray amandreniny.1SEARS,Barnas,NY Fiainan’ I Lotera,p.70,69. Toy izany no nanafoanan’ ireo mpitarika teo amin’ ny fahefana papaly ny didin’ Andriamanitra tamin’ ny lovan-tsofiny, tahaka ny nataon’ ireo fariseo fahiny. Toy izany no nahalao ny tokahurano sy nahatonga ny ray aman-dreny tsy afaka hifaly amin’ ny fiaraha-monina amin’ ny zananilahy sy ny zananivavy. HM 82.2
Na dia ireo mpianatra tany amin’ ny Oniversite aza dia voafitaky ny endrika sandoka nasehon’ ireo relijiozy ka voatarika hiditra ao amin’ ny fikambanany. Betsaka no nibebaka tatý aoriana, nahita fa nanimba ny fiainany izy ka nampitondrá fahoriana ny ray aman-dreniny ; nefa rehefa voafatotra ao amin’ ny fandrika dia tsy azony intsony ny fahafahany. Marobe ireo ray aman-dreny, izay natahotra ny hery miasa mangina avy amin’ ny relijiozy, no nandà tsy handefa ny zanany tany amin’ ny Oniversite. Nihena be dia be ny isan’ ny mpianatra tao amin’ ireo foibem-pianarana lehibe. Nihareraka ny sekoly, ka nanjaka ny habadoana. HM 83.1
Nomen’ ny papa fahefana ireo relijiozy ireo hihaino konfesy sy hamela heioka. Nanjary loharano nipoiran’ ny faharatsiana lehibe izany. Nilofo ny hampitombo ny tombontsoany ireo relijiozy, vonona indrindra izy hanao famotsorana ka dia nitadiavana famonjena teo aminy izao heioka bevava isan-karazany izao, ary vokatr’ izany dia nitombo haingana dia haingana ny faharatsiana ambany indrindra. Navela hijaly ny marary sy ny mahantra; ny fanomezana izay nety nanamaivana ny fahantrany anefa dia lasan’ ny relijiozy, izay nanao fandrahonana rehefa nangataka tamin’ ny olona, ka nanameloka ny tsy fitiavam-bavak’ ireo izay tsy nanao fanomezana ny fikambanany. Na dia nilaza ho mahantra aza ireo relijiozy dia tsy nitsaha-nitombo ny haren’ izy ireo, ary ny trano beny mirentirenty sy ny latabany feno hanim-py dia vao mainka nampivandravandra ny fahantrana nitombo hatrany teo amin’ ny firenena. Nandany ny androny tamin’ ny fanaranam-po sy ny fahafinaretana izy, ary tamin’ izany ny nalefany hisolo azy dia olona tsy manana fahaialana, olona tsy mahay afa-tsy ny milaza tantara mahavariana, ny manao angano sy hatsikana mahafinaritra ny vahoaka ka mahatonga azy ho tena voafitaky ny relijiozy tanteraka mihitsy. Mbola nitohy nanjaka tamin’ ny vahoaka marobe minomino foana ihany ny relijiozy ary notarihiny hino izy ireo fa voafaoka ao amin’ izao ny adidy ara-pivavahana rehetra : dia ny manaiky ny fahefana fara-tampon’ ny papa, ny fivavahana amin’ ny olona masina sy ny fanaovana fanomezana ho an’ ny relijiozy ary ampy hono izany ahazoany toerana tsara antoka any an-danitra. HM 83.2
Nisy olona manam-pahaizana sady tenà mpivavaka niasa mafy mba hanao fanavaozana tao amin’ ireo antokon’ ny relijiozy ireo, nefa niala maina ; Wiclef kosa, izay nanana fahiratan-tsaina bebe kokoa, dia namely ny ratsy tao amin’ ny fakany mihitsy, ary nolazainy fa ny rafitra mihitsy no diso ka tokony hofongorana. Velona ny adihevitra sy ny fanadihadiana. Raha nitety ny tanàna nívarotra ny famelan-keloka avy amin’ ny papa ny relijiozy dia betsaka ny olona no voatarika hisalasala ny amin’ ny ahazoana mividy famelan-keloka amin’ ny vola, ary nanontany raha tokony hangataka famelan-keloka amin’ Andriamanitra izy fa tsy amin’ ny papa any Roma 2Jereo Fanampiny Tsy vitsy ny olona no velom-panahiana nahita ny fanaovana mamba noana teo amin’ ny relijiozy izay toa tsy hisy na oviana na oviana hahafa-po ny hatendan-kaniny. «Mikiky antsika toy ny homamiadana ny relijiozy sy ny pretran’ i Roma, hoy izy. Tsy maintsy manafaka antsika Andriamanitra, raha tsy izany dia ho levona ny vahoaka» 3Merle d’Aubigne,boky.17,took 7. Mba hanafenany ny fahihirany dia nilaza ireo relijiozy mpangataka fa manaraka ny ohatra nomen’ ny Mpamonjy, ary nambarany fa ny fiantrana nomen’ ny olona no niveloman’ i Jesosy sy ny mpianany. Io filazana io no nampidi-kizo azy ireo, satria nitarika ny olona maro ho eo amin’ ny Baiboly izany mba hianatra ny fahamarinana voalaza ao anatiny — io vokany io, mihoatra noho ny hafa rehetra, no tena tsy nirin’ i Roma indrindra. Voatarika ho amin’ ny Loharanon’ ny fahamarinana izay nokendreny hafenina ny sain’ ny olona. HM 84.1
Nanomboka nanoratra nampiely trakta manohitra ny relijiozy i Wiclef. Tsy dia ny hiady amin’ izy ireo anefa no notadiaviny fa ny hanaitra ny sain’ ny vahoaka amin’ ny fampianaran’ ny Baiboly sy amin’ Ilay nanoratra izany. Nambarany fa tsy manana fahefana hamela heioka na handroaka amin’ ny eglizy mihoatra noho ny pretra tsotra ny papa, ary tsy misy olona mety ho tafasaraka marina amin’ ny eglizy raha tsy efa nahatonga ny fanamelohan’ Andriamanitra tamin’ ny tenany izy aloha. Tsy nisy fomba mahomby kokoa azony natao mba handrodanany ny fanjakana goavana ara-panahy sy ara-nofo izay natsangan’ ny papa ka nitazonany fanahy sy vatana an-tapitrisa ho babo. HM 84.2
Voantso indray i Wiclef hiaro ny zon’ ny mpanjakan’ i Angletera amin’ ny fanitsakitsahana ataon’ i Roma azy ; voaterdry ho ambasadaoron’ ny mpanjaka izy dia nijanona roa taona tany Holandy, niara-nivory tamin’ ireo iraky ny papa. Tany izy no nifandray tamin’ ny mpitondra fivavahana avy any Frantsa, Italia sy Fspaina, ary nanana fotoana mety nahitany ny ao ambadiky ny toe-javatra mitranga sy nahalalany zavatra maro izay niafina taminy raha tany Angletera izy. Betsaka ny zavatra nianarany izay nanampy azy tamin’ ny asany tatý aoriana. Hitany teo amin’ ireo solontena avy amin’ ny lapan’ ny papa ny tena toetra amam-panahy marina sy ny zava-kendren’ ireo ambaratonga samihafa. Niverina tany Angletera i Wiclef ka namerina ny fampianarany tany am-boalohany tamin’ ny fomba miharihary kokoa sy tamin-kafanam-po bebe kokoa, ary nanambara fa ny fitsiriritana sy ny avonavona ary ny fitaka no andriamanitr’ i Roma. HM 84.3
Izao no nolazainy tao amin’ ny anankiray amin’ ny trakta navoakany momba ny papa sy ireo mpanangom-bolany : «Sintoniny avy amin’ ny tanintsika ny fiveloman’ ny olona mahantra, sy ireo vola «mark» an’ arivony amin’ ny volan’ ny mpanjaka, isan-taona isan-taona, handoavana ny sakramenta sy ireo zavatra momba ny ara-panahy, izay fomba diso voaozona toy ny nataon’ i Simona; ary ny kristiana rehetra no asainy mankasitraka sy mampaharitra io fomba diso io. Ary azo antoka fa na dia manana havoana makadiry be volamena aza ny fanjakantsika ary tsy hisy olon-kafa mihitsy hikasika izany afa-tsy io mpanamgom-bolan’ ny pretra miavonavona sy tia an’ izao tontolo izao io, dia tsy maintsy ho lany tanteraka io havoana io rehefa ela ny ela ; satria alainy foana ny vola hivoaka ny tanintsika, nefa tsy misy na inona na inona atakalony izany afa-tsy ny fanozonan’ Andriamanitra noho ny fomban’ i Simona ataony» . HM 85.1
Fotoana fohy taorian’ ny niverenany tany Angletera, dia notendren’ ny mpanjaka ho rektora tao Lutterworth izy. Azo antoka tamin izany fa tara-faharatsiny dia tsy mahasorena ny mpanjaka tsy akory ny teny mazava nataony ‘ Ny hery miasa mangina avy amin’ i Wiclef dia tsapa teo amin’ ny fandaminana izay nataon’ ny fanjakana, sy teo amin’ ny famolavolana ny finoana teo amin’ ny firenena. HM 85.2
Vetivety dia niriotra namely azy ny vara-datsaka avy amin’ ny papa. Telo ny taratasy nalefan’ ny papa tany Angletera, ho an’ ny Oniversite, ho an ny mpanjaka, ary ho an’ ny mpitondra fivavahana ambony, samy nibaiko ny hanaovana fepetra mihatra avy hatrany sady henjana hampangina ilay mpampianatra finoana tsy eken’ ny bcsinimaro.5Jereo Faminpiny Talohan’ ny nahatongavan’ ireo taratasy anefa, dia nentin-kafanam-po ny eveka ka efa niantso an’ i Wiclef hiseho fitsarana teo anatrehany. Misy roa tamin’ ireo andrian-dahy ambony fahefana indrindra tao amin’ ny fanjakana no niaraka taminy tao amin’ ny fitsarana ; nohodidin’ ny vahoaka koa ny trano fitsarana ka nibosesehany, natahotra ny mpitsara ka nahato aloha ny fitsarana, ary navela hody tamim-piadanana i Wiclef. Tatý aoriana kely dia nodimandry i Edouard III, izay niezahan’ ireo mpitondra fivavahana ambony noresena lahatra tamin’ ny fahalehibeazany hanohitra ilay Mpanavao fivavahana, ary ilay niaro an’ i Wiclef teo aloha no nanjary solom-panjaka. HM 85.3
Rehefa tonga anefa ny taratasin’ ny papa dia baiko tsy azo ivalozana no napetrany tamin’ i Angletera manontolo, mba hisambotra sy hanao am-ponja ilay heretika. Nanondro mivantana ny antontan-kitay fandoroana velona izany. Hita mazava fa vetivety dia tsy maintsy ho hazan’ i Roma mpanao valifaty i Wiclef. Fa Ilay niteny taloha hoe : «Aza matahotra . . . Izaho no ampinganao,» 5Gen.15:1 dia naninjitra ny tanany indray hiaro ny mpanompony. Tonga ny fahafatesana, tsy tamin’ ilay Mpanavao fivavahana, fa tamin’ ilay papa izay namoaka didy hamonoana azy. Maty i Grégoire XI, ary niparitaka ireo mpitondra fivavahana efa nivory ho amin’ ny fitsarana an’ i Wiclef. Mbola nitondra sy nifehy ny fandehan-javatra Andriamanitra mba hisian’ ny fotoana mety handrosoan’ ny Fanavaozam-pivavahana. HM 86.1
Rehefa maty i Grégoire dia papa roa no nifaninana hofidina. Hery roa nifanohitra, izay samy nilaza ho tsy mety diso izao no samy nitaky fankatoavana. Ny tsirairay tamin’ izy ireo dia samy niantso ny mpino hanampy azy hiady amin’ ny ankilany, ka nanamafy ny fangatahany tamin’ ny ozona mahatsiravina hamely izay fahavalony, sy fampanantenana valisoa any an-danitra ho an’ izay manohana azy. Nampihena betsaka ny fahefana papaly izany toejavatra izany. Nanao izay rehetra azony natao hifamelezana ireo antoko roa mpifaninana ka nisy fotoana nipetrapetrahan’ i Wiclef. Nifamezivezy avy amin’ ny papa iray ho amin’ ny anankiray ny ozona sy ny fanesoana ary nandriaka ny ra hanohanana ny fitakiany nifanohitra. Nanafotra ny fiangonana ny heioka bevava sy maha- voafady. Nandritra izany fotoana izany kosa ilay Mpanavao fivavahana tao amin’ ny toerana mangingina nisy ny fiangonany tany Lutterworth, dia niasa mafy hampitodika ny olona hiala amin’ ireo papa niady ireo ka hitodika amin’ i Jesosy, Ilay Andrianan’ ny Fiadanana. HM 86.2
Io fisaraham-bazana io, miaraka amin’ ny ady sy ny fahalotoana rehetra vokatr’ izany, dia nanomana ny lalan’ ny Fanavaozana arapivavahana, satria nahatonga ny olona hahita izay tena endriky ny fahefana papaly izany. Tao amin’ ny trakta iray izay naeliny, «Momba ny fisaraham-bazan’ ny papa», dia notarihin’ i Wiclef ny sain’ ny olona handinika ny hoe : iza amin’ ireo pretra ireo no tsy miteny ny fahamarinana amin’ ny fifampiampangana ataony hilazany ny andaniny avy ho antikristy : «Tsy neken’ Andriamanitra intsony, hoy izy, ny hanjakan’ ny demonia ao amin’ ny pretra tokana toy izao, fa . . . nampisarahany ho roa ireo, mba ahazoan’ ny olona mandresy azy roa mora kokoa, amin’ ny anaran’ i Kristy» 6R.Vaughan,NY fiainana sy ny hevitr’ I Jean Wielef,Boky 2,p.6. HM 87.1
Nitory ny filazantsara tamin’ ny mahantra tahaka ny nataon’ ny Tompony i Wiclef. Tsy nahafa-po azy ny nanaparitaka ny fahazavana ho amin’ ireo tokantrano tsotsotra tao amin’ ny faritra nisy ny fiangonany tany Lutterworth, ka nanapa-kevitra izy fa hoentiny amin’ ny Angletera manontolo izany. Mba hanatanterahana an’ izany dia nanangana fikambanan’ ny mpitoriteny nisy olon-tsotra sy mpivavaka marina izy, izay tia ny fahamarinana ary tsy nanampaniriana afa-tsy ny hanitatra izany. Nandeha hatraiza hatraiza ireo olona ireo, nampianatra teny an-tsena, teny an-dalambe, tao amin’ ny tanàn-dehibe sy teny amin’ ny lalankely teny ambanivohitra. Nitsidika ny antitra, ny marary sy ny mahantra izy ireo ka namelabelatra taminy ny vaovao mahafalin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra. HM 87.2
Amin’ ny maha-mpampianatra teolojia azy tany Oxford, dia nitory ny tenin’ Andriamanitra tao amin’ ny efitrano malalaky ny Oniversite i Wiclef. Tamin’ ny fomba mahatoky indrindra no nanehoany ny fahamarinana tamin’ ireo mpianatra niadidiany ka nomena azy ny anaram-boninahitra hoe «Mpampianatra ambony momba ny filazantsara». Nefa ny asa lehibe indrindra teo amin’ ny fiainany dia ny nandikany ny Soratra Masina ho amin’ ny teny anglisy. Nolazainy tao amin’ ny boky navoakany hoe : «Ny fahamarinana sy ny hevitry ny Soratra Masina», ny fikasany handika ny Baiboly mba ahazoan’ ny olona tsirairay any Angletera mamaky tamin’ ny tenin-drazany avy ireo asa mahagaga nataon’ Andriamanitra. HM 87.3
Tapaka tampoka anefa ny asany. Na dia tsy mbola teo amin’ ny fahenimpolo taonany aza izy, dia nitambesatra tamin’ ny heriny ka nahatonga azy ho vetivety dia antitra, ny asa mafy tsy mijanona nataony, ny fianarana sy ny fanafihan’ ny fahavalony. Voan’ ny aretina mafy izy. Nahadibo-kafaliana ny pretra izany vaovao izany. Ankehitriny, hoy ny fihevitr’ izy ireo, dia hanenina mafy ny ratsy nataony tamin’ ny fiangonana izy, ka niolomay izy ireo nankao amin’ ny efitranony hihaino ny fiaiken-kelony. Nisy solontenan’ ireo fikambanana ara-pivavahana efatra, niaraka tamin’ ny manamboninahitra efatra, nitangorona nanodidina ilay olona noheverina fa miala aina : «Efa eo am-bavahaona ianao, hoy izy ireo ; aoka hanenina ny fahadisoana vitanao ianao ary tsoahy eto anatrehanay rehetra izay ratsy nolazainao momba anay». Nihaino tamimpanginana ilay Mpanavao fivavahana ; dia nobaikoiny ny mpiandry azy hampitsangana azy avy eo am-pandriana; nobanjininy tsara ireo olona ireo izay niandry ny fiaikeny ho diso, dia hoy izy, tamin’ ilay feo matotra sy mafy izay nampangovitra azy ireo matetika : «Tsy ho faty aho fa ho velona ; ary mbola hanambara ny asa ratsin’ ny pretra» 7Merle d’Augbigne,our.cite,liv.xvII.ch.7 Gaga sady sina ireo pretra, ka nivoaka haingana ny efitrano. HM 88.1
Tanteraka ny tenin’ i Wiclef. Velona izy mba hametraka eo am-pelatanan’ ireo mpiray tanindrazana aininy ny mahery indrindra amin’ ny fiadiana hoenti-manohitra an’ i Roma, dia ny hanome azy ireo ny Baiboly, ilay fiasana nokendren’ ny Lanitra hanafahana, hanazavana ny vahoaka sy hitoriana ny filazantsara aminy. Betsaka sy goavana ny zava-misakana nosetraina mba hahavitana io asa io. Nitambesatra tamin’ i Wiclef ny fahosana ; fantany fa taona vitsy sisa no azony hiasana; hitany ny fanoherana tsy maintsy hatrehiny, nefa nampaherezin’ ireo teny fikasan’ Andriamanitra izy, ka nandroso hatrany tsy kivy, na inona na inona nihatra. Tao amin’ ny fahafenoan’ ný heriny ara-tsaina, nanan-karena tamin’ ny fanandramana maro ary notehirizin’ Andriamanitra sy nomanin’ ny fitondrany manokana ho amin’ izany izy, ary afaka namita ilay asa lehibe, dia ny goavana indrindra amin’ ny asany tamin’ ny fiainany. Raha nisavoritaka ny kristiana rehetra. ilay Mpanavao fivavahana kosa, tao Lutterworth izay naha-rcktora azy, dia tsy niraika tamin’ ny tafio-drivotra nifofofofo, fa nilofo kosa tamin’ ny asa niandraiketany. HM 88.2
Farany dia vita ny asa, dia ny Baiboly voalohany indrindra voadika tamin’ ny teny anglisy. Nisokatra ho an’ i Angletera ny tenin’ Andriamanitra. Tsy natahotra ny tranomaizina na ny antontan-kitay fandorana velona intsony izao ilay Mpanavao fivavahana. Efa napetrany teo am-pelatanan’ ny vahoaka Anglisy ny fahazavana izay tsy ho faty intsony na oviana na oviana. Ny fanomezany ny Baiboly ho an’ ny mpiray tanindrazana taminy no nahavitany asa be lavitra, mba hanapahana ny fatoran’ ny tsy fahaialana sy ny haratsiana, mba hanafahana sy hanandratana ny tanindrazana mihoatra noho izay vita tamin’ ny fandresena niezinezina indrindra teny amin’ ny sahan’ ady. HM 88.3
Satria tsy mbola hita ny fanontam-printy, dia fomba miadana sy manasatra ihany no nahazoana nampitombo ny isan’ ny Baiboly. Liana indrindra anefa ny olona ta-hanana io boky io, ka maro no nanolo-tena hanora-tanana izany ; nefa dia mbola sarotra tamin’ ireo mpanoratra ny nanome fahafaham-po ny olona. Ireo nanan-karena indrindra dia naniry hanana ny Baiboly manontolo. Nisy nividy ampahany fotsiny. Mazàna nitambatra ny fianakaviana maro mba hividy anankiray. Toy izany no nahatafidiran’ ny Baibolin’ i Wiclef vetivety foana tao amin’ ny tokantranon’ ny vahoaka. HM 89.1
Ny antso natao tamin’ ny olona mba handanjalanja dia nanainga azy tsy hilefitra tsy am-pandinihana tamin’ ireo fampianaran’ ny papa. Izao i Wiclef dia nampianatra ireo foto-pinoana mampiavaka ny finoana Protestanta — dia ny famonjena amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Kristy, sy ny fanekena fa ny Baiboly irery ihany no tsy mety diso. Ireo mpitoriteny nalefany dia nampiely ny Baiboly niaraka tamin’ ny asa soratr’ ilay Mpanavao fivavahana, ary nahomby indrindra ireo ka saiky ny antsasaky ny vahoakan’ i Angletera no nanaiky ny finoana vaovao. HM 89.2
Nahaketraka ireo manam-pahefana tao amin’ ny fiangonana ny fisehoan’ ny Soratra Masina. Fiasana mahery noho i Wiclef izao no tsy maintsy hatrehiny, fiasana izay tsy ahazoan’ ny fiadiany manao firy. Tamin’ izany fotoana izany dia tsy nisy lalàna tany Angletera nanakana ny fisian’ ny Baiboly, satria tsy mbola naely tamin’ ny fitenin’ ny vahoaka mihitsy izany. Tatý aoriana dia novolavolaina sy natao henjana tokoa izany. Teo am-piandrasana, na dia teo aza ny ezaka nataon’ ireo pretra, dia nisy fotoana nahazoana nampiely ny tenin’ Andriamanitra. HM 89.3
Nioko indray ireo filoha papaly hampangina ny feon’ ilay Mpanavao fivavahana. Fitsarana telo no nifandimby niantso azy, nefa tsy nisy vokany izany. Voalohany aloha nisy synoda nivorian’ ny eveka izay nilaza fa «heretika» ny zavatra nosoratany, nahazo ny fon’ ilay mpanjaka tanora Richard II hiandany tamin’ izy ireo izany, ary nandray lalàna avy amin’ ny mpanjaka nanao am-ponja izay rehetra manaiky ireo foto-pinoana voaheloky ny fitsaran’ ny papa ireo. HM 89.4
Avy eo amin’ ny synoda dia nampiakarina nankany amin’ ny antenimieram-pirenena i Wiclef; tsy nampahatahotra azy ny nanakiana ireo ambaratongam-pahefana teo anatrehan’ ny fivoriana fandinihan-draharaham-pirenena, ka nangatahiny ny fanavaozana eo amin’ ireo fanaovana an-kery mihoapampana neken’ ny fiangonana. Nampiaiky sy nanan-kery tokoa ny fomba nitantarany ny fitsabatsabahana sy ny haratsian-toetra hita ao amin’ ny faritanimpiangonana entin’ ny fahefana papaly. Menatra ireo fahavalony. Noterena hilefitra ireo sakaizan’ i Wiclef sy ireo mpanohana azy ary efa nantenaina sy azo antoka fa na dia ilay Mpanavao fivavahana koa aza, izay efa zokiolona, irery sady tsy nana-namana, dia hilefitra eo anatrehan’ ny fahefan’ ny mpanjaka sy ny papa mikambana. Nefa tsy izany no hitan’ ireo mpiandany amin’ ny papa fa izy tenany indray no resy. Nifoha ny antenimieram-pirenena voahetsiketsiky ny antso manaitra nataon’ i Wiclef, ka nofoanany ilay lalàna manenjika ary nahazo fahafahana indray ilay Mpanavao fivavahana. HM 90.1
Notsaraina fanintelony izy, ary tamin’ ity dia teo anatrehan’ ny fitsarana ara-pivavahana ambony indrindra tao amin’ ny fanjakana. Tsy hisy indra-fo sy fankasitrahana «herezia» mihitsy ao. Handresy i Roma ao, ary ho voasakana ny asan’ ilay Mpanavao fivavahana. Toy izany no fihevitr’ ireo mpiandany tamin’ ny papa. Raha tanteraka fotsiny ny fikasany, dia ho voatery handà ampahimemaso ny fampianarany i Wiclef, ary tsy hivoaka ny fitsarana izy raha tsy ho eny amin’ ny lelafo. HM 90.2
Tsy niaiky ho diso anefa i Wiclef. Tsy niafinafina izy. Nohazoniny tsy amin-tahotra ny fampianarany, ary notsipahiny ny fiampangana nataon’ ireo mpanenjika azy. Tsy nojereny ny tenany, ny toerana nisy azy, ny toe-javatra nisy, fa nantsoiny ho eo anatrehan’ ny fitsaran’ Andriamanitra ireo mpihaino azy, ary napetrany teo amin’ ny lela-mizanan’ ny fahamarinana ireo fampianaran-diso sy ireo fitaka nataony. Tsapa tao amin’ ilay efitra fandinihan-draharaha ny herin’ ny Fanahy Masina. Nisy hery mahagaga avy amin’ Andriamanitra niasa tamin’ ireo mpihaino ka toa tsy afaka niala tamin’ ny toerany izy ireo. Tahaka ny zana-tsipika avy amin’ ny tranon-janatsipikan’ ny Tompo izay nanindrona ny fony ny tenin’ ilay Mpanavao fivavahana. Ny fiampangana momba ny «herezia» izay nentina namelezana azy, no naveriny tamin’ izy ireo tamin’ ny hery mampiaiky fatratra. Nahoana, hoy ny fanontaniany, no sahy manaparitaka ny hevi-disony izy ireo ? Nahoana no manao ny fahasoavan’ Andriamanitra ho entam-barotra izy noho ny fitiavany vola ? HM 90.3
«Araka ny fihevitrareo, hoy izy tamin’ ny farany, iza no iadianareo ? lahiantitra efa eo ambaravaram-pasana ve ? Tsia ! fa ny Fahamarinana, ny Fahamarinana izay mahery noho ianareo, ka haharesy anareo !» 9Wylie,boky 2 toko 13 Rehefa niteny izany izy, dia lasa nivoaka, ary tsy nisy na dia olona iray aza tamin’ ireo fahavalony sahy nanakana azy. HM 91.1
Efa ho vita ny asan’ i Wiclef; mila ho latsaka ilay fanevan’ ny fahamarinana ; nefa mbola nijoro ho vavolombelon’ ny filazantsara indray mandeha indray izy. Eny amin’ ny toerana ifaharan’ ny fanjakan’ ny hevi-diso mihitsy no hotorina ny fahamarinana. Nantsoina tany Roma i Wiclef hotsaraina teo amin’ ny fitsarana papaly, dia ilay fitsarana efa nandatsaka matetika loatra ny ran’ ny olona masina. Tsy niafina taminy ny loza nananontanona azy, ary. ho nanaiky ny fiantsoana azy izy raha tsy tratry ny paralysisa tampoka ka tsy afaka nanao ny dia. Na dia tsy afaka namoaka feo tany Roma aza izy, dia afaka nanoratra kosa, ary izany no nataony. Avy ao amin’ ny trano fiasany naha rektora azy no nanoratra taratasy ho an’ ny papa ilay Mpanavao fivavahana, taratasy feno fanajana sy toe-tsaina kristiana, nefa niriadriatra namely ny rendrarendra sy ny fireharehana teo amin’ ny foiben-toerana nisy ny papa. HM 91.2
«Faly tokoa aho, hoy izy, mampibaribary sy manambara amin’ ny olona rehetra ny finoana izay tazoniko, ary indrindra manao izany amin’ ny evekan’ i Roma izay heveriko fa hendry sy marina, ka ho vonona indrindra hanamafy izany finoako izany, na hanitsy azy raha diso. HM 91.3
»Voalohany, heveriko fa ny filazantsaran’ i Kristy no mirakitra ny lalàn’ Andriamanitra manontolo . . . Ekeko sy tanako marina tokoa fa ny evekan’ i Roma, amin’ ny maha-solontenan’ i Kristy azy eto an-tany, no voafatotra mafy indrindra amin’ ny lalàna sy ny filazantsara mihoatra noho ny olona hafa rehetra. Satria ny tahalehibeazana eo amin’ ireo mpianatr’ i Kristy dia tsy voninahitra sy haja araka an’ izao tontolo izao, fa eo amin’ ny fanarahana akaiky an’ i Kristy araka izay tena nataony teo amin’ ny fiainany sy teo amin’ ny fombany . . . Kristy izay olona nahantra indrindra fony Izy nivahiny teto, dia nanivaiva sy nan’ifakifaka ny fahefana sy ny voninahitra rehetra araka izao tontolo izao. . . HM 91.4
»Tsy misy kristiana mahatoky tokony hanaraka, na ny papa na ny olona masina, raha tsy araka izay nanarahany an’ i Jesosy Kristy Tompo ihany. Petera sy ireo zanak’ i Zebedio, izay naniry ny voninahitr’ izao tontolo izao mifanohitra amin’ ny fanarahana ny dian’ i Kristy, dia nanafintohina Azy, noho izany dia tsy tokony harahina amin’ izay naha-diso azy ireo. . . HM 92.1
»Tokony havelan’ ny papa amin’ ny fanjakana ny fahefana sy ny fanapahana ara-nofo rehetra, ary manaraka izany dia tokony hanetsika sy hamporisika marina ny mpitondra fiangonana rehetra ao aminy izy ; toy izany mantsy no nataon’ i Kristy, ary tamin’ ny alalan’ ny apostoliny indrindra. Noho izany, raha diso tamin’ ny iray amin’ ireo zavatra ireo aho, dia hilefitra amim-panetren-tena tanteraka ary hofaizina na dia hatramin’ ny fahafatesana aza, raha ilaina izany. HM 92.2
»Raha afaka niasa araka ny sitrapoko sy ny fanirian’ ny tenako manokana aho, dia azo antoka fa ho niseho tokoa teo anatrehan’ ny evekan’ i Roma ; nefa ny mifanohitra amin’ izany no namangian’ ny Tompo ahy, ary nampianariny ahy fa Andriamanitra no tokony ho ekena mihoatra noho ny olona». HM 92.3
Ho famaranana dia hoy izy : «Aoka isika hangataka an’ Andria-manitra mba hamoha ny papantsika Urbain VI, ka araka izay efa natombony, dia hanaraka an’ i Jesosy Kristy Tompo eo amin’ ny fiainany sy ny fombany izy sy ireo mpitondra fiangonana ao aminy. Aoka isika hangataka ny hampianarany ny vahoaka marina tokoa, mba hahazoany koa manaraka azy ireo amin’ izany lalana izany ihany » 8FOXE, Acts and Monuments(edit by Rev.J.Pratt,boky 3 pp. 49, 50).. HM 92.4
Toy izany no nanehoan’ i Wiclef tamin’ ny papa sy ireo Kardinaly ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tenan’ i Kristy, ka tsy tamin’ ireo ihany fa tamin’ ny kristiana rehetra no naharihariny ny fahasamihafana nisy tamin’ izy ireo sy tamin’ Ilay Mpampianatra izay nolazainy fa naha-solontena azy. HM 92.5
Nampoizin’ i Wiclef tokoa fa ny ainy no ho takalom-bidin’ ny fahatokiany. Niray hina ny mpanjaka sy ny papa ary ny eveka mba hahatanteraka ny famonoana azy, ary toa azo antoka fa volana vitsy sisa dia hoentina eny amin’ ny atontan-kitay hodorana velona izy. Tsy azo nohozongozonina anefa ny herim-pony : «Nahoana ianareo no milaza fa any an-tany lavitra no itadiavana ny satroboninahitry ny maritiora ? Torio amin’ ireo mpitondra fivavahana ambony mirehareha ny filazantsaran’ i Kristy, dia tsy ho diso anjara amin’ ny maritiora ianao. Nahoana no velona aho ka hangina ? . . . Sanatria ! Aoka ho avy izay famelezana, miandry aho» 11MERLE D’AUBIGNE.boky.17.toko vII. HM 92.6
Mbola niaro ny mpanompony anefa Andriamanitra teo amin’ ny fitondrany. Ilay olona izay nijoro an-kasahiana nandritra ny fiainany manontolo hiaro ny fahamarinana, notandindomin-doza tamin’ ny androm-piainany rehetra, io olona io dia. tsy ho voarain’ ireo fahavalony nankahala azy. Tsy nitady na oviana na oviana izay hiarovany tena i Wiclef fa Jehovah no mpiaro azy; ary ankehitriny, rehefa azon’ ireo fahavalony antoka fa ho azony an-tanana izy, dia nanala azy Andriamanitra tsy ho tratrany. Nianjera izy tao am-piangonany tany Lutterworth, raha nandeha hampandray, fihetsehan’ ny paralysisa izay nahafaty azy fotoana fohy taorian’ izay, no namarana ny fiainany. HM 93.1
Efa notendren’ Andriamanitra ny asa ataon’ i Wiclef. Efa napetrany tao am-bavany ny tenin’ ny fahamarinana, ary nasiana mpiambina nanodidina azy mba ho tonga any amin’ ny vahoaka io teny io. Voaaro ny ainy, ary nitohy ny asany mandra-pijoron’ ny fototra ho amin’ ny asa lehibe Fanavaozana ara-pivavahana. HM 93.2
Nivoaka avy any amin’ ny alin’ ny Andro Antenantenany i Wiclef. Tsy nisy teo alohany izay nanao asa nahazoany nandrafitra izay ho fanavaozana nataony. Natsangana tahaka an’ i Jaona Mpanao Batisa izy hanatanteraka asa manokana, ho mpialoha lalana ny andro vaovao. Na dia izany aza, ny rafitry ny fahamarinana izay najorony dia sady tokana no feno ; ary tsy nisy Mpanavao fivavahana nanarakaraka azy afaka nihoatra azy ; nisy sasany tsy nahatratra izany na dia zato taona tatý aoriana aza; mafy sy tsara indrindra ny rafi-trano ka tsy nilaina ny namerenanan’ ireo izay nandimby azy ny fanorenana an’ izany. HM 93.3
Ilay fihetsiketsehana lehibe izay natombok’ i Wiclef hanafaka ny feon ny fieritreretana sy ny saina, sy hamotsotra ireo firenena voafatotra ela nanaraka ny kalesim-pandresen’ i Roma, dia nitsiry avy tao amin ny Baiboly. Tao ny lohan’ ilay reniranom-pitahiana izay nikoriana toy ny ranon’ aina teto un-tany hatramin’ ny taonjato fahefatra ambinifolo. Neken’ i Wiclef tamin’ ny finoana tsy nisy fisalasalana fa fanambarana ny sitrapon’ Andriamanitra avy amin’ ity tsindrimandry ny Soratra Masina. toro-marika ampy ho amin’ ny finoana sy ny fiainana. Nobeazina mba hihevitra ny Fiangonan’ i Roma ho fahefana avy amin’ Andriamanitra tsy mety diso izy, sy hanaiky ireo fampianarana sy ireo fombany naorina efa an’ arivo taonany tamin’ ny fanajana tsy misy ady hevitra; nefa nialany avokoa ireo rehetra ireo mba hihainoany ny teny masin’ Andriamanitra. Io fahefana io no namporisihany ny vahoaka hoekeny. Tsy ny feon’ ny fiangonana niteny tamin’ ny alalan’ ny papa no nolazainy fa hany fahefana marina, fa ny feon’ Andriamanitra miteny amin’ ny alalan’ ny teniny. Tsy nampianariny fotsiny fa ny Baiboly dia fanambarana tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra, fa ny Fanahy Masina no hany mpanazava izany, ary tokony hahalala izay adidiny ny olona tsirairay amin’ ny fandinihana ny fampianarany. Toy izany no nanodinany ny sain’ ny olona hiala amin’ ny papa sy ny Fiangonan’ i Roma ka hitodika amin’ ny tenin’ Andriamanitra. HM 93.4
Anisan’ ny ngezalahy indrindra tamin’ ireo mpanavao fivavahana i Wiclef Vitsy ireo mpandimby azy no nitovy taminy tamin’ ny fitaran’ ny fahalalany, ny fahazavan-tsainy, ny fijoroany hitana ny fahamarinana, sy ny fahasahiany hiaro izany. Ny fahadiovam-piainana, ny zotom-po tsy mety sasatra teo amin’ ny fianarana sy ny asa, ny toetra marina tsy azo nahodinkodina, ary ny fitiavana sy ny fahatokiana teo amin’ ny asa toy ny an’ i Kristy, ireo no nampiavaka ilay Mpanavao fivavahana voalohany. Ary izany na dia teo aza ny aizina ara-tsaina sy ny fahalotoana ara-pitondrantena nisy teo amin’ ny taonjato niainany. HM 94.1
Ny toetra amam-panahin’ i Wiclef dia vavolombelon’ ny herin’ ny Soratra Masina manabe sy manova. Ny Baiboly no nahatonga azy araka izay maha-izy azy. Ny fiezahany hamikitra ireo fahamarinana lehibe tao amin’ ny fanambarana dia nanome hery vaovao sy tanjaka ny fahaizany rehetra. Nanitatra ny sainy izany, nampaharanitra azy, ary nahamatotra ny fahaizany mandanjalanja. Ny fianarana ny Baiboly dia hanandratra ny eritreritra rehetra, ny faniriana rehetra sy ny fihetseham-po rehetra mihoatra noho ny fianarana hafa atao. Mampitoetra tsara ny fikasana izany, manome faharetana. herim-po sy Fihafiana; manamboatra ny toetra izany ary manamasina ny fanahy. Ny fianarana ny Soratra Masina amimpahazotoana sy amim-panajana dia hitondra ny sain’ ny mpianatra hifandray mivantana amin’ ilay saina tsy voafetra, ka hanome olona, ho an’ izao tontolo izao, manana sairia mihamatanjaka sy miasa bebe kokoa hatrany, sy foto-kevitra ambony kokoa hatrany, mihoatra izay tsy mbola hita ho vokatry ny fitaizana havanana indrindra natolotry ny hevi-tsain’ ny olombelona : «Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao, hoy ny mpanao salamo, ka manome fahaialana» 12Sal.119:130. HM 94.2
Ireo foto-pinoana nampianarin’ i Wiclef dia mbola niparitaka ihany fotoana fohy; ireo mpanaraka azy izay fantatra tamin’ ny anarana hoe : «Wicléfites» sy «Lollards», dia tsy nitety an’ i Angletera fotsiny, fa niparitaka tany amin’ ny tany hafa, nitondra ny fahaialana ny filazantsara. Lasa ny mpitarika azy ankehitriny. Niasa tamin-kafanam-po mihoatra noho ny teo aloha ny mpitoriteny áry vahoaka marobe no nihaino ny fampianarany. Nisy andriana teo amin’ ireo niova fo ary anisan’ izany ny vadin’ ny mpanjaka. Tamin’ ny toerana maro dia nisy fanavaozana niharihary teo amin’ ny fomban’ ny olona, ka nesorina tsy ho ao amin’ ny fiangonana ireo tandindon’ ny fanompoan-tsampin’ ny fivavahana romana. HM 95.1
Vetivety anefa dia nifofofofo tamin’ ireo izay sahy nanaiky ny Baiboly ho mpitari-dalana azy ny rivo-doza tsy misy indrafon’ ny fanenjehana. Ireo mpanjaka tany Angletera izay maika ny hanamafy ny fahefany tamin’ ny fahazoana antoka ny fanohanan’ i Roma, dia tsy nisalasala nanao sorona ireo Mpanavao fivavahana voalohany tao amin’ ny tantaran’ i Angletera, ka dia nivoaka ny lalàna hampandoro velona ireo mpianatry ny filazantsara. Nifanesisesy ny maritiora. Tany an-tsofin’ ny Tompon’ ny maro ihany no nahazoan’ ireo mpiaro ny fahamarinana noroahina sy nampijaliana nampakatra ny fitarainany. Nohazaina sahala amin’ ny fahavalon’ ny fiangonana sy mpamadika ny fanjakana izy ireo, nefa dia nitory tany amin’ ny toerana mangina, nahita fialofana araka izay azony natao teny amin’ ny tokantrano tsotran’ ny mahantra, ary matetika dia niafina na dia tany anaty zohy sy lavaka aza. HM 95.2
Na dia teo aza ny tifofofofon’ ny fanenjehana dia nisy olona nanohitra ny fahalotoan’ ny finoana sy ny fivavahana nanjaka tamin’ izay tamin’ ny fomba mangina nefa mafana, feno zotom-po sy faharctana izay nitohy niteny nandritra ny taonjato maro. Ny kristiana tamin’ ireo andro voalohany ireo dia tsy nanana afa-tsy fahaialana tapatapany ny fahamarinana, nefa nianatra ny ho tia sy hankatò ny tenin’ Andriamanitra, ka nijaly tamim-paharetana ho an’ izany. Tahaka ireo mpianatra tamin’ ny andron’ ny apostoly, dia betsaka no nanao sorona ny fananany teo amin’ izao tontolo izao ho an’ i Kristy. Ireo izay navela hipetraka tao an-tokantranony dia nandray tamim-pifaliana ireo rahalahiny noroahina, ary rehefa nalefa koa izy dia nekény tamim-pifaliana ny anjaran’ ny olona lavin’ ny tany ama-monina. Marina fa an’ arivony ireo izay torakovitra noho ny haromotan’ ny mpanenjika azy, ka nividy ny fahafahany tamin’ ny fanaovana sorona ny finoany, ary nivoaka ny fonja nisy azy, nanao ny akanjon’ ny mpiaiky heioka, mba hanambara ampahibemaso ny fandavany. Nefa tsy vitsy koa — ary anisan’ izany dia nisy olona ambony firazanana sy olona tsotra sy ambany — ireo izay tsy natahotra ny ho vavolombelon’ ny fahamarinana tao amin’ ny efitra terin’ ny tranomaizina, tao amin’ ny tilikambon’ i Lollards, sy teo anivon’ ny fampijaliana sy ny lelafo, no niravoravo fa natao ho mendrika ny hahalala «ny fiombonana amin’ ny fijalian’ ny Tompony». HM 95.3
Tsy nahatanteraka ny sitrapony tamin’ i Wiclef fahavelony ireo mpiandany amin’ ny papa, ary tsy nety afa-po ny fankahalany raha mbola nandry tamim-piadanana tao am-pasana ny taolambalony. Araka ny didy navoakan’ ny fiheveran-draharaha tany Constance, efapolo taona maliery tatý aorian’ ny nahafatesany, dia nofongarina ny taolany ka nodorana ampahibemaso, ary ny lavenona dia natsipy tao amin’ ny renirano kely teo akaiky teo. «Io renirano kely io, hoy ny mpanoratra taloha iray, dia nitondra ireo lavenona ireo tao amin’ ny Avon, ny Avon nitondra azy tao amin’ ny Severn, ny Severn tao amin’ ny ranomasina kely, ary avy eo tao amin’ ny ranomasina midadasika. Toy izany no nahatonga ny lavenon’ ny tenan’ i Wiclef ho tandindon’ ny fampianarany izay niparitaka eran’ izao tontolo izao ankehitriny»13Fuller,Tantaran’ny fiangonana tany Angletera, Boky 4, fizarana 2, andininy 54. Tsy tsapan’ ireo fahavalony firy ny dikan’ ny asa ratsy nataony. HM 96.1
Tamin’ ny alalan’ ireo asa soratr’ i Wiclef no nahatonga an’ i John Huss niala tamin’ ny fahadisoana maro tao amin’ ny fivavahan’ i Roma ka niditra tao amin’ ny asa Fanavaozana ara-pivavahana tany Bohémia. Toy izany no namafazana ny voan’ ny Fahamarinana tao amin’ ireo tany roa ireo, izay nifanalavitra indrindra. Avy ao Bohémia dia nitatra ho amin’ ny tany hafa ny asa. Voatarika ho amin’ ny tenin’ Andriamanitra hadino elabe ny sain’ ny olona. Nisy tanan’ Andriamanitra nanomana ny lalana ho amin’ ny Fanavaozana ara-pivavahana lehibe. HM 96.2