Go to full page →

Misy Anjely Manomana Ny Lalana FK 216

Hitako fa ny asa fitoriana ny fahamarinana ankehitriny dia tokony hisarika ny fahalianan‘ny rehetra. Ny fampielezana ny fahamarinana dia planin’Andriamanitra, izany dia fitaovana fampitandremana, fampaherezana, fanitsiana, fampirisihana ary fandresen-dahatra ireo rehetra voasariky ny hafatra entin‘ireo mpitondra hafatra mangina tsy miloa-bava. Ireo anjelin’ Andriamanitra dia mandray anjara amin‘ny asa fanomanana ny fo mba hohamasinin’fahamarinana izay voatolotra azy, mba hahatonga azy ireo ho vonona hiatrika ny toe-javatra miezinezina izay ho avy. - TFC, b. 1, t. 590. FK 216.3