Go to full page →

Ohatra Mendrika Alain-Tahaka FK 241

Tsy nahafantatra firy izay nataony ilay mpitondratena mahantra nandatsaka ny farantsakely roa tao amin’ny fandatsahandrakitry ny Tompo. Efa niasa ary mbola hiasa ao am-po an’arivony maro any amin’ny tany rehetra sy amin’ny fotoana rehetra ny ohatry ny fahafoizan-tena nasehony. Fanomezana maro avy amin’ny ambony saranga sy ny ambany saranga, avy amin’ny mpanan-karena sy ny mahantra no efa nentin’izany ho ao amin’ny fandatsahan-drakitry ny Tompo. Asa maro no efa notohanan’izany, ny fananganana hôpitaly, ny fanomezankanina ny noana, ny fanafiana ny mitanjaka, ny fanasitranana ny marary, ary ny fitoriana ny filazantsara amin’ny malahelo. Olona maro tsy tambo isaina no efa voatahy tamin’ny alalan’io asa tsy misy fitiavan-tena nataony io. - TFC, b. 6, t. 310. FK 241.2