Nitsahatra tamin’ny Sabata ny mpianatra, sady nitomany nohon’ny nahafatesan’ilay Tompon’izy ireo, nandritra izay fotoana izay Jesosy, ilay Mpanjakan’ny voninahitra dia niampatra tao am-pasana. Rehefa antomotra ny alina dia niambina teo akaikin’ ny toerana nitsaharan’ ny Mpamonjy ireo miaramila, fa raha mbola vao mangiran-dratsy dia indreo ny anjely naniditsidina teo ambonin’ilay fasana satria nahalala izy ireo fa kely sisa dia ho tonga ny fotoana izay hanafahana ny Zanaka malalan’Andriamanitra, Ilay Mpibaiko malalan’izy ireo. Ary raha teo am-piandrasana ilay oram-pandreseny tamin’ny fihetseham-po lalina tokoa izy ireo, dia indro nisy anjely mahery iray matanjaka nidina haingana kokoa avy tany an-danitra. Ny tarehiny dia toy ny tselatra, ary ny fitafiany dia fotsy tahaka ny oram-panala. Ny hazavany dia nampisava ilay fahamaizinana ary nahatonga ireo anjely ratsy izay nangataka ny tenan’ I Jesosy tamin’ ny voninahitry ny mpandresy dia nahatonga ny fandosiran izy ireo._Ny iray tamin’ireo antokon’ anjely izay nanatri-maso ny sehatry ny fanetren-tenan’I Jesosy sady niari-tory teo amin’ny toerana masina izay nitsaharany, dia nanatona ilay anjely avy any an-danitra, ary dia niara-nidina teo am-pasana izy rehetra. Rehefa nanatona izy ireo dia nihozongozona sady nihorohoro ny tany, ary nisy horohoron-tany lehibe. Noraisin’ilay anjely mahery sady matanjaka ilay vato ary dia nakodiadiany haingana izany, ary dia nipetraka teo amboniny izy. HM58 29.1
Natahotra mafy ny mpiambina romanina. Aiza ary izao ny herin’izy ireo mba hiambenany ny vatan’i Jesosy?. Tsy nieritreritra akory izy ireo fa tonga eo izy ireo mba hisakana ireo mpianatra tsy haka ny vatan’ i Jesosy. Fa nony namirapiratra nanodidina azy ireo ny fahazavan’ ireo anjely, mamiratra kokoa noho ny masoandro, ireo tafika na miaramila romanina dia lavo tamin’ ny tany toy ny maty. Nakodian’iray tamin’ireo anjely tamim-pandresena ilay vato, teo amin’ ny ilan’ ny varavaram-pasana ary dia nipetraka teo amboniny izy ny iray hafa niditra tao am-pasana ary nanaisora ny lamba izay nanodidina ny lohan’ i Jesosy. Tamin’ izay ilay anjely avy tany an-danitra ary tamin’ny feo mazava sy mahery no niantsoany hoe: “Ry Zanak’Andriamanitra, miantso Anao ny Rainao ! Mivoaha!” Tsy afaka nanjaka taminy ela intsony ny fahafatesana. Nitsangana tamin’ny maty I Jesosy. Ny anjely iray hafa niditra tao am-pasana, ary raha nitsangana tamin’ny maty I Jesosy dia novahany ilay mosara teo amin’ ny lohany, ary dia nitsangana toy ny mpiady mpandresy I Jesosy. Ary tamin-tahotra lehibe no nitazanan’ireto anjely an’ I Jesosynitsangana avy tao am-pasana ho amin’ny fiandrianany, dia niankohoka tamin’ ny tany ireo anjely mamirapiratra ireo mba hidera Azy. Ary dia niarahaba Azy tamin’ny hiram-pandresena sy voninahitra izy ireo satria ny fahafatesana dia tsy afaka nihazona ny babony masina ela. Ankehitriny dia tsy nahazo fandresena I Satana. Nilefa an’ilay hazavana lehibe mamirapiratr’ireo anjely avy any an-danitra ireo anjeliny. Nitaraina tamim-pangidiana tamin’ilay mpanjakan’izy ireo, fa ny azon’izy ireo dia nalaina am-keriny taminy, ary Izy izay nankahalaina fatratra dia nitsangana tamin’ny maty ankehitrio. HM58 29.2
Satana sy ireo anjeliny dia niravoravo fatratra tao anaty fotoana fohy tamim-pandresena satria ny fahefan’izy ireo tamin’ny olombelona lavo dia nahatonga ny Tompon’ny fiainana, napetraka tao am-pasana. Kanefa fohy izany fandresen’ny helon’izy ireo izany. Satria nitsangana avy tao an-trano figadrany ho mpandresy be voninahitra I Jesosy, dia nahalala I Satana fa afaka fotoana fohy dia tsy maintsy ho faty izy, ary ny fanjakany dia haverina amin’Ilay tena Tompony. Nitomany sy romotra izy satria, na dia teo aza ireo ezaka rehetra izay nataony sy ny heriny, dia tsy resy mihitsy I Jesosy. Mifanohitra amin’izany aza, nanokatra ny lalam-pamonjena ho an’ny olombelona Izy, ka izay rehetra maniry, handeha amin’izany làlana izany dia ho voavonjy. HM58 29.3
Tanatin’ny fotoana fohy, dia toa hita ho malahelo sy ory I Satana. Navoriany ireo anjeliny mba ho filan-kevitra ny amin’izay tokony hatao amin’ny manaraka mba hanoherana ny fanjakan’Andriamanitra. Hoy Satana: “Tsy maintsy handeha haingana amin’ireo lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ianareo. Dia nilaza tamin’ ireo izy: ” Hahomby isika amin’ ny famitahana azy ireo, amin’ ny fanakipiana ny masony sy ny fanamafisana ny fon’ izy ireo ny amin’ ny foto-kevitra momba an’ i Jesosy. Nampino azy ireo isika fa mpamitaka Izy dia hatosintsika ho amin’ ny fankahalana an’ I Jesosy ireo mpisorona sy ny loholona ka hamono Azy. Kanefa dia hamparitak’ireto mpiambina romanina ireto izao io vaovao tokony hankahalaina io fa hoe: “Nitsangana I Kristy”. Ny mpisorona sy ny loholona anefa dia efa nentintsika nankahala an’I Jesosy, ary namono Azy. Ndeha holazaintsika mazava tsara eo anatrehan’izy ireo ankehitriny, fa satria izy ireo no namono Azy, fa raha miely ny vaovao ny amin’ ny nitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty, dia hotorahan’ny vahoaka vato izy ireo, satria namono ny tsy manan-tsiny. HM58 29.4
Hitako ny mpiambina romana niarina mba hizaha na nieren-doza izy ireo ka nijery ny zava-miseho manodidina rehefa lasa niverina tany an-danitra ireo miaramilan’anjely, sy nanjavona teo ilay hazavana sy ilay voninahitra. Hagagana no nameno ny fon’izy ireo raha nahita ilay vato lehibe voakodia niala avy tamin’ny varavaram-pasana, ary ny vatan’ i Jesosy tsy hitany intsony. Nandeha faingana tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona izy ireo niaraka tamin’ilay tantara mahagaga izay hitan’izy ireo, ary raha naheno izany ireto mpamono Azy ireto dia mihahatsatra ny endrik’izy ireo tsirairay avy. Horohoro no nameno azy ireo nohon’ny zavatra izay nataon’izy ireo. Nahatsapa ary ry zareo fa raha marina izany tatitra nataon’ ireo miaramila izany dia very ry zareo. Nandritry ny fotoana fohy dia talanjona izy ireo, ary dia nifampijery tamimpahanginana sady tsy mahalala hoe inona no tokony hatao na hotenenina. Ary dia tafapetraka teo amin’ny toerana izay tsy nahafahan’izy ireo nino ireo satria raha nino izany ireo dia ho fanamelohana azy ireo ihany izany. Ary dia nifanakalo hevitra izy ireo amin’izay tokony hatao. Nanapa-kevitra ry zareo fa raha toa ka miparitaka any ivelany fa nitsangana I Jesosy, sy ilay fitantarana ny voninahitra mahagaga izay nahatonga ny mpiambina nianjera tahaka ny maty, raha tonga any amin’ny vahoaka, dia azo inoana tokoa fa ho romotra ry zareo, ka dia hamono azy ireo ho tahaka ny mpamono olona. Nanapa-kevitra ary ry zareo fa hanome vola ireo miaramila mba hihazona izany ho tsiambaratelo. Ary ny mpisorona sy ny loholona nanome azy ireo vola be niteny taminy hoe: “Lazao hoe: ny mpianany tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay”. Ary raha nanontany ireo mpiambina izay mety hanjo azy ireo nohon’ny torimasony amin’ny asan’izy ireo izao dia nilaza ireo mpisorona sy ny loholona fa hampanaiky ny governora ary hanao izay tsy hampaninona azy ireo. Nohon’ny fitiavam-bola dia nandà ny voninahiny ireto mpiambina romana ireto ary nanaiky ny hanaraka ireo toro-hevitr’ireo mpisorona sy ireo loholona. HM58 29.5
Rehefa nihantona teo ambonin’ny hazo fijaliana I Jesosy, ka niantso hoe: “Vita”, dia nitresaka ny vatolampy, nihorohoro ny tany, ary nisokatra ny sasany tamin’ireo fasana; raha nitsangana tamin’ny maty I Jesosy, ary naharesy ny fahafatesana sy ny fasana, raha nitsangana niala avy tao amin’ny trano nigadrany Izy ho amin’ny mpiady mpandresy raha nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ilay voninahitra mahafinaritrin’ny lanitra nivondrona nanodidina ilay toerana masina, nankato ny fiantsoany, maro tamin’ireo olo-maty marina no nitsangana mba ho vavolombelona fa nitsangana Izy. Ireo izay nahazo tombotsoa manokana, ireo olo-masina natsangana izay nivoaka ny fasany ary nomen-boninahitra. Izy ireo dia olomboafidy vitsivitsy, ireo olo-masina niaina tao anatin’ireo taon-jato nifamdimby nanomboka tamin’ny famoronana ka hatramin’ny fotoana izay niainan’i Kristy. Tahaka izany, kanefa ireo lohan’ ny mpisorona sy fariseo, nitady izay hanafenana ny fitsanganan’I Kristy, Andriamanitra anefa nifidy ny hanangana ireo vondron’olona tamin’ny fasan’izy ireo mba hanamarina fa nitsangana i Jesosy ka hilaza ny voninahiny. HM58 30.1
Samy nanana ny tsanganany sy ny endriny avy ireo rehetra natsangana tamin’ny maty. Ary nampahafantarina ahy fa nitotongana ny mponina teto an-tany, very ny herin’izy ireo sy ny hatsarany. Manana fahefana amin’ny aretina sy fahafatesana i Satana, ary isaky ny taon-jato nifandimby dia mihatazana hatrany ny vokatra ateraky ny ozona, ary ny fahefan’I Satana dia hita mihamazava hatrany. Ny sasany tamin’ireo natsangana dia nanana endrika sy bika mihajahaja kokoa noho ny sasany. Nampahalalana ahy fa ireo izay niaina tamin’ny andron’ny Noa sy I Abrahama no nanana endrika, sy hatsarana ary hery nitovitovy kokoa amin’ireo anjely. Fa ny taranaka rehetra izay nandimby dia nihamalemy hatrany, sy mora andairan’aretina kokoa, ary fohy kokoa ny andro niainana. Nianaran’I Satana ny fomba atao mba hanelingelenana ny olombelona sy ny manahosa ny taranaka. HM58 30.2
Ireo izay masina ka nivoaka avy tao amin’ny fasana taorian’ny nitsanganan’I Jesosy dia niseho tamin’ny olona maro ka nanambara tamin’izy ireo fa feno ny fanatitra ho an’ny olombelona, satria Jesosy, izay nohomboan’I Jiosy teo amin’ny hazo fijaliana, dia nitsangana tamin’ny maty, ary fanampin’izay, mba ho fanamarinany izay nolazainy, dia nanambara toy izao izy ireo: Nijoro ho vavolombelona izy ireo fa avy tamin’ny alalan’ny heriny Tsitoha no niantsoana azy ireo hivoaka ny fasana. Na dia teo aza ireo tati-bolana lainga izay nifamoivoy, momba ny nitsanganan’ I Kristy tamin’ ny maty dia tsy azon’i Satana ireo anjeliny, na ny lohan’ny mpisorona nafenina izany zavatra izany; satria ireo vondron’olona masina izay nivoaka ny fasan’izy ireo ireo, dia nampiely ilay vaovao mahafinaritra sy mahafaly izany, ary koa Jesosy dia niseho vatana tamin’ireo mpianatra izay vonton’alahelo sy torotoro fo, sady nanala ny tahotr’izy ireo ka nanome hafaliana sy haravoana azy ireo. HM58 30.3
Niely patrana eny ambanivohitra rehetra eny sy an-tanam-be rehetra ilay vaovao, dia natahotra ny amin’ny ainy ireto Jiosy ka nanafina ny fankahalany izay an’ireo mpianatra ireo. Ny hany fara-fanantenan’izy ireo dia tsy nisy afa-tsy ny nampiely ny tatitra laingan’izy ireo. Ary ireo rehetra izay naniry ny fahamarinan’izany lainga izany dia nino izany. Tora-kovitra I Pilato rehefa nandre. Nino an’ilay fijoroana vavolombelona lehibe izay nomen-azy mantsy izy fa Jesosy dia nitsangana tamin’ny maty, ary koa ireo hafa maro izay niara-natsangana taminy, ka nanomboka tamin’ izay fotoana izay dia niala taminy mandrakizay ny fiadanany. Nohon’ny fitiavana ny voninahitry ny tany, nohon’ny fahatahorana ny hahaverezan’ny fahefany, ary ny ainy, dia nanolotra an’I Jesosy ho faty izy. Niaiky izy ankehitriny fa tsy ran’olona tsy manan-tsiny izay fahita matetika fotsiny ihany no nohelohiny fa ny ran’ny Zanak’Andriamanitra. Hatramin’ izao ny fiainan’ i Pilato dia lasa fiainana mampalahelo. Ny fahadisoam-panantenana sy ny ahiahy dia namotipotika ireo fanantenana rehatra sy ireo fifaliana izay nananany. Nandà ny hampiononina izy ka dia maty tamin’ny fahafatesana izay mampahonena indrindra. HM58 30.4
Mbola nihamafy hatrany ny fon’I Heroda, ary raha nahare izy fa nitsangana tamin’ny maty I Jesosy dia tsy nanaitra azy akory izany. Namono Jakoba izy, ary rehefa hitany fa nahafaly ny Jiosy izany dia nosamboriny koa I Petera ary nieritraritra ny hamono azy koa izy. Nefa nanana asa nampanaovina an’I Petera Andriamanitra, ka naniraka ny anjeliny ka nanafaka azy. Novangiana tamin’ny alalan’ny fitsarana (Andriamanitra) I Heroda. Novelezin’ anjelin’Andriamanitra teo imason’ireo vahoaka maro izy tamin’ny fotoana izay nanandratany tena teo anoloan’ireo, ka dia maty tamin’ny fahafatesana nahatsiravina. HM58 31.1
Ary raha vao maraina be ny andro talohan’ny fiposahan’ny masoandro, ireo vehivavy masina dia avy hizaha ny fasana sady nitondra zava-manitra mba hanosorana ny fatin’I Jesosy. Nefa indro ! Ilay vato mavesatra efa voakodiadia niala tamin’ny varavaram-pasana no hitan’izy ireo, ary tsy tao ny fatin’I Jesosy. Nientana ny fon’izy ireo, ary natahotra izy ireo fa sao dia nangalarin’ireo fahavalon’izy ireo ny fatiny. Tampoka teo nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nitsangana teo akaikiny izy ireo, ny tavan’izy ireo dia namirapiratra sady manjelanjelatra. Fantatr’ ireto zava-manan’ ain’ ny lanitra ireto ny antondian’ireto vehivavy masina ireto ary niaraka amin’izay dia nilaza taminy izy ireo fa Jesosy no tadiavin’izy ireo saingy tsy ato Izy, fa efa nitsangana, ary afaka mijery ny toerana nandriany ireo. Nandidy azy ireo mba handeha hilaza amin’ireo mpianany fa hialoha azy ireo ho any Galilia Izy. Natahotra sy talanjona ireo vehivavy ka dia nihazakazaka faingana ho any amin’ny mpianatra izay nitomany sady tsy hay nampaherezana satria nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ny Tompon’izy ireo. Nihazakazaka nilaza tamin’ny mpianatra izay zavatra rehetra hitan’izy ireo sy ren’izy ireo ireo vehivavy. Tsy nino ny mpianatra fa hoe nitsangana Izy, nefa noho ilay tatitra izay nentin’ireo vehivavy dia nihazakazaka faingana ho any am-pasana izy ireo, ary nahita marina tokoa fa tsy tao I Jesosy. Fa tao ny lambam-paty kanefa sarotra tamin’izy ireo ny nino ilay filazan-tsara hoe nitsangana tamin’ny maty I Jesosy. Dia lasa nody ireo sady gaga noho ireo zavatra hitan’izy ireo, ary koa noho ilay tatitra izay nentin’ireo vehivavy ho azy ireo. Fa Maria kosa nijanona teo ivelan’ny fasana nieritreritra izay zavatra hitany, sady nanjombona tamin’ny fieritreretana fa sao dia voafitaka izy. Toa nahatsapa izy fa fitsapana vaovao indray no miandry azy. Niverina indray ny alahelony ka dia velon-tomany izy. Niondrika nisitrika indray ny tao ampasana izy, ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy. Namirapiratra sy nanjelanjelatra ny endrik’izy ireo. Ny anakiray teo an-doha teo tamin’ilay nandrian’ny fatin’I Jesosy, ary ny anakiray teo an-tongotra. Ary dia ,niteny tamim-pitiavana tamin’ireo sady nanontany azy fa nahoana no nitomany hianao. Dia namaly izy hoe: “Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy”. HM58 31.2
Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’I Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. Niteny an’I Maria tamim-pahalemem-panahy i Jesosy sady nanontany azy ny anton’izao fahoriany izao ary nanontany azy koa ny olona izay tadiaviny. Nataony fa mpiandry saha Izy ka niangavy Azy raha Izy no naka ny Tompony, dia mba hilaza aminy izay nametrahany Azy ka dia haka Azy izy. Niteny taminy tamin’ny feon’ny lanitra manokana I Jesosy, nilaza hoe: “Ry Maria!” Fantany ny fanenon’ilay feo malala, ka dia namaly faingana izy hoe: “Mpampianatro ó!”ary noho ny hafaliany sy haravoany dia saika nanoroka Azy izy kanjo nitodika I Jesosy sady niteny hoe: “Aza manendry Ahy, fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: “miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo”. Heniky ny hafaliana izy ka dia nihazakazaka nilaza tamin’ny mpianatra ilay vaovao mahafaly. Ary dia niakatra haingana ho any amin’ny Rainy I Jesosy mba hitondra avy eo imolony, fa nanaiky ny fanatiny Izy, ary vitany tsara avokoa ny zavatra rehetra, ary mba handraisany ny fahefana rehetra na ny any an-danitra na ety ambony tany, avy amin’ny Rainy. HM58 31.3
Nanodidina ilay Zanak’Andriamanitra toy ny rahona ny anjely ary nadidy ilay vavahady mandrakizay mba hovohana, mba hahafahan’ilay Mpanjakan’ny voninahitra miditra. Ary hitako fa nandritra ny fotoana izay niarahan’I Jesosy tamin’ireo miaramilan’ny lanitra mamirapiratra sy tamin’ny fanatrehan’ny Rainy ary ilay voninahitr’Andriamanitra izay nanodidina Azy dia tsy mba nanadino ireo mpianany mahantra izay taty an-tany Izy, fa nandray ny hery avy tamin’ny Rainy mba hahazoany miverina ho amin’izy ireo, ary mandritra ny fotoana hiarahany amin’izy ireo izany dia hizara ny hery izany amin’ireo Izy. Androtr’io ihany dia niverina Izy, ary niseho vatana tamin’ireo mpianany. Dia namela azy ireo hikasika Azy izy satria efa niakatra tany amin’ny Rainy Izy ka nandray ny fahefana. HM58 31.4
Fa tamin’io fotoana io tsy mba teo i Tomasy. Tsy nandray tamim-panetran-tena ny tatitr’ireo mpianatra izy; fa tamin-kasahiana sy tamim-pahatokian-tena no nanambarany fa tsy mba hino izy raha tsy nametraka ny ratsan-tanany eo amin’ireo diam-pantsika ary ny tanany eo amin’ny lanivoany izay nandetehana ilay lefona mahatsiravina. Naneho ny tsy fahatokiany ny rahalahiny izy tamin’ny fanaovana izany. Raha nangataka famantarana toy izay nataony avokoa ny rehetra dia ho vitsy ny olona izay afaka nandray an’I Jesosy sy hino ny fitsanganany tamin’ny maty. Kanefa izany no sitrapon’Andriamanitra dia ny hiparitahan’ireo tatitr’ireo mpianatra avy amin’ny iray mankany amin’ny iray hafa, ary maro no handray izany avy amin’ny molotr’ireo izay nahita sy nandre. Tsy nahafaly an’Andriamanitra ny tsy finoana tahak’izany. Ary raha nihaona tamin’ny mpianatra indray I Jesosy dia teo koa I Tomasy. Tamin’ny fotoana izay nahitany an’i Jesosy dia nino izy. Kanefa nanambara izy fa tsy afa-po tanteraka izy raha tsy mahazo ny porofo dia ny fikasihana ho eo amin’izay efa hitany, ka dia nomen’I Jesosy famantarana araka izay niriany izy. Niantsoantso I Tomasy ka nanao hoe: “Tompoko sy Andriamanitro” .Nanome tsiny an’I Tomasy i Jesosy nohon’ny tsy finoany ka hoy izy taminy: ” satria nahita Ahy hianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita kanefa nino.” HM58 31.5
Ary noho izany, dia nahita aho fa ireo izay tsy nanana ny fanandramana tamin’ny hafatrin’ny anjely voalohany sy faharoa dia tsy maintsy handray izay avy amin’ireo izay nanome an’izany fanandramana izany ka hanaraka an-tsipiriany ireo hafatra. Koa satria nolavina I Jesosy, dia hitako fa holavina tahak’ izany koa ireo hafatra ireo. Toy izany koa ny mpianatra dia nanambara fa tsy misy anarana hafa ety ambanin’ny lanitra izay hahazoana famonjena, nomena ny olombelona; dia tahaka izany koa, no nanambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra tamim-pinoana sy tamin-kasahiana fa ireo izay tsy nanaiky afa-tsy ny sasany fotsiny ihany amin’ireo fahamarinana izay mifandraika amin’ ilay hafatry ny anjely fahatelo, dia, tokony handray miaraka amim-pifaliana ireo hafatra rehetra araka izay nanomezan’Andriamanitra azy ireo, na tsy manaiky na inona na inona amin’izay. HM58 32.1
Naseho ahy fa nandritra ny fotoana nitondran’ireo vehivavy masina ilay hafatra momba ny nitsanganan’I Jesosy dia nanao izay ho afany koa ireo miaramila mpiambina romana tamin’ny fampielezana lainga izay napetrak’ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona tao ambavan’izy ireo hoe raha natory izahay tamin’ny alina, dia tonga ny mpianatra ka nangalatra ny fatin’I Jesosy. Napetraky Satana tao am-po sy tao ambavany sy tao am-pon’ireo lohan’ny mpisorona izany lainga izany ka dia vonona handray ny tenin’izy ireo ny vahoaka. Nefa nataon’Andriamanitra izay hahalalana marina ny zavatra niseho ka dia nametraka izao vanimpotoana lehibe izao ho fiankinan’ ny famonjena antsika, dia tokony hesorina ny fisalasalana rehetra. Ka dia tsy azon’ireo mpisorona sy ireo loholona natao ny nanafina izany. Vavolombelona maro no natsangana tamin’ny maty mba hanamarina ny fitsanganan’I Kristy tamin’ny maty. HM58 32.2
Nijanona miaraka tamin’ny mpianany nandritra ny efapolo andro I Jesosy, ka niteraka hafaliana sy haravoana tao am-pon’izy ireo izany ary mbola namelabelatra tamin’izy ireo tamin’ny fahafenoany bebe kokoa ny momban’ny fanjakan’Andriamanitra marina Izy. Naniraka azy ireo Izy mba hijoro ho vavolombelona ny an’ireo zavatra hitany sy reny mikasika ny fijaliany, sy fahafatesany ary ny fitsanganany. Fa natao fanatitra nohon’ny fahotana Izy, ka ireo izay rehetra naniry dia afaka nanatona Azy ka dia hahita fiainana. Nilaza tamin’ireo tamim-pinoana izy sy tamim-palemem-panahy Izy fa henjehina sy hampahoriana ireo nefa hahita fitsaharana izy ireo amin’ny fampitahana ireo fanandramana izay efa nolalovan’izy ireo sy ny fahatsiarovana ireo fanandramana sy teny izay nolazainy tamin’izy ireo. Nampahatsiarovany azy ireo fa efa nandresy ireo fakam-panahin’ny Devoly Izy ary mbola mihazona ny fandresena ny fizahan-toetra sy fahoriana Izy. Ka dia tsy nanana fahefana taminy intsony I Satana, ary amin’ izany dia nitondra ny fankam-panahiny sy ny fahefany mivantana kokoa ho amin’izy ireo izy, ary koa any amin’ireo izay mino ny Anarany. Niteny tamin’izy ireo Izy fa tokony handresy izy ireo toy ny nandreseny koa. Dia nanome fahefana ny mpianany hanao fahagagana I Jesosy. Nampanantena handefa ny anjeliny mba hanafaka azy ireo amin’izay Izy, mba tsy hialan’ny amin’izy ireo mandrapahavita izy ireo ny andraikitra izay napetrany tamin’ izy ireo. Ary amin’ izany, dia ho afaka hangataka hanombohan-kase azy ireo Izy noho ny fijoroana vavolombelona nataon’ izy ireo. HM58 32.3
Nihaino ny fampianarany tamim-pifaliana ireo mpanara-dia Azy. Nandray tsara tamim-pahalianana ny teny rehetra izay nivoaka ny molony masina izy ireo. Ka dia nahafantatra izy ireo marina fa Mpamonjy izao tontolo izao Izy. Ny teny tsirairay avy dia nilentika lalina tao am-pon’izy ireo ary dia nalahelo izy ireo satria tsy maintsy hisaraka tsy ho ela amin’Ilay Mpampianatra notahiana avy any an-danitra. Ary rehefa afaka fotoana fohy dia tsy handre intsony ny teny fampaherezana na tenim-pahasoavana avy eo amin’ ny molony intsony izy ireo. Kanjo, nafanain’ny fitiavana sy ny hafaliana tsy omby tratra indray ny fon’izy ireo raha nandre an’I Jesosy nilaza tamin’izy ireo fa handeha hanamboatra fitoerana ho azy ireo Izy, dia ho avy indray ka handray azy ireo ho any Aminy, ka hiaraka Aminy mandrakizay. Ary nilaza tamin’izy ireo Izy fa haniraka Mpampahery dia ny Fanahy Masina izay hitari-dalana; hitahy ary hitarika azy ireo amin’ny fahamarinana rehetra; ary dia nanandratra ny tanany Izy ka nitso-drano azy ireo. HM58 32.4
1° Jereo Apokalypsy 14:6-8; Hohazavain’ny toko faha 23 sy 24 amin’io boky io ihany 2° Jereo Apokalypsy 14:9-12; Hohazavain’ny toko faha 28 ami’io boky io. HM58 32.5
Jereo Matio 27:52-53; toko 28 ; Marka 16:1-18; Lioka 24:1-50; Jaona 20; Asan’ny Apostoly toko 12. HM58 32.6