Go to full page →

Hery Telo Mitambatra Ho Amin’ny Fanenjehana FK 224

Amin’ny alalan’ireo hevi-diso roa lehibe, dia ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny fahamasinan’ny Alahady, no hitarihan’i Satana an’izao tontolo izao ho babon’ny fitaka ataony. Raha mampitoetra ny foto-kevitry ny filalaovana angatra iry voalohany, ity faharoa kosa mamitram-pihavanana amin’i Roma. Ny Protestanta any Etazonia dia ho loha-lalana hanatsotra ny tanany eo ambony tevana ka hifandray amin’ny filalaovana angatra, ary hiampita ny hantsana koa izy mba hifamihina amin’ny fahefana Romana; ka noho ny herin’io firaisana telo sosona io, dia hanaraka ny didin’i Roma io tany io, ary hanitsakitsaka ny zo hanaraka ny feon’ny fieritreretana. - HM, t. 613. FK 224.2