Natolotra an’ny vahoaka ho fantsihana Ilay Zanak’Andriamanitra. Nalemy noho ny hasasarana Izy, avy tamin’ny alalan’ny fanaintainana sy ny fahaverezan-drà vokatry ny _kapoka ny vely izay azony, na dia teo aza izany rehetra izany, dia mbola nampitondran’izy ireo ny hazo fijalian mavesatra teo aminy ireo sorony Izy dia izay hanantsihan’ireo Azy tsy ho ela. Kinanjo, nidaraboka tao ambanin’ny zioga I Jesosy. In-telo no nampitondrain’izy ireo Azy ilay hazo fijaliana mavesatra ary in-telo ihany koa Izy no nianjera reraka. Rehefa avy teo dia naka ny iray tamin’ireo mpanaradia Azy izy, olona iray izay tsy niaiky ampahibemaso ny finoany, an’I Kristy, kanefa nino Azy no najanony. Napetrak’izy ireo teo aminy ilay hazo fijaliana, ary dia nentiny izy ho any amin’ilay toerana nampivarahontsana. Vondron’anjely maro no naniditsinina tony an’habakabaka teo ambonin’ilay toerana. Maro tamin’ireo mpianany no nanaraka Azy tany kalvary tamin’alahelo sy ranomaso mangidy indrindra. Tadidin’izy ireo ilay fidiran’I Jesosy tamim-pandresena tany Jerosalema, andro vitsy talohan’ izao, raha ireo nanaraka Azy tamin’ny fiantsoantsoana hoe: “Hosana ho an’ny Avo Indrindra” ary namelatra ny fitafian’izy ireo tamin’ny làlany ny vahoaka, ary ilay sampan-drafia koa. Nantenain’ izy ireo fa handray an-tanana ny fanjakana Izy ary hanjaka eo amin’ Isiraely. Endrey izany toa fiovan’ny toe-javatra! Endrey ny fahaverazan’ny fanantenan’izy ireo! Nanaraka an’I Jesosy izy ireo fa tsy tamin-karavoana, tsy tamin-toky sy tsy tamim-panantenana feno, fa kosa tamin’ny fo feno tahotra sy fahadisoam-panatenana, no nanarahany moramora sy tamin’alahelo Ilay izay nolavina sy naetry ary hovonoina tsy ho ela izy ireo. HM58 26.5
Teo ny renin’I Jesosy. Torotoron’ny tebiteby ny fony, tsy misy afa tsy ny reny tia ihany no afaka hahatsapa izany. Ny fony voadona dia mbola manantena ihany, niaraka tamin’ireo mpianatra fa, hanao fahagagana lehibe sy hanafaka ny tenany avy eo amin’ireo tanan’ny mpamono Azy ireo ny Zanany lahy. Tsy zakan’ny sainy mantsy ny eritreritra hoe hamela ny tenany hombohana Izy. Kanefa ny fiomanana rehetra dia efa vita avokoa ary indreo Jesosy nampandriana teo ambonin’ny hazo fijaliana. Efa nentina ny fantsika sy tantanana. Levona ny fanantenana izay tao am-pon’ireo mpianany. Tonga teo amin’ny faratampon’ny fahoriana ny reinin’I Jesosy. Rehefa kely sisa dia ho tonga ny fotoanan’ny fiaritena satria efa nahijintr’izy ireo teo ambonin’ny hazo fijaliana I Jesosy ary efa mby hamatotra ny tanany miaraka amin’ny fantsika mahatsiravina amin’ilay fitaovana vita amin’ny hazo, dia nentin’ireo mpianatra hiala an’io toe-javatra io ny renin’I Jesosy mba tsy hahenoany ny fikorontsanan’ireo fantsika izay hamakivaky ny taolana sy hozatr’ireo tanany sy tongony malefaka. HM58 26.6
Tsy mba nimonomona I Jesosy, nefa dia velon-taraina noho ireo fijaliany mafy. Hatsatra ny tavany ary niteten-katsembohana lehibe no nilatsaka avy teo amin’ny handriny. Nihobim-pandresena I Satana tamin’ireo fahoriana izay niaretan’Ilay Zanak’Andriamanitra, natahotra koa anefa izy sao dia ho very ny fanjakany ary dia tsy maintsy ho faty koa izy. HM58 26.7
Rehefa avy nofantsihan’izy ireo teo ambony hazo fijaliana I Jesosy, dia natsangan’izy ireo izany, ary tamin-kery lehibe no nananganan’izy ireo azy tao anatin’ny tany izay efa voavoatra ho fitoerany, ka dia nandrovitra ny nofon’ny Mpamonjy izany ary dia niteraka fanaintainana lehibe indrindra ho Azy. Nataon’izy ireo faran’izay manala baraka indrindra araka izay azo natao ny fahafatesany. Jiolahy roa no niara-nihomboana taminy ary iray avy teo an-daniny roa. Nohazonin’ izy ireo tamin-kery ireto jiolahy ireto, ary taorian’ireo fanoherana maro izay nataon’izy ireo, dia novelarina ny tanan’izy ireo ary nofantsihana teo ambonin’ny hazo fijaliana. Fa Jesosy kosa dia nanaiky tamim-pahalemem-panahy. Tsy nilaina olona na dia iray akory nanery ny tanany ho eo ambony hazo fijaliana. Tamin’ izany fotoana izany, ireo jiolahy dia nanozona ireo mpanatanteraka ny famonoana azy ireto fa I Jesosy kosa tao anatin’izany fahoriana fara tampony izany dia nivavaka ho an’ireo fahavalony: “Ray Ó! Manela ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” Tsy fahoriana ara-batana fotsiny ihany no niaretan’I Jesosy teto, fa ny fahotan’izao tontolo izao rehetra no entiny teo Aminy. HM58 26.8
Tamin’ ny fotoana nihanton’i Jesosy teo ambony hazo fijaliana, izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha, toy ny niankohoka eo anatrehan’ny mpanjaka ka nanao hoe: “Ry Ilay nandrava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, midina hiala amin’ny hazo fijaliana”. Tany an’efitra ny Devoly dia nampiasa izany fitenenana izany koa tamin’I Kristy: “Raha Zanak’Andriamanitra Hianao”. Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dàlana sy ny loholona ka nanao hoe: “Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Raha Mpanjakan’ny Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny hazo fijaliana Izy ankehitriny dia hino Azy izahay.” Ireo anjely izay naniditsidina teo ambonin’ilay sehatran’ny fanomboana an’I Jesosy teo ambonin’ny hazo fijaliana dia nentanin-hatezerana raha maneso Azy ireo mpanapaka nanao hoe: “Raha Zanak’Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy ny tenany”. Nirian’izy ireo ny hamonjy an’I Jesosy sy ny hanafaka Azy, nefa tsy navela hanao izany izy ireo. Mbola tsy tanteraka ny tanjon’ny asa izay nampanaovina Azy. Raha nihantona teo ambonin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia tsy nanadino ny reniny Izy nandritra ireo ora maro mahatsiravina feno fahoriana. Tsy tantin’ny renin’I Jesosy ny niala lavitra ilay sehatra feno fahoriana lavitra ny Zanany. Ny lesona farany izay napetrak’I Jesosy dia ny momba ny famindram-po sy fomban’ olombelona. Nijery ny reniny izay simbam’alahelo Izy ary avy eo dia nijery an’I Jaona ilay mpianatra tiany Izy, ka nilaza tamin’ny reniny hoe: “Ravehivavy, indro ny Zanakao!” Ary hoy koa Izy tamin’ny Jaona: “Indro ny reninao!” Ary manomboka tamin’izany ora izany dia noraisin’I Jaona ho any aminy izy. HM58 27.1
Tao anatin’izany fahoriana mafy izany, dia nangetaheta I Jesoy; kanefa dia mbola nampian’izy ireo, ny faniratsirana Azy, vinaingitra ary zavatra mangidy no mba hosotroiny: nefa rehefa iny Izy nanandrana iny dia nolaviny izany. Nahita ireo toe-javatra mahatsiravin’ny fanombohana ilay Mpibaiko malalan’izy ireo izay tsy tantin’izy ireo jerena ela ny anjely; ka dia nanarona ny tavany tsy hahita ny fisehoan-javatra lozabe izy ireo. Na dia ny masoandro aza dia nandà tsy hijery izany toe-javatra mahatsiravina izany. Niantsoantso tamin’ny feo mahery izay nampahatahotra ny fon’ireto mpamono Azy ireto Izy hoe: “Vita” Ary, indro ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany; ka nitresaka ny vatolampy. Haizinpito no nandrakotra ny tany. Toy ny voafafa tanteraka ny fara-fanantenan’ireo mpianatra rehefa maty I Jesosy. Maro tamin’ireo mpianatra no nahita ilay sehatra feno fahoriana izay nolalovany sy ny fahafatesany, feno mitafotafo ny kapoaky ny alahelon’ izy ireo. HM58 27.2
Tsy nifaly toy ny teo aloha intsony I Satana. Niriany mantsy ny tsy hanafoanana ny drafi-panavotana; kanefa naorina lalina loatra ny fotony. Ary fantany ankehitriny fa maty I Kristy, ary ho faty toy izany ihany koa izy ( i Satana ) ary esorina aminy ny fanjakany ka homena an’I Jesosy. Nampivory ireo anjeliny izy. Tsy nandresy na tamin’inona na tamin’inona an’Ilay Zanak’Andriamanitra izy, ary ankehitriny dia tsy maintsy hasondrony mafimafy kokoa ny fiezahany izy ireo, ary ireo hafetsena sy hery atodika hanohitra an’ireo mpanara dia an’I Jesosy. Tsy maintsy hataon’izy ireo izay hanakanana ny rehetra araka izay tratrin’ny herin’izy ireo mba tsy handray ny famonjena izay nividianana azy ireo tamin’ny alalan’I Jesosy. Amin’ny alalan’izany fomba fiasa izany dia mbola manohy nanohitra ny fanjakan’ Andriamanitra hatrany I Satana. Toy izany koa, tombontsoa ho azy manokana ny mampanalavitra ny vahoaka rehetra an’I Jesosy araka izany azony atao. Satria ny fahotan’ireo izay voavidy tamin’ny ran’I Kristy ary mandresy, dia hifototra amin’ilay mpitaona ho amin’ny fahotana, ny devoly amin’ny farany, ary dia tsy maintsy hoentiny ny fahotan’izy ireo, mandritra izany, ireo izay nandà ny famonjena avy amin’ny alalan ny fahamendrehan’i Jesosy, dia hitondra ny fahotan’ny tenan’ ireo manokana. HM58 27.3
Fiainam-pahantrana ny fiainan’i Jesosy raha teto an-tany Izy, tsy nanana voninahitra arak’izao tontolo izao, tsy manan-drehareha na rentirenty. Ny fiainany feno fanetren-tena sy fandavan-tena dia nifanohitra be tokoa tamin’ny fiainan piavonavonan’ireo mpisorona sy ny loholona izay tia fahafinaretana sy voninahitry ny tany. Ny fiainana sarotra masina izay niainan’i Jesosy dia fanakianana tsy miato ho azy ireo, nohon’ny fahotany. Nataon’izy ireo tsinontsinona Izy noho izany fanatren-tenany sy fahadiovany izany. Kanefa ireo izay nanamavo Azy teto, dia hahita Azy indray andro any amin’ny fahalehibeazan’ny lanitra, sy ny voninahitra tsy azo tononin’I Rainy. Nohodidinin’ireo fahavalony Izy tao amin’ilay efitrano fitsarana, izay nangetaheta tokoa ny rany; Ireo izay mafy hatoka niantsoantso hoe “Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay” kosa indray dia hahita Azy rehefa lasa Mpanjaka omem-boninahitra Izy. Ny vahoakan’ny lanitra no hanatitra Azy amin’ny lalany miaraka amin’ireo hiram-pandresena mafy sy fiandriana na ary fahefana, ho an’Ilay novonoina, kanefa velona indray toy ny mpandresy mahery. HM58 27.4
Ireo olo-mahantra, maro, malemy, malahelo no mandrora teo amin’ ny tavan’Ilay Mpanjakan’ ny voninahitra, raha mbola re ny antsoantsom-pandresena an-kasiahana nataon’ireo vahoaka tao anatin’ireo fanevatevana mahafabaraka. Ilay endrika izay nofenoin’ny lanitra manontolo figagana dia mangana noho ny kapok’ olona tsy tan-dalàna. Dia ho hitan’izy ireo indray, Izy indray andro any, hamiratra ny masoandro mitataovovonana ary dia hitady izay hiafenana amin’izany ireo. Raha tokony ho antsoantsom-pandresena ankasiahana no hataony dia indro fa migogogogo mitomany noho ny aminy’ ny tenany izy ireo. Ao amin’ ny fanjakam-boninahitra dia hasehon’ i Jesosy ireo holatrin’ny nanomboana Azy. Ireo holatry ity habibiana ireo dia izany hoentiny mandrakizay. Ny diam-pantsika tsirairay dia samy hitantara ilay fanavotana mahagaga ny olona, sy ilay fahalafosam-bidy nividianana izany. Ilay miaramila izay nandetika ny lefony tamin’ny lanivoan’ny Tompon’ny fiainana dia hahita ny loatra navelan’ilay lefona, dia hitomany amin’alahelo lehibe noho ny nanimbany ny vatany. HM58 28.1
Ireo mpamono ny Mpamonjy dia nifanohitra be ihany noho ny manoratan’izy ireo hoe “Mpanjakan’Israely ” teo ambonin’ilay hazo fijaliana teo ambonin’ny ny lohany. Fa tsy maintsy hahita Azy kosa izy ireo amin’ny voninahiny rehetra sy fahefan’ny mpanjaka. Ho hitan’izy ireo eo amin’ny fitafiany sy ny feny, voasoratra amin’ ny soratra velona ny teny hoe: “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. Ireo izay niantsoantso Azy mba ho fanarabiana, tamin’ Izy mbola nihantona teo amin’ ny hazo fijaliana nanao hoe: “Aoka Kristy, Mpanjakan’ ny Isiraely, hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantiska ka hinoantsika”. Ireny rehetra ireny dia hahita Azy amin-kerin’ ny fanjakany sy ny fahefany rehetra. Tsy hangataka porofo intsony ireo amin’izay ny amin’ny maha-Mpanjakan’ny Israely Azy, saingy ho tototrin’ny fiandrianany sy ny famirapiratan’ny voninahiny, ka dia ho voatery ny hankasitraka izy ireo ka hanao hoe: “Hotahiana anie izay avy amin’ny anaran’ny Tompo”. HM58 28.2
Ny fihorohoron’ny tany, ny fitresahan’ny vatolampy, ny fahamaizinana izay nandrakotra ny tany manontolo, ary ny feo mahery, avo izay nataon’I Jesosy hoe: “Vita” raha manolotra ny ainy Izy, dia nampatahotra ireo fahavalo ireo ka nampangovitra ireo izay namono Azy. Talanjona noho ireo fihetsehana hafahafa ireo ny mpianatra; saingy ny fanantenan’izy ireo dia efa levona tanterahaka. Natahotra izy ireo sao dia hifofotra ny ain’izy ireo koa ireto jiosa. Ary nieritreritra izy ireo fa ireo fankahalana isan-karazany izay nasehon’izy ireo tamin’ilay Zanak’Andriamanitra dia tsy hijanona hatreo fotsiny. Nandany ireo ora manginan’iny fitokana tamin-tebiteby sy tamin-dranomaso nohon’ny fahadisoam-panantenany ny mpianatra. Niandry mantsy izy ireo fa hanjaka anatin’ny fotoana voafetra Izy, kanefa dia maty niaraka tamin’I Jesosy ny fanantenan’izy ireo. Tao anatin’ny alahelon’izy ireo sy ny fahadisoam-panantenana izay nahazo azy ireo dia nisalasala izy ireo sao dia mba voafitak’I Jesosy. Eny fa na dia ny reniny aza dia voaetry ka voahozongozona ny finoany ny amin’ny maha Mesia Azy. HM58 28.3
Kanefa na dia teo aza ireo fahadisoam-pantenan’ireo mpianatra mikasika an’I Jesosy, dia mbola tia Azy ihany ireo, ka dia maniry ny hanome voninahitra ny vatany, nefa tsy nahafantatra hoe, ahoana no hahatongavana amin’ izany?. Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ny synedriona, mpanankarena sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa, ary iray tamin’ireo mpianatra marin’I Jesosy, ary sahy miditra tao amin’I Pilato tamin-kasahiana izy ka nangataka ny fatin’I Jesosy. Nefa tamin’ny mangingina ihany no nandehanany satria lehibe loatra ny famkahalan’ireto jiosy ka natahotra ireto mpianatra fa na dia ny ezaka iray izany ataon’izy ireo dia nety tsy hahazoana manetraka ny fatin’I Jesosy amin’ny fandevenana mihaja. Neken’I Pilato ny fangatahany ka dia lasa ireo nanaisotra ny vatan’I Jesosy tsy misy aina hiala ny hazo fijaliana, kanefa dia mbola nitomany ihany ireo noho ireo fahadisoam-panantenany tamin-tebiteby fatratra ireo. Nofonosin’izy ireo hariry madinika ny fatin’I Jesosy ary napetrak’I Josefa tao anatin’ny fasana vaovaony Izy izay tsy mbola nametrahana olona akory. Ireo vehivavy izay nanaraka Azy tamim-panetren-tena raha mbola velona Izy dia mbola nijanona teo anilany hatrany taorian’ny nahafatesany, ary tsy niala teo aminy mihitsy ireo mandra-pahitan’izy ireo ny vatany masina napetraka tao anaty fasana. Ary vato lehibe nakodiany teo amin’ny varavaram-pasana mba tsy hahazoan’ireo fahavalo mangalatra ny fatiny. Nefa tsy nisy ny tokony hatahorany akory amin’ izany; Ary hitako ireo tafiky ny anjely niambina, tamim-pahalianana tsy hay lazaina ny toerana izay nametrahana an’I Jesosy. Niambina ny fasana izy ireo, ary tamin-kafanam-po no niandrasan’ireo ny baiko ho azy ireo mba hamahana Ilay Mpanjakan’ny voninahitra amin’io tranom-pigadrany io. HM58 28.4
Ireo mpamono an’I Kristy dia natahotra sao mbola hitsangana amin’ny maty Izy ka handositra azy ireo. Nangataka tamin’I Pilato ireo ny mba hametrahana mpiambina hiambina ny fasana mandritra ny telo andro. Neken’I Pilato ny fangatahan’ireo ka dia nandatsaka mpiambina mirongo fiadiana izy mba hiambina mafy ny fasana, ary nasian’ny tombo-kase ny vato, mba tsy hahazoan’ny mpianatra mangalatra Azy, sy hilazan’izy ireo fa nitsangana tamin’ny maty Izy. HM58 28.5
Jereo Matio 21:1-11; 27:32-66; Marka 15:21-47; Lioka 23:26-56; Jaona 13:17-42; Apokalypsy 13:11-16. HM58 28.6