Ny fanevan’ny fahamarinana sy ny fahafahana arapivavahana, izay natsangan’ireo mpanorina ny fiangonana ara-pilazantsara ho avo sy ireo vavolombelon’Andriamanitra nandritra ny taonjato maro lasa, dia efa natolotra teo antanantsika amin’izao ady lehibe farany izao. Efa eo amin’ireo izay notahin’Andriamanitra tamin’ny fahalalana ny Teniny ny andraikitra mikasika io fanomezana lehibe io. Tokony horaisintsika ho fahefana fara tampony izany Tenin’ Andriamanitra izany. Tendry avy amin’Andriamanitra no tokony handraisantsika ny fitondram-panjakan’olombelona, ka tokony hampianarintsika azy fa adidy masina ny fankatoavana, eo amin’ny sehatra ara-dalàna misy azy. Andriamanitra anefa no tokony hekena mihoatra noho ny olona, raha toa ka mifanohitra amin’ny fitakian’Andriamanitra ny fitakiany. Andriamanitra no tokony hekena ho ambonin’ny didy aman-dalàn’olombelona rehetra. FK 226.3
(...) Tsy azo ialana ny ‘izao no lazain’i Jehovah’ ho solon’ny hoe ‘izao no lazain’ny fiangonana’ na ny hoe ‘izao no lazain’ny fanjakana’. Tokony hasandratra ambonin’ireo diademan’ny manam-pahefana eto an-tany ny satroboninahitr’i Kristy. - VM, t. 62. FK 227.1
Tsy vitantsika vahoaka ny asa nankinin’Andriamanitra tamintsika. Tsy vonona amin’ilay olana lehibe izay hoentin’ny fanamafisana ny lalàna momba ny Alahady isika. Efa tsinjontsika ny famantarana ny loza mananontanona antsika, koa andraikitsika ny mampifoha ny hetsika. Aoka tsy hisy hipetrapetra-potsiny miandry ny toe-java-tsarotra hiseho, ka hampahery tena amin’ny finoana fa tsy maintsy mandroso ny asa, satria efa voalazan’ny faminaniana izany, sady hiaro ny olony rahateo Andriamanitra. Tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra isika raha toa ka mitoetra amin’ny fahanginana, tsy manao na inona na inona hisakanana ny fangejana ny feon’ny fieritreretana. Tokony hakarina any andanitra ny vavaka mafana sy mahery indrindra, mba hihemotra io loza io mandra-pahavitantsika ny asa izay nataontsika rainazy, fotoana ela dia ela izay. Aoka hampitomboina hatrany ny vavaka amin-kafanam-po; ary mifanaraka amin’izany koa ny fiasantsika. - TFC, b. 5, tt. 713, 714. FK 227.2
Andraikitsika ny manao izay rehetra azontsika atao mba hisakanana izany loza mananontanona izany. Tokony hiezaka isika handrava ny herin’ny hevi-diso atao momba antsika, amin’ny fandehanana amin’ny mazava eo anatrehan’ny olona. Tokony hoentintsika eo anatrehan’izy ireo ny tena foto-kevitra marina mikasika io olana io - TFC b. 5, t. 452. FK 228.1
Amin’ny fomba ahoana no hahatonga antsika ho mazava eo imason’Andriamanitra raha toa ka efa nasehony mazava ny loza mananontanona antsika, kanefa tsy ataontsika ny ezaka rehetra tandrify antsika hitondrana izany eo anatrehan’ny olona? Vitantsika ve ny hamela azy ireo hiatrika izany olana goavana izany kanefa tsy nampitandremana akory? - TFC, b. 5, t. 712. FK 228.2
Rehefa nanomboka nanamafy ny fepetra hamerana ny fahafahana ara-pivavahana ireo Mpanavao fivavahana teo amin’ny firenena, dia tokony nihetsika teo anoloan’izany toejavatra izany ireo mpitarika antsika ary tokony niasa taminkafanam-po hanoherana izany ezaka izany. Tsy tao anatin’ny baikon’Andriamanitra velively ny nihazonan’ireo mpitarika antsika ireo izany fahazavana izany, dia ilay fahamarinana ankehitriny, izay tena nilainy indrindra tamin’io fotoana io. Tsy izay rehetra miasa hizara ny hafatry ny anjely fahatelo no tena nahatakatra ny votoatin’izany hafatra izany. Noheverin’ny sasany ho tsy dia zava-dehibe loatra ny hetsika Fanavaozana ara-pivavahana teo amin’ny firenena, ka tsy noraharahainy firy izany. Tsapany mihitsy aza tamin’izay fa raha manao izany izy, dia hanome vahana ireo fanontaniana mety hipetraka mikasika ny hafatry ny anjely fahatelo. Ny Tompo anie hamela heloka an’ireo rahalahintsika ireo noho ny fomba fandraisany ny hafatra tamin’izany fotoana izany. - TFC, b. 5, t. 715. FK 228.3
Efa an-taonany maro tokoa no niandrasantsika ny famoahana ny lalàn’ny Alahady eto amin’ny tanintsika; nony efa eto amintsika mihitsy aza izao izany hetsika izany, dia velompanontaniana indray isika manao hoe: Handray ny andraikiny amin’izao toe-javatra izao ve ny vahoakantsika? Tsy handray anjara amin’ny fanandratana ny faneva, sy ny fiantsoana an’ireo izay mandala ny zony sy ny tombontsoany ara-pivavahana ve isika? Efa mby akaiky ny fotoana hahatsapan’ireo misafidy ny hankatò an’Andriamanitra, fa tsy ny olona, ny hamafin’ny fampahoriana. Moa tsy fanalam-baraka ataontsika an’Andriamanitra ny fahanginana eo anatrehan’ny fanitsakitsahana ny didiny masina? Hita ho manao fifanekena amin’i Rôma ny tontolo prôtestanta, noho izany àry dia aoka ho takatsika tsara ny fandehan-javatra ka horaisintsika amin’ny tena fisehony marina izany fanoherana izany Aoka hanandratra ny feony amin’izay ny mpiambina, ka hitondra ny hafatra, izay tsy inona fa fahamarinana ankehitriny ho an’izao vaninandro izao. Aoka hasehontsika amin’ny olona ny toerana misy antsika eo amin’ny tantara ara-paminaniana, ka hanao izay hampifoha ny toe-tsaina prôtestanta marina, ary hanaitra ny sain’izao tontolo izao ny amin’ny tombambidin’ny tombontsoan’ny fahafahana ara-pivavahana efa nankamamiana hatry ny ela. - TFC, b. 5, t. 716. FK 228.4
Mila ampirisihina ny vahoakan’ny tanintsika mba hanohitra ny foto-kevitra aroson’ity fahavalo mampidi-doza indrindran’ny olona sy ny fivavahana ity. — SP, b. 4, t. 382. FK 229.1
Hahajery fotsiny ve isika, ka tsy hanao na inona na inona manoloana izao toe-java-tsarotra izao? (...) Manampy antsika hifoha amin’ilay torimaso nahadonto antsika efa an-taonany maro Andriamanitra. - RH, 18 Des. 1888. FK 229.2