Tamin’ ny taonjato fahasivy dia efa tafajoro tany Bohemia ny filazantsara. Voadika tamin’ ny fiteny Bohemiana ny Baiboly ary natao tamin’ ny fiteny mahazatra ny olona ny fanompoampivavahana. Nefa arakaraka ny nitomboan’ ny fahefan’ ny papa no nampahamaizina ny tenin’ Andriamanitra. Grégoire faha VII, ilay nandray andraikitra tamin’ ny fampietrena ny avonavon’ ny mpanjaka, dia narisika, tsy latsaka noho izany koa, hanandevo ny vahoaka, ary araka ny taratasy nalefany dia norarany ny fanompoampivavahana ampahibemaso atao amin’ ny teny Bohemiana. Nambaran’ ny papa fa «sitraky ny Tsitoha ny fivavahana atao Aminy amin’ ny teny tsy be mahafantatra, fa betsaka ny ratsy sy ny hevi-diso nipoitra noho ny tsy fankatoavana io fitsipika io»1 Wylie, boky 3.toko 1. Navoakan’ i Roma ho didy ny hamonoana ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny hitazonana ny vahoaka ao amin’ ny haizina. Nefa efa nanome fiasana hafa ny Lanitra mba hiarovana ny fiangonana. Betsaka ireo Vaudois sy ireo Albigeois izay voaroakan’ ny fanenjehana ka nandositra ny tokantranony avy any Frantsa sy tany Italia, no nankany Bohemia. Na dia tsy sahy nampianatra an-karihary aza izy dia niasa mafy sy tamin-kafanam-po kosa tamin’ ny fomba miafina. Toy izany no nahavoatahiry ny finoana marina nandritra ny taonjato maro nifandimby. HM 97.1
Talohan’ ny andron’ i Hus dia nisy olona tany Bohemia izay nitsangana nanameloka ampahibemaso ny fahalotoana nisy tao amin’ ny fiangonana sy ny faharatsiam-pitondrantena teo amin’ ny vahoaka. Nanaitra sy nanintona ny sain’ ny olona hatraiza hatraiza ny asany. Nisarangotra ireo ambaratongam-pahefana, ary nanapoaka fanenjehana an’ ireo mpanaraka ny filazantsara. Voatery nanao fanompoam-pivavahana tany anaty ala sy tany an-tendrombohitra izy ireo, ka nohazain’ ny miaramila ary betsaka no novonoina. Rehefa afaka kelikely dia nivoaka ny lalàna nilaza fa izay rehetra miala amin’ ny finoana Romana dia hodorana. Nefa raha namoy ny ainy toy izany ireo kristiana ireo, dia nibanjina kosa ny fandresen’ ny asany izy. Ny anankiray izay «nampianatra fa ny finoana ny Mpamonjy voahombo ihany no hany hahitana famonjena», dia nanambara raha teo am-pialana aina hoe : «Mandresy anay ankehitriny ny haromotan’ ireo fahavalon’ ny fahamarinana, nefa tsy handresy anay mandrakizay izy; hisy anankiray hitsangana avy eo amin’ ny sarambabem-bahoaka, tsy hanana sabatra na fahefana, nefa tsy hisy afaka handresy azy»1. Mbola lavitra ny andron’ i Lotera ; nefa nisy anankiray sahady nitsangana, izay nampihetsika ny firenena ny vavolombelona nataony hanohitra an’ i Roma. HM 97.2
Ambany firazanana i John Hus, ary kamboty mbola kely noho ny nahafatesan’ ny rainy izy. Mpivavaka reniny, ary nihevitra fa ny fanabeazana sy ny fahatahorana an’ Andriamanitra no sarobidy indrindra amin’ ny fananana, koa nokatsahiny izay hahazoana antoka izany fananana izany ho an-janany. Nianatra tany amin’ ny sekolim-paritany i Hus, ary avy teo dia nankany amin’ ny Oniversite taný Prague, ka voaray maimaim-poana tao noho ny mahampianatra nahantra azy. Ny reniny no niaraka taminy tamin’ ny diany ho any Prague, sady mpitondratena izy no mahantra ka tsy nanana fanomezana araka ny haren’ izao tontolo izao hatolotra an-janany, nefa kosa raha nanakaiky ilay tanàn-dehibe izy ireo, dia nandohalika teo anilan’ ity tovolahy kamboty izy ka niantso ny fitahian’ ny Ray any an-danitra ho azy. Tsy nampoizin’ ity reny ity firy hoe hatraiza ny ho valin’ izany fivavahana izany. HM 98.1
Vetivety dia niavaka tao amin’ ny Oniversite i Hus noho ny fiezahany tsy nety sasatra sy ny fandrosoana faingana nataony, ny fiainany tsy nisy pentina ary ny fihetsiny malemy paika sady nahasarika ka nahatonga ny rehetra hankasitraka azy. Tamin’ ny fony tokoa no nifikirany tamin’ ny Fiangonana Romana ; nazoto nikatsaka ireo fitahiana ara-panahy izay lazainy fa azony omena izy. Indray andro jobily dia lasa nikonfesy izy, narotsany ny vola sisa farany avy tao amin’ ny tahiry keliny, dia lasa nanaraka ny filaharana masina izy, mba handray anjara amin’ ny famotsorankeloka nampanantenaina. Rehefa vita ny fianarany, dia niditra ho pretra izy, ary vetivety dia tonga teo amin’ ny toeram-boninahitra, ka nanjary niasa tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka. Mpampianatra izy ary tatý aoriana dia rektoran’ ny Oniversite iz.ay nanabe azy. Taona vitsy fotsiny dia nanjary reharehan’ ny fireneny ilay mpianatra mahantra feno fanetren-tcna, ary fanta-daza eran’ i Eoropa ny anarany. HM 98.2
Tao amin’ ny saha hafa anefa no nanombohan’ i Hus ny asa fanavaozana ara-pivavahana. Taona maro taorian’ ny nanombohany ho pretra dia notendrena ho mpitoriteny tao amin’ ny fiangonana antsoina hoe Betlehema izy. Efa nolazain’ ilay nanorina an’ io fiangonana io ny maha-zava-dehibe sy ny mahamety ny fitoriana ny Soratra Masina amin’ ny fiteny mahazatra ny olona. Na dia teo aza ny fanoheran’ i Roma an’ io fomba io, dia mbola tsy foana tanteraka tany Bohemia akory izany. Fa betsaka ny tsy fahalalana ny Soratra Masina, ary nanjaka teo amin’ ny sarangan’ olona rehetra ny toetra ratsy indrindra. Tsy notsitsin’ i Hus ny fanamelohana ireny ratsy ireny ary ny tenin’ Andriamanitra no nampiasainy hanamafisana ireo foto-kevitry ny fahamarinana sy ny fahadiovana izay nampidiriny. HM 99.1
Nisy tera-tany iray tao Prague, atao hoe Jéròme izay nanjary mpiara-miasa akaiky tamin’ i Hus tatý aoriana, nitondra ny asa soratr’ i Wiclef rehefa niverina avy tany Angletera. Ny mpanjakavavin’ i Angletera, izay efa voaova fo ka nanaraka ny fampianaran’ i Wiclef, dia andriam-bavy bohemiana, ary noho izy io koa dia niely fatratra tao amin’ ny tanindrazany ny asan’ ilay Mpanavao fivavahana. Liana tokoa i Hus raha namaky ireo boky ireo; nino izy fa kristiana madio fo ny mpanoratra izany ary nirona hankasitraka ny fanavaozana lazainy fa mety izy. Na dia tsy fantany aza izany dia efa niditra sahady teo amin’ ny lalana hitarika azy hanalavitra an’ i Roma i Hus. HM 99.2
Tokony ho tamin’ io fotoana io dia nisy vahiny roa lahy avy any Angletera tonga tao Prague, olona nahita fianarana, izay efa nandray ny fahamarinana, ka tonga hanaparitaka izany tany amin’ io tany lavitra io. Nanomboka namely mivantana ny fahefana faratampony ananan’ ny papa ry zareo ka vetivety dia nampanginin’ ny manam-pahefana; nefa satria tsy tiany ny handao ny fikasany, dia fomba hafa indray no nampiasainy. Sady mpiangaly zava-kanto izy ireo no mpitoriteny, ka ny talentany no nampiasainy aloha. Teo amin’ ny toerana iray falehan’ ny besinimaro no nanaovany sary voahosodoko roa. Ny iray mampiseho ny nidiran’ i Kristy tany Jerosalema, «malemy fanahy sady mitaingina boriky», narahin’ ireo mpianatra manao akanjo ‘efa vasoky ny dia, ary tsy nikiraro. Ny sary anankiray dia mampiseho filaharana masina iray ahitana ny papa mianjaika amin’ ny akanjo sarobidy sy ny satroboninahitra telo sosona, mitaingina soavaly mirentirenty fatratra, ialohavan’ ny trompetra sy arahin’ ny kardinaly sy ireo filoha ambony miakanjo mamirapiratra. HM 99.3
Toriteny izay nitana ny sain’ ny antokon’ olona rehetra izany. Tonga ny vahoaka marobe hijery ny sary. Tsy nisy izay tsy nisintona lesona avy amin’ izany, ary maro no nandatsaka tao am-pony ny fahasamihafana hita teo amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanetrentenan’ i Kristy Ilay Tompo, sy ny avonavona ary ny fireharehan’ ny papa izay nilaza ny tenany ho mpanompony. Nisy fihetsiketsehana be tao Prague, ary afaka fotoana fohy dia hitan’ ireo vahiny fa mety ny handehanany mba hitandrovana ny ainy. Tsy hadino anefa ny lesona nampianariny. Latsaka lalina tao án-tsain’ i Hus ireo sary ireo ka nitarika azy handinika akaiky kokoa ny Baiboly sy ireo bokin’ i Wiclef. Na dia tsy voaomana, eny, na dia tsy nanaiky avokoa ny fanavaozana rehetra nolazain’ i Wiclef fa mety aza izy, dia hitany mazava kokoa ny tena toetry ny fahefana papaly, ary tamin-kerim-po bebe kokoa no nanamelohany ny avonavona, ny hambom-po sy ny faharatsian’ ireo ambaratongam-pahefana. HM 100.1
Avy ao Bohemia dia nitatra nankany Alemaina ny fahazavana, satria nisy korontana tao amin’ ny Oniversiten’ i Prague ka anjatony ireo mpianatra alemà no niala. Betsaka no efa nandray tamin’ i Hus ny fahaialana voalohany ny Baiboly, ary rehefa niverina tany aminy izy dia nampiely ny filazantsara tany an-tanindrazany. HM 100.2
Nisy nitondra tany Roma ny vaovao momba ny asa tany Prague, ary vetivety dia nahazo baiko hiseho teo anatrehan’ ny papa i Hus. Ny fankatoavana izany dia firosoana ho amin’ ny fahafatesana tsy azo ialàna. Ny mpanjaka sy ny mpanjakavavin’ i Bohemia, ny Oniversite, ireo andriandahy, sy ireo manam-pahefana tao amin’ ny fanjakana dia samy niray hina hangataka ny papa mba hamela an’ i Hus hijanona any Prague ary hamaly an’ i Roma amin’ ny alalan’ ny solovava. Tsy nanaiky io fangatahana io ny papa fa nitsara sy nanameloka an’ i Hus, ary dia nolazainy fa tanàna voaozona i Prague. HM 100.3
Tamin’ izany fotoana izany, raha vantany vao mivoaka ny didimpitsarana toy izany, dia miteraka fahatairana hatraiza hatraiza. Ireo fombam-pivavahana natao ilazana izany dia nety nampihorohoro indrjndra ny olona izay nihevitra ny papa ho solontenan’ Andria-manitra mihitsy, izay mitana ny fanalahidin’ ny lanitra sy ny helo, ary manana fahefana hiantso famaizana ara-nofo sy ara-panahy. Ninoana fa nihidy ho an’ ny toerana voakapoky ny ozona ny vavahadin’ ny lanitra ; ary mandra-piandry ny sitrapon’ ny papa hanala ny fandrarany, dia voasakana tsy hiditra ao amin’ ny toeram-pahasambarana ny maty. Ho fanamarihana io antambo mahatsiravina io, dia nahato ny fanompoam-pivavahana rehetra. Nakatona ny fiangonana. Nohamasinina tao an-tokotanim-piangonana ny fanambadiana. Ny maty kosa tsy azo nalevina teo amin’ ny toerana natokana ho an’ izany, fa natao tany anaty hady na tany an-tsaha, tsy nombam-panompoam-pivavahana. Toy izany no niezahan’ i Roma hifehy ny feon’ ny fieritreretan’ ny olona tamin’ ny alalan’ ny fepetra izay manaitra ny saina. HM 101.1
Feno tabataba ny tanànan’ i Prague. Betsaka ny olona no niampanga an’ i Hus ho anton’ ireo antambo rehetra mianjady aminy ka nangataka ny hanolorana azy ho amin’ ny valifatin’ i Roma. Mba hampitonena ny tafiotra, dia nihataka kely tany amin’ ny tanàna nahaterahany i Hus. Hoy izy nanoratra tamin’ ireo namany navelany tany Prague : «Raha niala tsy ho eo afovoanareo aho, dia mba hanarahako ny foto-kevitra sy ny fampianaran’ i Jesosy Kristy, fandrao hahatonga fanamelohana mandrakizay ho an’ ny ratsy fanahy aho, ary mba tsy ho antom-pahoriana sy fanenjehana he an’ ny mpivavaka aho. Nihataka koa aho noho ny fanahiako sao hitohy ela kokoa ny fandraran’ ireo pretra tsy mivavaka ireo ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra aminareo; tsy nandao anareo aho anefa ka hamadika ny fahamarinan’ Andriamanitra, izay mahavonona ahy ho faty, noho ny fanampian’ Andriamanitra» 2Bonnecluse, Ireo Mpanavao fivavahana ta lo h an ’ ny Fihets iketsehana fanavaozana ara-pivavahana, boky 1 p. 87..Tsy nampijanona ny asany i Hus, fa nitety ireo toerana manodidina, nitory tamin’ ny vahoaka nafana fo tokoa tamin’ ny fihainoana azy. Dia toy izany, ireo fepetra izay noraisin’ ny papa mba hanafoanana ny fampielezana ny filazantsara no vao mainka koa nampitombo izany bebe kokoa. «Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa»32 Kor.13:8 HM 101.2
«Toa nisy fisavoritahana nampahory tao an-tsain’ i Hus tamin’ izany dingana teo amin’ ny asany izany. Na dia niezaka handresy azy tamin’ ny varatra niriotra aza ny eglizy, dia tsy nandà ny fahefany izy tsy akory. Mbola vadin’ i Kristy ihany no fiheverany ny fiangonana Romana ary ny papa ihany koa no solontenan’ Andriamanitra. Izay niadian’ i Hus dia tsy izany foto-kevitra izany tsy akory, fa ny fampiasana ny fahefana tafahoatra loatra. Niteraka ady mafy tao aminy ny zavatra izay naharesy lahatra ny sainy nefa tsy neken’ ny feon’ ny fieritreretany. Raha marina sy tsy mety diso io fahefana io, araka izay ninoany azy, nahoana ary izy no mahatsapafa tsy tokony hankatò azy? Tsapany fa fahotana ny fankatoavana azy, kanefa nahoana, ny fankatoavana fiangonana iray tsy mety diso, no mitarika azy ho amin’ ny lalana tsy misy ivoahana toy izao ; izany no fisalasalana nampahory azy isan’ ora. Ny fanombatombanana nanakaiky ny ala-olana indrindra azony natao dia ny fiheverana fa niverina indray ankehitriny, izay efa niseho tamin’ ny andron’ ny Mpamonjy, dia ny nahatonga ireo mpisorona tao amin’ ny fiangonana ho olona ratsy fanahy ka nampiasainy ny fahefana ara-dalàna teo ampelatanany ho amin’ ny fikasana tsy ara-dalàna. Izany dia nahatonga azy hanaraka izao fitsipi-piainana izao ary hitaona ny hafa koa hanaraka izany : «ny foto-kevitra tsara tokony ho filamatry ny fiainana sy ny didy voasoratra ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra no tokony hifehy ny feon’ ny fieritreretana; raha lazaina amin’ ny tcny hafa, dia Andriamanitra miteny ao amin’ ny Baiboly fa tsy ny fiangonana miteny amin’ ny alalan’ ny pretra, no mpitarika tsy mety diso»4Wylie,boky faha 3,took 2. HM 102.1
Nitony, nony afaka fotoana fohy, ny hotakotaka tao Prague, ary niverina tao amin’ ny fiangonany tany Betlehema i Hus, mba hanohy ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra tamin-jotom-po sy taminkerim-po fatratra tokoa. Niasa mafy sady natanjaka ny fahavalony, nefa niandany sy naneho fifankatiavana taminy ny mpanjakavavy sy ny andriana ary ny vahoaka sasany. Rehefa nampitahain’ ny maro ny fampianarany madio sy manandratra ary ny fiainany feno fahamasinana tamin’ ny foto-kevitra mahamenatra izay notorin’ ny Romana sy tamin’ ny fahihirana sy ny toetra maloto niainan’ izy ireo, dia noraisin’ ny maro ho voninahitra ny niandany tamin’ i Hus. HM 102.2
Hatramin’ izay i Hus dia nijoro irery teo amin’ ny fanefana ny asany; ankehitriny, kosa dia niara-niasa taminy teo amin’ ny fanavaozana i Jérôme izay efa nanaiky ny fampianaran’ i Wiclef raha mbola tany Angletera. Niray hina izy mirahalahy tatý aoriana ary niray toy izany koa tao amin’ ny fahafatesana. Namirapiratra aok’ izany teo amin’ ny fahalalinan-tsaina, teo amin’ ny fahaizana miteny sy teo amin’ ny fahaialana i Jé me, — nanana ny talenta rehetra ilaina afaka nanintona ny fitiavan’ ny vahoaka azy izy ary nananany be dia be tokoa izany ; nefa raha ireo toetra izay tena tanjaky ny toetra amam-panahy, dia i Hus no lehibe kokoa. Ny fahatoniany rehefa mandini-javatra dia nifehy ny toetra taitaitra nananan’ i Jérôme izay feno fanetren-tena marina ka nahatsapa ny fahatsaran’ i Hus ary nanaiky ny toroheviny. Nandroso faingana kokoa ny fanavaozana ara-pivavahana noho ny asa feno firaisankina nataon’ izy ireo. HM 103.1
Navelan’ Andriamanitra hamirapiratra teo amin’ ny sain’ ireo olona nofidiny ireo ny fahazavana lehibe ka betsaka ny fahadisoankevitr’ i Roma no nambarany taminy; nefa tsy naseho azy avokoa ny fahazavana rehetra izay tokony ho homena an’ izao tontolo izao. Tamin’ ny alalan’ ireo mpanompony ireo, dia nitarika ny vahoaka hiala tamin’ ny fahamaizinan’ ny fivavahana Romana Andriamanitra nefa sady maro no lehibe ny zava-misakana tsy maintsy natrehina, ka nalefa miandalana sy tsimoramora ny fitarihana azy ireo. Tsy voaomana handray ny fahazavana amin’ ny famirapiratany rehetra indray mitosaka izy fa mety ho jambena ny masony, ka hiverin’ ilalana izy, toy ny olona iray izay nitoetra ela tao amin’ ny haizina, ka nifindra ho eo amin’ ny famirapiratan’ ny masoandro raha mitataovovonana. Noho izany dia nasehony tsikelikely tamin’ ireo mpitarika izany, araka izay mety ho voarain’ ny vahoaka. Isaka ny taonjato dia misy mpiasa hafa mahatoky hatrany nomena andraikitra hitarika ny vahoaka handroso ho amin’ ny lalin-dalina kokoa amin’ ny lalan’ ny fanavaozana. HM 103.2
Mbola nitohy ihany ny fisaraham-bazana tao amin’ ny fiangonana. Papa telo izao no niezaka handray ny fahefana fara-tampony, ka nahenika ny tany rehetra ny heioka bevava sy ny korontana ary ny adilahy nataony. HM 103.3
Tsy afa-pon’ ny nifampitorabato ho voaozona izy ireo, fiadiana izay tena fampiasan’ ny Eglizy, fa nampiasa ny fiadiana ara-nofo koa. Samy nikaroka izay hividianany fitaovam-piadiana sy izay ahazoany miaramila tsirairay avy izy ireo. Mazava fa tsy maintsy nilaina ny vola, ary mba ahazoana izany, dia natao varotra ny fanomezana. ny asa fanompoana sy ny fahasoavana avy amin’ ny fiangonana.4 Nianatra ny fanaon’ ireo mpifehy azy ambony koa ny pretra ka nampiasa ny fomba nataon’ i Simona sy niady mba hampietry ny mpifaninana taminy sy hanamafisana ny fahefan’ ny tenany. Nitombo isan’ andro ny fahasahian’ i Hus nirefodrefotra nanameloka ny fahavetavetana izay noleferina tamin’ ny anaran’ ny fivavahana; koa dia nampangain’ ny vahoaka ampahibemaso ho anton’ ny fahoriana izay nanafotra ny fivavahana kristiana ireo filoha tao Roma. HM 103.4
Toa teo ankatoky ny ady feno ra mandriaka indray ny tanànan’ i Prague. Tahaka ny teo aloha, dia nampangaina ho «mampidi-doza amin’ ny Isiraely»,4 ny mpanompon’ Andriamanitra. Natao tanàna voarara indray i Prague, ary nisintona ho any amin’ ny tanuna nahaterahany i Hus. Nifarana ny fijoroany ho vavolombelona mahatoky tao amin’ ilay fiangonana malalany tao Betlehema. Hiteny eo amin’ ny sehatra malalaka kokoa izy, dia ho amin’ ny kristiana rehetra, alohan’ ny hanolorany ny ainy ho vavolombelon’ ny faha-marinana. HM 104.1
Mba hanafahana ny ratsy izay nahavery hevitra an’ i Eoropa, dia nisy fivoriam-be fiheveran-draharaha nangatahina hatao tany Constance. Nantsoina izany fivoriana izany noho ny fanirian’ ny amperora Sigismond, ary ny anankiray tamin’ ireo papa telo nifaninana, Joany XXIII no nanao izany. Lavitra tamin’ ny papa Joany ny ho faly tamin’ ny fangatahana io fivoriam-be fiheveran-draharaha io. Natahotra mafy ny amin’ ny toetra amam-panahiny sy ny fombany izay tsy azony antoka izy, na dia teo anatrehan’ ireo pretra ambony izay baranahiny teo amin’ ny fitondrantena tahaka ireo olompiangonana tamin’ izany fotoana izay aza. Tsy sahy nanohitra ny sitrapon’ i Sigismond anefa izy na dia izany aza.4Jereo Fanampiny HM 104.2
Ny anton-javatra roa lehibe hodinihin’ ny fivoriam-be dia ny hamarana fisaraham-bazana tao amin’ ny fiangonana sy ny hamongotra ny «herezia». Noho izany dia nantsoina ireo papa hafa roa nanohitra ny papa mba hiseho eo anatrehan’ ny fivoriam-be, toy izany koa ny filohan’ ny mpampiely hevi-baovao John Hus. Iretsy voalohany, rehefa nandinika ny amin’ ny fiarovana ny ainy, dia tsy tongu nanatrika mivantana, fa iraka no nisolo-tena azy. Ny papa Joany, na dia mazava aza fa izy no niantso ny fivoriana, dia nankany Constance tamin-tahotra be, nanahy mafy izy sao dia ny hanongana azy no fikasan’ ny amperora, ary natahotra sao ampamoahina ny amin’ ireo toetra ratsy izay nahavery hasina ny satroboninahitra telo miantoana, sy ny amin’ ireo heioka bevava nataony mba ahazoana izany. Na dia izany aza dia nataony nirentirenty fatratra ny fidirany tao Constance, natrehin’ ireo mpitondra fivavahana ambony filaharana indrindra sy narahin’ ny mpanotrona nanao rano lava. Ny pretra rehetra sy ireo olo-manan-kaja rehetra tao an-tanana, niaraka tamin’ ny vahoaka marobe, dia nivoaka ny tanàna niarahaba azy tonga soa aman-tsara. Nisy fialofana volamena teo ambonin’ ny lohany, nentin’ ny andriam-baventy efatra. Teo anoloany ny «hostia». Nanome endrika fatratra ny filaharana ny fampiderana mahagaga ny fitafiana sarobidy nanaovan’ ireo kardinaly sy ireo andriana. HM 104.3
Tamin’ izany fotoana izany dia nisy mpandeha iray koa nanatona an’ i Constance. Fantatr’ i Hus tsara ny loza izay nananontanona azy. Nisaraka tamin’ ireo namany izy toy ny tsy hihaona aminy intsony ary nanohy ny dia izay tsapany fa hitondra azy ho amin’ ny fandoroana velona. Na dia nahazo tsisakanana avy tamin’ ny mpanjakan’ i Bohemia aza izy sy nahazo iray koa avy tamin’ ny amperora Sigismond teny an-dalana, dia nalaminy ny zavatra rehetra ho fitsinjovana ny fahafatesany mety hitranga. HM 105.1
Hoy izy tamin’ ny taratasy nalefany ho an’ ireo sakaizany tany Prague : «Ry rahalahy . . . Lasa aho, mitondra tsisakanana avy amin’ ny mpanjaka handeha hihaona amin’ ireo fahavaloko marobe sady mitady ny aiko . . . Mitoky tanteraka amin’ Andriamanitra mahery indrindra aho, sy amin’ ny Mpamonjy ahy ; matoky aho fa hihaino ny vavaka mafana ataonareo Izy, ka hampidina ny fahamalinany sy ny faheridreny ao am-bavako mba ahazoako manohitra azy ireo, matoky aho fa homeny ny Fanahiny Masina mba hampahery ahy ao amin’ ny fahamarinany, mba ahazoako miatrika amin-kerim-po ny fakam-panahy, ny fonja, ary raha ilaina aza, dia ny fahafatesana mahatsiravina. Nijaly ho an’ ny malalany indrindra Jesosy Kristy ; ka ho gaga ary ve isika raha namelany ohatra mba ahazoantsika miaritra amim-paharetana koa ny zavatra rehetra ho an’ ny famonjena ny tenantsika ? Andriamanitra Izy, ary isika nohariany ; Tompo izy, ary isika dia mpanompony. Manjaka amin’ izao tontolo izao Izy ! Nahoana kosa ary isika no tsy hijaly koa. indrindra raha ho fanadiovana antsika ny fijaliana ? Noho izany, ry malala, raha mety ho voninahiny ny fahafatesako, dia mivavaha mba hiavian’ izany faingana, sy ny mba hanamboarany ahy ho afaka hizaka ny fahoriako rehetra amin’ ny fomba tsy miovaova. Nefa raha mahasoa kokoa ny hiverenako atý aminareo. dia aoka isika hivavaka amin’ Andriamanitra mba hiainga indray tsy hisy pentina avy ato amin’ ny fivoriana aho, izany hoe. tsy hanafoana na dia litera iray aza eo amin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara, mba hamela ohatra tsara indrindra harahin’ ny rahalahiko. Angamba noho izany dia tsy hahita ny tavako intsony any Prague ianareo ; nefa enga anie ka hoeken’ ny sitrapon’ Andriamanitra Tsitoha ny hamerina ahy ho eo aminareo, mba handrosoantsika amin’ ny fomba matotra kokoa sy amin’ ny fontsika tokoa ho amin’ ny fahaialana sy ny fitiavana ny Lalàny» 5 Bonnechose, boky 1, p. 147, 148. HM 105.2
Tao amin’ ny taratasy hafa nalefany ho an’ ny pretra iray nanjary mpianatry ny filazantsara, dia niteny tamim-panetren-tena lalina momba ny fahadisoana nataon’ ny tenany i Hus, ka niampanga tena ho «nahatsapa fahafinaretana tamin’ ny fitondrana fitafiana sarobidy sy nandanilany fotoana foana tamin’ ny zavatra maivana». Dia nampiany izao hafatra mampangorakoraka izao : «Aoka ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny famonjena ny fanahy no hameno ny sainao, fa tsy ny fahazoana tombony sy ny fananana. Tandremo ny mandravaka ny tranonao mihoatra noho ny fanahinao; ary ambonin’ ny zavatra rehetra, aoka hokarakarainao tsara ny tranompanahy. Aoka ho tia vavaka sy hanetry tena amin’ ny mahantra ianao, ary aoka tsy ho ritran’ ny fihinanam-be ny fanananao. Raha tsy manova ny fiainanao ianao ka tsy mifehy tena amin’ ny aingitraingitra, dia matahotra aho sao hofaizina mafy tahaka ahy koa ianao. . . Fantatrao hatramin’ ny fahazazanao ny fampianarako; noho izany dia tsy ilaina ny hanoratako mihoatra noho izany ho anao. Mifona aminao anefa aho, noho ny famindrampon’ ny Tompontsika, aza misy ianarana ireo zava-poana izay hitanao fa nahalavo ahy». HM 106.1
Teo amin’ ny fonon’ ny taratasy dia nampiany hoe : «Miangavy anao aho, ry sakaiza, aza vohainao ity tombo-kase ity raha tsy efa azonao antoka fa maty aho» 6Bonnechose, boky 1, p. 147, 148. HM 106.2
Nandritra ny diany, dia hitan’ i Hus porofo hatraiza hatraiza ny fielezan’ ny fampianarany sy ny fankasitrahana ny zavatra niczahany. Sesehena ny vahoaka nitsena azy ary tamin’ ny tanàna sasany dia ny mpanao fanjakana no nanotrona azy eran’ ny arabe. HM 107.1
Rehefa tonga tany Constance i Hus dia nomena tahafahana malalaka. Nanampy ny tsisakanana avy amin’ ny amperora dia nisy fanomezan-toky nomen’ ny tenan’ ny papa mihitsy momba ny fiarovana azy. Nefa tsy noraharahaina ireo fanambarana miezinezina ireo, ka vetivety foana dia nosamborina izy araka ny baikon’ ny papa sy ny kardinaly, ka natsipy tao anaty tranomaizina maharikoriko. Tatý aoriana dia nafindra tao amin’ ny trano fiarovana mafy teo amoron’ i Rhin izy ary notazonina ho gadra tao. Tsy nahita tombon-tsoa firy tamin’ ny fitaka nataony ny papa, fa tsy ela akory dia natao tao amin’ io tranomaizina io koa izy. 7 Bonnechose, boky 1, p. 147 Voaporofo teo anatrehan’ ny fivoriam-be fa meloka izy satria nanao heioka bevava manala baraka indrindra, ankoatry ny vonoan’ olona, dia «ny helok’ i Simona sy fijangajangana», ary ireo fahotana mahamenatra loatra ka tsy azo tononina. Izany no fanambaran’ ny fivoriam-be, ary nalainy taminy nony farany ny satroboninahitra telo miantoana ka natsipy tany am-ponja izy. Napetraka koa ireo papa nifaninana taminy, dia nifidy papa vaovao. HM 107.2
Na dia meloka tamin’ ny heioka bevava noho izay niampangan’ i Hus ny pretra aza ny papa, sy izay nangatahany fanavaozana, dia io firoviam-be io ihany, izay nanapa-kevitra ny hampietry ny papa, no nanapotika koa ilay Mpanavao fivavahana. Nahatonga fahatezeram-be tany Bohemia ny fanagadrana an’ i Hus. Nisy olomanam-pahefana sy manan-kaja nandefa fanoherana mafana tany amin’ io fivoriam-be noho izao fanevatevana izao. Ny amperora izay lotika mafy noho ny namelana ny handikana ny tsisakanana dia nanohitra ny fitondrana natao taminy. Ratsy fanahy sady tapa-kevitra anefa ireo fahavalon’ ilay Mpanavao fivavahana. Noraisiny ho vavolombelona ny hevitra nibahana tao an-tsain’ ny amperora Sigismond, ny tahony, ny faharisihany amin’ ny fiangonana. «Fonjan-kevitra lavareny no nasosony lianamarinana fa tsy tokony hatokisana ny «heretika» na ny olona ahiahiana ho toy izany, na dia nahazo tsisakanana tamin’ ny amperora sy ny mpanjaka aza»8 Jacques Lenfant, Tantaran’ ny Fivoriana fiheveran-draharaha tao Constance, boky 1, p. 516. Toy izany no nandreseny. HM 107.3
Rehefa reraky ny arctina, ny fihibohana, ny hamandoana sy ny rivotra maloto tao an-tranomaizina nisy azy, izay nahatonga tazo saika nanapitra ny ainy i Hus, dia nentina teo anatrehan’ ny fivoriambe izy nony farany. Novesarana rojo izy raha nijoro teo anatrehan’ ny amperora izay nanome toky fa hiaro azy araka ny teny nomeny sy ny fahatsoram-pony. Nandritra ny fitsarana azy izay naharitra ela, dia tsy azo nohozongozonina izy tamin’ ny fitazonany ny fahamarinana. Notoheriny tamin’ ný fomba miezinezina, sady nambarany ny marina sy ny toetra ratsy hita teo amin’ ny ambaratongampahefana teo anatrehan’ ireo olo-manan-kajan’ ny fiangonana sy ny fanjakana tafavory tao. Rehefa nasaina nifidy izy, na hiala tamin’ ny fampianarany, na hiaritra fahafatesana, dia nanaiky ny anjaran’ ny maritiora izy. HM 108.1
Nanohana azy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Nameno ny fana-hiny ny fiadanan’ ny lanitra nandritra ireo herinandro nijaliany talohan’ ny didim-pitsarana farany. «Ato an-tranomaizina no anoratako ity taratasy ity, hoy izy tamin’ ny sakaizany. Mifatotra ny tanako ary miandry ny didim-pitsarana manameloka ahy ho faty rahampitso aho . . . Rehefa hihaona indray isika. noho ny fanampian’ i Jesosy, ao amin’ ny fiadanana kanton’ ny fiainana mandrakizay ho avy, dia ho fantatrao ny famindrampo nasehon’ Andriamanitra tamiko, ny tena nanohanany ahy marina teo anivon’ ny fakampanahy sy ny fitsapana nihatra tamiko» 9Bonnechose, boky 2, p. 67. HM 108.2
Tao amin’ ny tranomaizina maloka nisy azy no nahitany mialoha ny fandresen’ ny finoana marina. Niverina tamin’ ny nofy tao amin’ ny fiangonan’ i Prague izy, izay toerana nitoriany ny filazantsara, ary nahita ny papa sy ireo evekany nikosoka ireo sarin’ i Kristy nataony hosodoko teny amin’ ny rindrina. «Nampahory ahy io fahitana io, hoy izy ; «nefa ny ampitson’ iny dia nahita mpanao hosodoko maro izy izay niasa namerina indray ireo sary ireo sady nataony betsaka no mazava kokoa ny lokony. Raha vao vita ny asany, dia niteny ireo mpanao hosodoko izay nohodidinin’ ny vahoaka be hoe : Avelao ho avy amin’ izay ireo papa sy eveka, tsy ho voakosony intsony ireo !» Hoy ilay Mpanavao fivavahana raha nitantara ny nofiny : «Tazoniko ho azo antoka, fa tsy ho voakosoka na oviana na oviana ny sarin’ i Kristy. Nirin’ izy ireo ny hanimba izany, nefa ho voahosodoko vaovao ao amin’ ny fo rehetra amin’ ny alalan’ ny mpitory teny tsara lavitra noho ny tenako izany» 10D’Aubigne, boky 1,toko 6. HM 108.3
Nentina farany teo anoloan’ ny fivoriam-be i Hus. Olona marobe sy mamiratra avokoa no tafavory tao ny amperora, ireo andriandahy ao amin’ ny fanjakana, ireo solombavan’ ny mpanjaka, ny kardinaly, ny eveka sy ny pretra, ary vahoaka marobe izay tonga nanatrika ilay zava-dehibe indrindra tamin’ io andro io. Tonga avy tany amin’ ny faritany kristiana rehetra ny olona mba ho vavolombelon’ ilay sorona lehibe voalohany teo amin’ ny ady maharitra natao mba ahazoana antoka ny fandresen’ ny fahafahana manaja ny feon’ ny fieritreretana. HM 109.1
Rehefa nasaina nilaza ny fanapahan-keviny farany i Hus, dia nambarany fa laviny ny hanatsoaka ny teny nataony, ary nampifantohany tamin’ ny mpanjaka ny fijeriny maranitra, dia ilay mpanjaka izay nanao tsinontsinona tamin’ ny fomba mahamenatra ny teny nomeny, ka hoy izy hoe : «Nanapa-kevitra aho, araka ny sitrapoko malalaka, ny hiseho eto anatrehan’ ity fivoriambe ity, eo ambanin’ ny fiarovana ampahibemaso sy ny teny nomen’ ny amperora manatrika etoana» 11Bonnechose,boky 8,p.84 ’ 86. Boramena i Sigismond raha nitodika nankany aminy ny fijerin’ ny olona rehetra tao amin’ ny fivoriana. HM 109.2
Rehefa avy notononina ny didim-pitsarana, dia nanomboka ny fomba fanalam-boninahitra. Nampiakanjoin’ ny eveka tamin’ ny akanjo maha-pretra azy ilay gadra, ary raha nandray akanjo i Hus dia hoy izy : «Akanjo fotsy no natafy an’ i Jesosy Kristy Tompo ho fanevatevana Azy, raha nentin’ i Heroda teo anatrehan’ i Pilato lzy» 11Bonnechose. boky 2. p. 84,86. Raha namporisihina hanatsoaka ny teniny indray izy, dia nitodika nankany amin’ ny vahoaka ka namaly hoe : «Endrika manao ahoana ary no hibanjinako ny lanitra ? Ataoko ahoana no fijery ireo vahoaka izay nitoriako ny filazantsara madio ? Tsia ; ny famonjena dia sarobidy amiko mihoatra noho ity tena mahantra ity, izay voatendry ho amin’ ny fahafatesana ankehitriny». Nalaina tsirairay ireo fitafiany, ary samy nanozona avokoa ny eveka rehefa nanao ny anjarany avy teo amin’ izany fomba izany. Tamin’ ny farany «dia nasiany karazan-tsatroka ny lohany, irony satroka matsilo loha fanaon’ ny eveka, saingy taratasy, ary nisy sarin’ ny demonia nampahatahotra teo aminy sy soratra hoe : «Heretika raindahiny». Amim-pifaliana lehibe indrindra, hoy Hus, no hitondrako ny satroboninahitry ny henatra ho Anao, Jesosy ò. izay nitondra stroboninahitra tsilo ho ahy». HM 109.3
Rehefa nampihaingoina toy izany izy, dia hoy ireo pretra ambony hoc : «Atolory ho an’ ny devoly amin’ izay ny fanahinao». Izaho kosa, hoy i John Hus, sady nanandratra ny masony ho eny amin’ ny lanitra izy, dia mametraka ny fanahiko ho eo am-pelatananao, ry Tompo Jesosy ò, satria efa nanavotra ahy Ianao» 12Wylie,boky 3,toko 7. HM 110.1
Natolotra ireo manam-pahefana ara-nofo amin’ izay izy ka nentina ho eny amin’ ny toerana famonoana. Vahoaka marobe no nilahatra nanaraka azy, olona nitam-piadiana an-jatony, pretra sy eveka nanao ny akanjony sarobidy, ary ireo mponina tao Constance. Rehefa voafatotra teo amin’ ny antontan-kitay izy, ka efa vonona ny zavatra rehetra handrehetana ny afo, dia namporisihina indray ilay maritiora mba hamonjy ny tenany ka hiala amin’ ny hevi-disony. «Hevi-diso inona, hoy i Hus, no hialako ? Fantatro fa tsy misy mahadiso ahy ireny na dia iray aza. Miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona aho, fa izay rehetra nosoratako sy notoriako dia nataoko mba hitsinjovana ny famonjena ny fanahy ho afaka amin’ ny fahotana, ka tsy ho very ; ary noho izany, dia fifaliana lehibe indrindra ho ahy ny manamafy amin’ ny rako ny fahamarinana izay efa nosoratako sy notoriako»12. Rehefa nirehitra nanodidina azy ny afo, dia nanomboka nihira izy hoe : «Jesosy Zanak’ i Davida, mamindra fo amiko», ary notohizany izany mandra-panginan’ ny feony mandrakizay. HM 110.2
Na dia ny fahavalony aza dia zendana tamin’ ny fihetsiny feno nerim-po. Nisy papista mafana fo iray, izay nitantara ny nahafatesan’ i Hus maritiora, sy ny nahafatesan’ i Jéróme, izay maty tatý aoriana kely ary nilaza hoe : «Samy nanana saina tony izy mirahalahy rehefa nanakaiky ny ora farany. Niomana ny hodorana toy ny olona ho any amin’ ny fanasana fampakaram-bady izy. Tsy namoaka feo mitory fitarainana izy. Rehefa niakatra ny lelafo, dia nanomboka nihira izy ; ary mahalana no nampihato ny hirany ny fidedadedan’ ny afo»12Wylie, boky 3, toko 7. HM 110.3
Rehefa levona tanteraka ny tenan’ i Hus, dia nangonina niaraka tamin’ ny tany nisy azy teo ny lavenona, ary natsipy tao amin’ ny renirano Rhin izay nitondra azy any amin’ ny ranomasimbe. Sasapoana ireo mpanenjika azy nihevitra fa voaongany ny fahamarinana notoriny. Tsy nosaintsaininy kely akory fa ny lavenona izay navalan’ ny andro nifandimby ho any amin’ ny ranomasina dia toy ny voa niparitaka eny amin’ ny faritry ny tany rehetra, ka hitondra vokatra betsaka ho vavolombelon’ ny fahamarinana any amin’ ny tany tsy mbola fantatra akory. Ilay feo izay niteny tao amin’ ny efitra lehibe nisy ny fivoriambe fandinihan-draharaha tany Constance, dia nampita ako izay ho re mandritra ny andro ho avy rehetra. Tsy teo intsony i Hus, fa ireo fahamarinana izay nahafaty azy dia tsy ho levona mandrakizay. Ny ohatry ny finoana sy ny fijoroana nasehony dia nampahery ny olona marobe hijoro tsy azo hozongozonina ho an’ ny fahamarinana eo anatrehan’ ny fampijaliana sy ny fahafatesana. Nampivandravandra teo anatrehan’ izao tontolo izao manontolo ny hafetsen-dratsy sy ny habibian’ i Roma ny namonoana azy. Tsy fantany fa vao mainka nampiroborobo ny fahamarinana izay tiany hopotehina ireo fahavalon’ ny fahamarinana. HM 110.4
Nefa dia nisy antontan-kitay indray natsangana tao Constance. Tsy maintsy ho vavolombelon’ ny fahamarinana ny ran’ ny maritiora iray hafa indray. Raha nanao veloma an’ i Hus hiainga ho any amin’ ny fivoriambe i Jérôme, dia nampahery azy izy hahery fo sy hijoro, ary nambarany aza fa raha misy loza manjo azy, dia hihazakazaka hanampy azy izy. Rehefa reny fa nogadraina ilay Mpanavao fivavahana, dia niomana avy hatrany hanatanteraka izay nampanantenainy ilay mpianatra mahatoky. Tsy nanana tsisakanana izy raha nandeha niaraka tamin’ ny namana iray ho any Constance. Rehefa tonga izy dia noresen-dahatra fa hitsena loza ho an’ ny tenany fotsiny, fa tsy afaka hanao na inona na inona hanafahana an’ i Hus. Nandositra niala ny tanàna izy, nefa voasambotra teny an-dalana raha handeha hody ka nentina niverina, nivesatra gadra sy nambenan’ ny antoko miaramila. Raha vao niseho teo anatrehan’ ny fivoriambe izy ka niezaka namaly ireo fiampangana azy, dia nosetrain’ ny antsoantso nanao hoe : «Ento any amin’ ny afo !» 13Bonnechose, boky 1, p. 234 Natao tao amin’ ny tranomaizina iray izy, nogadraina ka napetraka tamin’ ny fomba fampijaliana mafy indrindra, ary tsy nisy afa-tsy mofo sy rano ihany no sakafony. Rehefa afaka volana vitsivitsy dia nitarika aretina saika nahafaty azy ny fahabibiana teo amin’ ny fanagadrana azy, ka natahotra ireo fahavalony, sao tsy ho voatanany izy ; noho izany dia nohalefahany ny fitondrana azy, na dia mbola notazoniny herintaona tao am-ponja ihany aza. Tsy araka ny nanantenan’ ireo papista azy ny vokatry ny fahafatesan’ i Hus. Nampirongatra tafiotry ny hatezerana ny fanaovana tsinontsinona ny tsisakanana, ary mba hahatsara kokoa ny fandehan-javatra, dia nanapa-kevitra ny fivoriambe fa tsy hodorana i Jérôme, fa hoterena, raha azo atao, hiala amin’ ny heviny. Nentina teo anatrehan’ ny fivoriana izy, ka nasainy nifidy, na hiala amin’ ny heviny, na ho faty hodorana velona. Famindrampo ho azy ny fahafatesana raha ampitahaina amin’ ny fijaliana mahatsiravina izay nanjo azy, nefa ankehitriny, reraky ny aretina izy, sy reraky ny fitondrana azy mafy tao an-tranomaizina, ny fampijalina noho ny tahotra sy ny fiandrasana izay hiseho; tafasaraka tamin’ ny sakaizany, ary kivy noho ny fahafatesan’ i Hus, ka resy ny herimpon’ i Jérôme ary nanaiky ny hilefitra tamin’ ny fivoriambe izy. Nanome toky izy fa hiditra ao amin’ ny finoana katolika, ary nanaiky ny fihetsiky ny fivoriambe nanameloka ny fampianaran’ i Wiclef sy Hus, fa tsy hiala kosa «amin’ ny fahamarinana masina» izay nampianariny na dia izany aza»14Bonnechose,boky 2,p.141. HM 111.1
Izany fomba izany no nantenain’ i Jérôme fa hampangina ny feon’ ny fieritreretany sy hanafaka azy amin’ ny fahafatesana. Nefa rehefa irery tao amin’ ny tranomaizina izy, dia nazava taminy kokoa ny zavatra nataony. Nieritreritra ny herim-po sy ny fahatokian’ i Hus izy, ary nandanjalanja ny fandavany ny fahamarinana nifanohitra tamin’ izany. Nieritreritra ilay Tompo Andriamanitra izay nanokanany tena hotompoina izy, ary niaritra ny fahafatesana teo amin’ ny hazo fijaliana ho azy. Talohan’ ny fandavany dia nionona teo amin’ ny fahoriany rehetra izy, noho ny fananany toky ny fankasitrahan’ Andriamanitra; nefa izao kosa nampahory ny fanahiny ny nenina sy ny fisalasalana. Fantany fa mbola hisy fandavana tsy maintsy ataony vao ho vita fihavanana amin’ i Roma izy. Ny lalana izay nidirany dia tsy hiafara raha tsy eo amin’ ny fihemorana tanteraka. Tapaka ny heviny : tsy handà ny Tompony izy tsy akory mba hialana amin’ izay fotoana fohy hijaliany. HM 112.1
Fotoana fohy taorian’ izany dia nentina teo anatrehan’ ny fivoriambe indray izy. Tsy nahafa-po ireo mpitsara azy ny fileferany. Noranitin’ ny fahafatesan’ i Hus ny toetrany lian-dra, ka nitaky haza vaovao indray izy. Tsy afaka hiaro ny ainy amin’ ny fahafatesana i Jérôme raha tsy miala tsy misy fepetra amin’ ny fahamarinana. Efa nanapa-kevitra anefa izy fa hanambara ny finoany ka hanaraka ny rahalahiny maritiora hodorana velona. HM 112.2
Nialany ilay fandavany ny finoany tamin’ ny voalohany, ary sahala amin’ ny olona voaheloka ho faty rehetra, dia nangataka tamim-panajana ny ahazoany miaro-tena izy. Natahotra izay mety ho vokatr’ izany teniny izany ireo filohan’ ny pretra, ka nanizingizina fa tokony hohamafisina tsotra fotsiny na holaviny ny fahamarinan’ ny fiampangana natao taminy. Notoherin’ i Jérôme ny fahasiahana sy ny tsy rariny toy izany : «Efapolo sy telopolo andro aho no nahibokareo tao amin’ ny tranomaizina mahatsiravina, maloto, mamofona sy maimbo ary tsy misy izay ilaina, hoy izy ; izao aho entinareo eto anatrehanareo, ary manongilan-tsofina hihaino ireo fahavaloko mitady hahafaty ahy ianareo ka mandà tsy hihaino ahy ! Raha tena olon-kendry marina ianareo, sy fahazavan’ izao tontolo izao, dia mitandrema sao manota amin’ ny rariny. Fa raha ny amiko dia olona malemy mety maty ihany aho; tsy dia misy antony ny fiainako; ary rehefa mangataka anareo tsy hamoaka didim-pitsarana tsy rariny aho, dia tsy ho ahy no itenenako fa ho anareo»15Bonnechose, boky 2, p.146, 147. HM 112.3
Nekena ny fangatahany nony farany. Teo anatrehan’ ireo mpitsara i Jérôme no nandohalika ka nangataka ny Fanahin’ Andria-manitra mba hifehy ny fisainany sy ny teniny, mba tsy hitenenany na inona na inona izay mifanohitra amin’ ny fahamarinana, na tsy mendrika ny Tompony. Tamin’ io andro io dia tanteraka taminy ny teny fikasan’ Andriamanitra natao tamin’ ireo mpianatra voalohany : «ary ho entina eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko. ... Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’ izay fomba hitenenanareo na izay holazainareo. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo» 16Matio 10 : 18-20, HM 113.1
Nampitolagaga sy nahavariana na dia ny fahavalony aza ny tenin’ i Jérôme. Nohidiana nandritra ny taona iray manontolo tao an-tranomaizina izy, tsy afaka namaky teny ary tsy afaka nahita akory, niaritra fijaliana ara-nofo sady nianjadian’ ny tebitebintsaina fatratra. Nefa ireo fonjan-kevitra narosony dia nasehony tamin’ ny fomba mazava sy mahery vaika, toy ny afaka nandinika izany tsy voakotabataba izy. Notondroiny tamin’ ireo mpihaino azy ireo olona masina maro nifandimby izay nomelohin’ ny mpitsara tsy marina. Saika ny taranaka rehetra no nahitana olona izay niezaka hanazava Sy hanandratra ny mpiara-belona taminy ka nalam-baraka sy noroahina ; kanjo tatý aoriana dia hita indray fa olona mendri-boninahitra izy ireny. Ny tenan’ i Kristy mihitsy koa aza no nohelohin’ ny fitsarana tsy marina ho olon-dratsy. HM 113.2
Tamin’ izy nanatsoaka ny finoany, dia neken’ i Jéròme ho marina ny didim-pitsarana nahameloka an’ i Hus ho faty. Izao kosa dia nambarany ny fibebahany ary nijoro ho vavolombelon’ ny tsy fananan-tsinin’ ilay maritiora sy ny fahamasinany izy. «Fantatro hatramin’ ny fahazazany izy, hoy izy. . . Olona faran’ izay tsara sady marina no masina izy, ary sahinareo nohelohina na dia tsy nanan-tsiny aza. . . Izaho koa — mba vonona ho faty ; tsy hihemotra aho eo anoloan’ ny fampijaliana izay nomanin’ ny fahavaloko sy ireo vavolombelona mandainga ho ahy, izay mbola-hampamoahin’ Ilay Andriamanitra lehibe ny amin’ ireo lainga nataony»17Bonnechose, boky 2, p.151,153. HM 114.1
Nanome tsiny ny tenany tamin’ ny nandavany ny fahamarinana i Jérôme ka nanohy hoe : «Ny amin’ ny fahotana rehetra izay nataoko hatramin’ ny fahatanorako, dia tsy nisy nitambesatra teo amin’ ny saiko sy niteraka nenina mafy tamiko tahaka izay nataoko tamin’ ity toerana mampidi-doza ity, tamin’ izaho nankasitraka ny didim-pitsarana tsy rariny natao tamin’ i Wiclef, sy tamin’ ilay maritiora masina, John Hus, ilay mpampianatra sy sakaizako. Eny ! miaiky izany avy amin’ ny foko rehetra tokoa aho, ary mihoron-koditra aho manambara fa nitakemotra, afa-baraka aho raha natahotra ny fahafatesana, ka nanameloka ny fampianaran’ izy ireo. Noho izany dia mitalaho amin’ Andriamanitra Tsitoha aho mba hanekeny sy hamelany ny fahotako, ary amin’ ny fomba manokana, ilay maharikoriko indrindra amin’ izy rehetra». Nanondro ny mpitsara azy izy, sady matotra niteny hoe : «Nanameloka an’ i Wiclef sy John Hus ianao, tsy noho izy ireo nanozongozona ny fampianaran’ ny fiangonana, fa noho izy nanamarika sy nanome tsiny fotsiny ireo zava-mahamenatra avy amin’ ireo mpitondra fiangonana, dia ny rentirentiny, ny avonavony sy ireo toetra ratsy rehetra ataon’ ireo filohan’ ny pretra sy ny pretra izany. Ny zavatra izay nantintranteriny, ary izay tsy azo lavina rahateo, dia mba heveriko ho toy izany koa sady ambarako tahaka ny nanaovany azy. HM 114.2
Nipararetran’ ny hatezerana ireo pretra nanapaka ny teniny ka niantsoantso hoe : «Porofo hafa inona indray no ilaina ? Hitan’ ny masontsika ny «heretika» mafy loha indrindra !» HM 114.3
Tsy nampihontsona an’ i Jérôme izany tafiotra izany, ary hoy izy niteny mafy : «Fa ahoana ? Mihevitra ve ianareo fa matahotra ny ho faty aho ? Nandritra ny herintaona manontolo no nitazonanareo ahy tao amin’ ny tranomaizina mahatsiravina, mampihoronkoditra lavitra noho ny fahafatesana. Ny fomba nitondranareo ahy dia nisy habibiana mihoatra noho ny natao tamin’ ny Tiorka, na tamin’ ny Jiosy, na tamin’ ny jentilisa, ary tena niendaka lo arabakiteny tamin’ ny taolako velona ny nofoko; tsy nitaraina aho anefa, satria tsy mendrika ny olona manana fanahy sy toe-tsaina ambony ny filazana alahelo; tsy haiko anefa ny tsy hanambara ny hagagako amin’ ny toetra masiaka toy izao atao amin’ ny kristiana» 17Bonnechose, boky 2, p.151-153. HM 114.4
Vaky nifofofofo indray ny haromotana ka nentina nivoaka haingana ho any an-tranomaizina i Jérôme. Nisy olona anefa tao amin’ io fivoriana io izay nandatsaka tao am-po ny teny nataony ka naniry ny hamonjy ny ainy. Tonga namangy azy ireo manamboninahitra tao amin’ ny fiangonana ka namporisika azy hilefitra tamin’ ny fivoriambe. Ho avy mamirapiratra indrindra no naseho teo anatrehany ho setrin’ ny fialany amin’ ny fanoherana an’ i Roma. Nefa, toy ilay Tompony fony notolorana ny voninahitr’ izao tontolo izao, dia nijoro tsy azo nohozongozonina i Jérôme. HM 115.1
«Porofoy amiko avy amin’ ny Soratra Masina, hoy izy, fa diso aho, dia ho laviko izay nolazaiko». HM 115.2
«Ny Soratra Masina ! hoy ny anankiray tamin’ ny mpaka fanahy azy nihoraka. Hotsaraina amin’ izany daholo ve ny zavatra rehetra ? Iza no mety hahalala ny dikany raha tsy efa nohazavain’ ny eglizy ?» HM 115.3
«Tokony hinoana noho ny filazantsaran’ ny Mpamonjintsika ve ny lovan-tsofin’ ny olombelona ? hoy i Jérôme namaly. Tsy nampo-risika ireo izay nanoratany i Paoly hihaino lovan-tsofin’ olombelona, hoy izy, fa ny handinika ny Soratra Masina». HM 115.4
«Heretika» hoy ny valinteniny. Nanenina aho nifandahatra ela taminao. Hitako izao fa ny devoly no namporisika anao» 18Wylie, boky 3, toko 10. HM 115.5
Vetivety dia navoaka ny didim-pitsarana manameloka an’ i Jérôme ho faty. Teo amin’ ny toerana izay namoizan’ i Hus ny ainy ihany no nitondrana azy. Velon-kira izy teny an-dalana ary noha-zavain’ ny fifaliana sy ny fiadanana ny endriny. Nifantoka tamin’ i Kristy ny fijeriny. Ary tsy nampahatahotra azy intsony ny faha- fatesana. Rehefa nandeha tao aoriany handrehitra ny antontan-kitay ny mpamono, dia niantso ilay maritiora nanao hoe : «Mandrosoa tsy amin-tahotra aty aloha; eto anoloako arehitra ny afo. Raha natahotra aho dia tsy ho teto». HM 115.6
Tonom-bavaka ireo teny farany nataony. raha nisandratra nanodidina azy ny afo. «Tompo, Ray Tsitoha, hoy izy niteny mafy, mamindrà fo amiko, ary mamelà ny fahotako ; fantatrao fa tia ny fahamarinanao hatrany aho» 19Bonnechose, boky 2, p.168. Nangina ny feony, nefa mbola nihetsika ny molony nanohy ny vavaka. Rehefa vita ny asan’ ny afo, dia nangonina niaraka tamin’ ny tany nisy azy ny lavenon’ ilay maritiora, ka tahaka ny an’ i Hus, dia natsipy tao amin’ i Rhin. HM 116.1
Toy izany no nahafatesan’ ireo mpitondra fahazavana mahatokin’ Andriamanitra. Nefa ny fahazavan’ ny fahamarinana izay notoriany — ny fahazavan’ ny ohatra be herim-po nomeny dia tsy azo vonoina. Tahaka ny tsy ahazoan’ ny olona mampiverina ny masoandro amin’ ny lalany no tsy nahazoany manakana io andro vaovao io tsy hipoaka amin’ izao tontolo izao. HM 116.2
Nandrehitra afom-pahatezerana sy nampihorohoro tany Bohemia ny namonoana an’ i Hus. Tsapan’ ny firenena manontolo fa hazan’ ny hafetsen’ ny pretra sy ny famadihan’ ny amperora azy izy. Nolazaina fa mpampianatra mahatoky ny fahamarinanana izy, ary ny fivoriambe izay namoaka didy nampamono azy dia nomelohina ho nahafaty olona. Ankehitriny dia nahasarika olona nihoatra noho ny teo aloha ny fampianarany. Nomelohin’ ny taratasin’ ny papa hodorana ireo bokin’ i Wiclef. Ireo izay tsy simba anefa dia navoaka avy tamin’ ny toerana nanafenana azy ary nodinihina araka izay fifanarahany tamin’ ny Baiboly, na tamin’ ny ampahan’ ny Boky Masina, araka izay nety no nananan’ ny olona, ary betsaka no voatarika hanaiky ny finoana nohavaozina tamin’ izany fomba izany. HM 116.3
Tsy nijanona tamin’ izao ireo mpamono an’ i Hus raha nanatrimaso ny fandreseny. Niray hina ny papa sy ny amperora mba hanapotika ny fihetsiketsehany, ka nirohotra hamely an’ i Bohemia ireo tafik’ i Sigismond. HM 116.4
Nisy mpanafaka nitsangana anefa izay tonga mpitarika ny Bohemiana, dia Ziska, izay jamba tanteraka raha vao nanomboka kely foana ny ady, nefa anisan’ ireo jeneraly havanana indrindra tamin’ ireo nitovy taona taminy. Natoky ny fanampian’ Andriamanitra sy ny fahamarinan’ ny zavatra niezahany ny vahoaka ka nijoro nanohitra ny tafika mahery indrindra nentina hanoherana azy. Niverimberina ny amperora, nanangana tafika vaovao mba hanafihany an’ i Bohemia, nefa dia voatosika tamin’ ny fomba mahamenatra hatrany. Nitsangana ireo mpomba an’ i Hus tsy natahotra ny fahafatesana ka tsy nisy na inona na inona afaka nanohitra azy ireo. Taona vitsy taorian’ ny nanombohana ny ady, dia maty ilay Ziska mahery fo, ary i Procopius izay jeneraly be herim-po sy havanana tahaka azy koa no nisolo toerana azy, ary tamin’ ny lafiny sasany dia mpitarika mahay kokoa izy. HM 116.5
Rehefa fantatr’ ireo fahavalon’ ny Bohemiana fa maty ilay jeneraly jamba mahay miady, dia noheveriny fa nisy fotoana mety ahazoany indray izay rehetra veriny. Nambaran’ ny papa ankehitriny fa atomboka ny ady masina atao amin’ ireo mpomba an’ i Hus, koa dia nisy indray tafika goavana nalefa haingana tany Bohemia, nefa dia nandeha hianjadian’ ny faharesena mahatsiravina fotsiny ireny. Natsangana indray ny ady masina manaraka. Nangonina eran’ ny tany mpanohana an’ i papa tao Eoropa, na olona, na vola. na fitaovana, ho enti-miady. Vahoaka marobe no niandany ka nilahatra teo ambany fanevan’ i papa, natoky fa amin’ ny farany dia ho potika ireo heretika naman’ i Hus. Nino fa handresy ilay tafika goavana niditra tao Bohemia. Niray hina ny vahoaka hanosika azy ireo. Nifanatona ireo tafika roa ireo mandrapaha-renirano sisa no nampisaraka azy. «Betsaka lavitra sady nahery lavitra ireto mpanao ady masina, nefa tsy niroboka hiampita ny rano izy ka hifandona sy hiady amin’ ireo mpomba an’ i Hus izay nanaovany dia lavitra mba hihaonany aminy, fa gaga sy nangina izy nijoro nibanjina ireto mpiady 20 Wylie, boky 1, toko 17 Tsitapitapitr’ izay dia nisy tahotra tsy fantatra nanjo ny tafika. Tsy nisy fifamelezana, nefa dia vaky nandositra ilay tafika mahery ka nihahaka tahaka ny naparitaky ny hery tsy hita maso. Betsaka no matin’ ny tafik’ ireo mpomba an’ i Hus izay nanenjika ny mpandositra, ary nisy entana maro azo babo teo am-pelatanan’ ny mpandresy, ka tsy nampahantra ny Bohemiana io ady io fa nampanankarena azy. HM 117.1
Taona vitsy taorian’ izany, tamin’ ny andron’ ny papa vaovao, dia nijoro indray ny ady masina hafa. Tahaka ny teo aloha, dia nalaina ny miaramila sy nangonina ny vola avy tamin’ ireo tany eoropeana nomba ny papa. Betsaka ireo fampanantenana natao tamin’ ireo izay handray anjara amin’ io ady feno loza io. Nomena toky ny mpanao ady masina tsirairay fa hahazo famelan-keloka feno ny amin’ ny heioka bevava maharikoriko indrindra. Izay rehetra maty an’ ady dia nampanantenaina valisoa sarobidy any an-danitra, ary ireo izay tsy maty dia hahazo tombontsoa sy voninahitra ary harena. Nangonina indray ny tafika goavana, ary rehefa namaky ny sisin-tany izy ireo dia niditra tany Bohemia. Lavo teo anatrehany ny tafika mpomba an’ i Hus ka nandositra, ary noho izany dia nitarika ny mpanafika hiditra hatrany afovoan-tany, ka nahatonga azy ireo hihevitra ny fandresena ho efa azony sahady. Tamin’ ny farany dia nijanona ny tafika notarihin’ i Procopius, ary nihodina vonona ny handroso hiady amin’ ny fahavalony. Hitan’ ireo mpanao ady masina izao ny fahadisoany ; nijanona tao amin’ ny toerana nilasiany izy niandry ny fanafihana. Raha vao reny nanatona ny tafika, na dia tsy mbola taza-maso aza ireo mpomba an’ i Hus, dia tratran’ ny tahotra mampangitakitaka indray ireto mpanao ady masina. Nandositra hatraiza hatraiza ireo andriandahy, jeneraly, sy ireo miaramila tsotra sady nanary ny fiadiany. Niezaka fatratra ilay iraky ny papa, izay nitarika ny fanafihana, hanangona ny miaramilany tora-kovitra sady voakorontana nefa tsy nisy vokany. Na dia teo aza ny fiezahana farany indrindra nataony, dia ny tenany koa no voatarika hanaraka ny mpandositra. Feno tanteraka ny faharesena, ary tsy toko tsy forohana indray ny entana babo tavela teo am-pelatanan’ ny mpandresy. HM 117.2
Fanindroany izany izao no nandosiran’ ny tafika miezinezina nalefan’ ireo firenena matanjaka indrindra tany Eoropa, dia tafika nisy olona be herim-po, mahay miady, nozarina hiady sy nanana fitaovana ho amin’ izany, nandositra tsy nisy fifamelezana teo anatrehan’ ireo mpiaro ny firenena kely sady mbola malemy hatramin’ izao. Fanehoana ny herin’ Andriamanitra izany. Potika ireo mpanafika raha nahazo azy ny tahotra avy amin’ Andriamanitra. Ilay nanipy ireo tafik’ i Farao tao amin’ ny Ranomasina Mena, Ilay nampandositra ny tafiky ny Midiana teo anatrehan’ i Gideona sy ireo telon-jato lahiny, Ilay nampietry indray alina monja ny tafik’ ilay Asyriana mirehareha, dia naninjitra ny tanany indray hampahamenatra ny herin’ ny fahavalo. «Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany ; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan’ izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy satria efa narian’ Andriamanitra izy» 21Sal. 53 : 5. HM 118.1
Tsy nanantena ny handresy amin’ ny alalan’ ny hery intsony ireo mpitarika papaly ka nony farany dia nampiasa hafetsena. Nisy fifandaminana natao izay manome ny Bohemiana fahafahana hanaraka ny feon’ ny fieritreretany, nefa raha ny tena izy, dia mamadika azy ireo ka mametraka azy eo ambanin’ ny herin’ i Roma. Zavatra efatra no nohantitranterirf ireo Bohemiana fa fepetran’ ny fihavanana amin’ i Roma : ny fahazoany mitory malalaka ny Baiboly, ny zon’ ny fiangonana manontolo hahazo mofo sy divay amin’ ny fandraisana, sy ny fampiasana ny tenin-drazana amin’ ny fanompoampivavahana ho an’ Andriamanitra, tsy famelana ny mpitondra fivavahana hitsabaka amin’ ny raharaham-panjakana sy ny fitondrampanjakana; ary raha misy heioka bevava, dia mitovy ny fitsarana ny mpitondra fivavahana sy ny olon-tsotra eo anatrehan’ ny lalàna. HM 119.1
Nony farany dia neken’ ireo manam-pahefana papaly fa «Azo raisina ireo fepetra efatra izay takian’ ny mpomba an’ i Hus, nefa kosa ny zo hanazavana izany, izany hoe ny famerana ny tena heviny dia havela ho anjaran’ ny fivoriam-be mpandini-draharaha, dia ny papa sy ny amperora» 22Wylie,boky 3,toko 18. Izany ary no niaingana mba hanaovana fifanarahana ka azon’ i Roma tamin’ ny lainga sy ny fitaka izay tsy azony tamin’ ny ady ; satria manana fahefana izy handray araka ny fandikany azy ireo zavatra notakian’ ny mpomba an’ i Hus, toy ny ataony amin’ ny Baiboly, koa dia azony natao ny namadika ny tena dikany hifanaraka amin’ ny fikasany. HM 119.2
Nisy antokon’ olona tany Bohemia, izay nahita fa namadika ny fahefany ilay fifanarahana, ka tsy nekeny. Nitranga ny tsy fitovian-kevitra sy ny fisaraham-bazana, izay nitarika ady sy ra latsaka teo amin’ izy samy izy. Maty tamin’ io fifandonana io i Procopius, lehilahy mendrika indrindra, ary maty niaraka taminy ny fahafahana tany Bohemia. HM 119.3
Nanjary mpanjakan’ i Bohemia izao i Sigismond, ilay namadika an’ i Hus sy Jérôme ; tsy noraharahainy ny fianianany hanohana ny zon’ ny Bohemiana, fa nanomboka nampijoro ny fiandaniana tamin’ ny papa izy. Kely ihany anefa no tombon-tsoa azony tamin’ ny fanompoany tanteraka an’ i Roma. Nandritra ny roapolo taona mantsy dia feno asa mafy sy notandindomin-doza ny fiainany. Rava ny tafiny ary ny hareny dia ritran’ ny ady lava tsy nahitam-bokatsoa ; ary rehefa nanjaka herintaona izy, dia maty, ka namela ny fanjakana teo amoron’ ny ady an-trano, sady namela ho lovan’ ny taranaka ho avy, anarana voapetaky ny fahafaham-baraka. HM 119.4
Naharitra ela ny korontana, ny ady sy ny fandatsahan-dra. Nanafika an’ i Bohemia indray ny tafika vahiny, ary mbola nampizara ny firenena ihany ny tsy fifanarahana sy ny ady an-trano. Ireo izay nijanona ho mahatoky tamin’ ny filazantsara dia nianjadian’ ny fanenjehana hatramin’ ny fandatsahan-dra. HM 120.1
Satria nifanaraka tamin’ i Roma ireo rahalahiny teo aloha, ka nihosona tamin’ ny hevi-disony, dia nitambatra ho fiangonana miavaka ireo izay niraiki-po tamin’ ny finoana voalohany, ka naka ny anarana hoe : «Firaisan’ ny mpirahalahy». Nahatonga ozona ho azy avy amin’ ny antokon’ olona rehetra io fihetsehana io. Nefa tsy azo nohozongozonina izy fa nijoro hatrany. Na dia voatery hitady fialofana any anaty ala sy any anaty zohy aza izy, dia mbola nivory ihany ka hamaky ny tenin’ Andriamanitra sy hiray hina amin’ ny fanompoana Azy. HM 120.2
Tamin’ ny alalan’ ny mpitondra hafatra nalefa an-tsokosoko tany amin’ ny tany samihafa no nahafantarany fa tetsy sy teroa dia nisy «olona maningana nanaiky ny fahamarinana, olom-bitsy ao amin’ ny tanàn-dehibe iray, vitsy ao amin’ ny hafa koa izay nianjadian’ ny fanenjehana tahaka azy ireo koa ; ary fantany fa tany amin’ ny tendrombohitra Alpa tany dia nisy fiangonana fahagola, izay nijanona teo amin’ ny fanorenan’ ny Soratra Masina, sady nanohitra ireo fanompoam-tsampy sy fahalotoana tao Roma»23. Noraisina tamim-pifaliana izany vaovao izany ary natomboka ny fifandefasana taratasy tamin’ ireo kristiana Vaudois. HM 120.3
Nifikitra tamin’ ny filazantsara ireo Bohemiana izay niaritra nandritra ny alin’ ny fanenjehana, tao amin’ ny ora maizina indrindra, mandra-pitodiky ny masony ho amin’ ny faravodilanitra tahaka ny olona miandry ny maraina. «Sarotra ny andro nodiaviny, nefa tsaroany ireo teny izay i Hus no niteny azy voalohany, ary naverin’ i Jéròme, fa tsy maintsy ho lasa ny taonjato iray vao hiposaka ny andro. Ho an’ ireo mpomba an’ i Hus dia toy ireo tenin’ i Josefa ho an’ ireo foko tany am-panandevozana izany : «Ho faty aho ary hamangy anareo tokoa Andriamanitra, ka hanafaka anareo» 23Wylie, boky 3, toko 19 . «Ireo taona farany tamin’ ny taonjato fahadimy ambin’ ny folo dia vavolombelona fa nandroso tamin’ ny fomba miadana nefa azo antoka ireo fiangonan’ ny Mpirahalahy. Niaina tao amin’ ny fiadanana ihany izy. Tamin’ ny fiantombohan’ ny taonjato fahenina ambin’ ny folo dia niisa ho roanjato ny fiangonana tany Bohemia sy Moravia» 24Ezra Hall Gillet, Ny fiainana sy ny Andro nisy an’ i Jhon Huss, boky 2, pejy 570. «Sambatra, indrindra ireo sisa, izay afaka tamin’ ny faharomotana sy ny famonoan’ ny afo sy ny sabatra, fa navela hahita ny fiposahan’ ny andro izay nambaran’ i Hus mialoha» 25Wylie, boky 3, toko 19. HM 120.4