Go to full page →

Ny Antony Mbola Mampatoritory Ny Fanenjehana FK 224

Nilaza ny apostoly Paoly fa «izay rehetra te ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andrimanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina” - 2 Tim. 3:12. Nahoana àry, raha izany, no toa matoritory tokoa ny fanenjehana? Ny hany antony dia satria nifanaraka tamin’ ny tarigetran’izao tontolo izao ny fiangonana, ka noho izany tsy mampifoha ny fanoherana. Ny fivavahana fahita amin’izao androntsika izao dia tsy manana ilay toetra madio sy masina izay nampiavaka ny finoana kristiana tamin’ ny andron’ i Kristy sy ny apostoly. Ny antony dia izao ihany: noho ny toe-tsaina manao fifanarahana amin’ny fahotana, noho ny tsy fiheverana ireo fahamarinana lehibe ao amin’ ny tenan’Andrimanitra sy ny tsy firaihana aminy, noho ny mahakely ny toe-panahy araka an’Andriamanitra misy aina ao amin’ ny fiangonana, izany no antony mahatonga ny fivavahana kristiana ho mamim-bahoaka toy izao eo amin’ izao tontolo izao. Aoka hifoha ny finoana sy ny herin’ ny fiangonana voalohany, dia hifoha indray ny toe-tsaina vonon-kanenjika ary hirehitra indray ny afon’ny fanenjehana. — HM, t. 48. FK 224.1