Efa niresaka mikasika ny drafitra hanehoana ny asa nanirahana antsika sy ny fandrosony manoloana ireo namantsika sy mpiray monina amintsika aho taona maro lasa izay, ka ny ohatr’i Nehemia no nentiko tamin’izany. Maniry ny hampirisika ireo anadahy sy rahavavintsika aho ankehitriny mba handinika indray ny fanandraman’ity lehilahy nazoto nivavaka sy feno finoana ary nanana fomba fijery azo antoka ity. Tao aminy mantsy ny fahasahiana hangataka fanampiana tamin’ny mpanjaka Artaksersesy mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra. - MS 2, 05 Jona 1914 . FK 241.3
Fiangaviana atao amin’ny olona izay afaka manome fahafahamanao. Tsy tokony hianina amin’ny vavaka mafana fotsiny ny mpiasa fa mazoto amin’ny asa ihany koa. Hahita ny lalana sy ny fomba hanatanterahana ny asa ireo izay vonona sy feno risi-po. Tsy niankina tamin’ny toe-javatra feno fisalasalana i Nehemia. Nangatahiny tamin’ireo izay afaka nanome izany ny fitaovana tsy ampy teo aminy. — SW, 15 Mar. 1904. FK 242.1
Avy amin’ny Hery lehibe ny faherezana hanao ny Asa. - Nifanatrika i Nehemia sy i Artaksersesy, - ny andaniny mpanompo avy amin’ny taranaka nampahorina, ny ankilany kosa mpanapaky ny fanjakan-dehibe eo amin’izao tontolo izao. Lehibe dia lehibe lavitra mihoatra ny elanelana misy eo amin’izany saranga izany anefa ny elanelana ara-toepanahy misy eo amin’izy roa tonta. Nanaiky ny fanasan’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka i Nehemia: “ Aoka izy hifikitra amin’heriko kosa izy, ka hihavana Amiko, eny, aoka hihavana Amiko izy .” - Isa. 27:5 FK 242.2
Hataka efa nataony nandritra ny herinandro maromaro ilay fitalahoana mangina izay nakariny ho any an-danitra, dia ny mba hanatanterahan’ Andriamanitra ny fangatahany. Nahazo hery izy noho ny fahafantarany fa manana Namana anankiray izy, izay mahafantatra sy mahefa ny zavatra rehetra mba hiasa ho azy. Nampahalalain’ity lehilahin’Andriamanitra ity tamin’ny mpanjaka àry izao ny faniriany hiato amin’ny asany tao andapa mandritra ny fotoana voafetra, ary koa ny fangatahany alalana hamboatra ireo tanàna rava tao Jerosalema, mba hahatonga izany ho tanàna mafy orina sady voaaro hatrany. FK 242.3
Miankina amin’io fangatahana io ny vokatra tena iankinan’ny ain’ny tanàna sy ny firenena jiosy. “ (...) Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’tànan’Andriamanitra tamiko” - hoy i Nehemia 2:8. - SW, 8 Mar. 1904 . FK 243.1
Fanohanana azo antoka ny tetik’asa. - Noraisina an-tanana tamin’ny fomba manokana tokoa ny fangatahana nataony [i Nehemia] tamin’ny mpanjaka, ka sahiny ny niangavy ny fanampiana toy izany mba hahatanterahan’ny fikasany. Azony ny fanohanana ara-tafika mba ho mendrika sy manampahefana ny asany ary mba ho voaaro ny diany. Azony ihany koa ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka mba homena ireo governora any an-dafin’ny ony Eofrata, faritany izay tsy maintsy holalovany rehefa ho any Jodia izy; ankoatra izany ny taratasy homena ny mpitandrina ny alan’ny mpanjaka any antendrombohitr’i Libanòna, izay mandidy azy hanome hazo hanaovana ny mandan’i Jerosalema sy ny trano izay kasain’i Nehemia hatsangana. Mba tsy hisian’ny fiampangana sy ny fanomezan-tsiny noho izany iraka izany, dia nataon’i Nehemia izay hampahazava tsara ny fahefana sy ny tombontsoa napetraka teo an-tanany. - SW, 15 Mar. 1904. FK 243.2
Heni-kaja ny fandraisana an’i Nehemia ary voarainy tamin’ny fotoana tsy diso ny fanampiana tokony ho azony noho ireo taratasy avy tamin’ny mpanjaka ho an’ny governora tao amin’ireo faritra nolalovany. Tsy nisy noho izany ny fahavalo sahy nanembantsembana ny manamboninahitra izay efa teo ambanin’ny fanaraha-mason’ny mpanjaka persianina sady nomen’ireo mpanapaka isam-paritra haja manokana. Nierendoza tokoa ny dian’i Nehemia sady feno fahombiazana. — SW, 22 Mar. 1904 . FK 243.3
Sendra ny vato misakana. - Nandrangitra ny fialonana sy ny fankahalan’ireo fahavalon’ny Isiraely ny fahatongavany tao Jerosalema na dia teo aza ny fisian’ny mpiambina mba hahitana fa iraka lehibe no nahatongavany. Efa nampiseho mandrakariva ny fankahalany ny Jiosy ireo foko mpanompo sampy nonina akaikin’i Jerosalema, ka nataony taminy avokoa izay mety ho fitenenan-dratsy sy famelezana rehetra azony natao. Lohandohany tamin’izany asa ratsy izany ireo lehiben’ny foko, toa an-dry Sanbala Hôrônita sy i Tobia Amônita ary i Gasema Arabo. Nanomboka tamin’io fotoana io àry, dia nandinika tamim-pialonana ny fihetsik’i Nehemia rehetra izy ary niezaka araka izay tratry ny heriny handrava ny drafitra nataony sy hanakana ny asany - SW, 22 Mar. 1904. FK 243.4
Nataony izay nisian’ny fisaraham-bazana teo amin’ireo mpiasa tamin’ny fametrahana fanahiana sy tsy finoana ny amin’izay mety ho fahombiazany. Nesoiny ihany koa ny ezaka nataon’ny mpanorin-trano ka nambarany fa tsy ho azo tanterahina velively ny vinavinan’ asany ary ho fahadisoampanantenana mahamenatra tokoa izany (...) Tsy ela dia nihatra tamin’ireo mpanangana ny manda ny fanoherana mivaivay. Voatery mailo mandrakariva tamin’ny fiokoan’ireto mpanohitra tsy misy fitsaharany ireto izy ireo. Nataon’ireo iraky ny fahavalo vain-dohan-draharaha àry ny handrava ny herim-pon’izy ireo tamin’ny fanelezana tatitra diso; fiokoana noho ny antony tsy mitombina akory no niseho lany mba hisarihana an’i Nehemia ho ao amin’ny asa ratsiny; indreo Jiosy sasantsasany tsy mahatoky no vonona hanampy izany asa feno fitaka izany (...) Firaisam-po no mody nasehon’ireo iraky ny fahavalo, tafaharo tamin’ny mpanorin-trano izy ary nanoso-kevitra mitondra fiovana teo amin’ny drafitra efa napetraka. Nozahany fatratra ny fomba rehetra hamiliana ny sain’ny mpiasa, mba hahatonga fisafotofotoana sy fahaverezan-kevitra, ka hiteraka tsy fitokisana sy fiahiahiana - SW, 12 Apr. 1904. FK 244.1
Sendra ny vato misakana toy izany koa ny mpitarika amin’izao andro izao. - Miverina eo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao fotoana izao ny fanandraman’i Nehemia. Ho hitan’ireo izay miasa ho an’ny fahamarinana fa tsy maintsy handrangitra ny fahaviniran’ny fahavalo ny fanaovany izany. Na dia efa voaantso ho amin’ilay asan’Andriamanitra efa nanolorany tena aza izy ireo, ary ankasitrahan’Andriamanitra koa ny safidiny, dia tsy afa-miala amin’ny fanomezan-tsiny sy ny fanebahana izy. Hohelohina ho mpanonofy antoandro izy, tsy mendripitokisana, mpioko, mpihatsarivelatsihy, sy ny sisa, izany hoe mifanaraka tsara amin’ny zava-kendren’ny fahavalony. Haseho ho mahatsikaiky an’ireo tsy tia ny fahamasinana ny zavatra masina indrindra. Tebaka sy fisainana ambany kely monja, ampian’ny fitsiriritana sy fialonana, haratsiampanahy ary fankahalana, dia ampy hanetsika ny fifalian’ireo mpamingavinga sy mpanamavo ny zava-masina. Ireo mpanamavo midaondaom-bava ireo no mifanampy amin’ny fahaizany avy ka mifankahery eo amin’ny asa fanevatevana ataony. Mampalahelo ny fon’olombelona tokoa ny esoeso sy ny fanabantiana, kanefa tsy maintsy hiharetan’izay rehetra mahatoky eo imason’Andriamanitra izany Tetik’adin’i Satana araka izany ny mamily ny fanahy tsy hanao ny asa efa napetraky ny Tompo taminy. — SW, 12 Apr. 1904 . FK 244.2
Mampahery ireo ankolafy ketraka teo. - Nataon’i Nehemia ho tsiambaratelo sy tao anatin’ny fahanginana ny fandehanany nizaha ny manda. Izao no nambarany: “ Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalebako, na izay nataoko; fa hatramin’izay dia tsy mbola nolazaiko tamin’ny Jiosy izany, na tamin’ny mpisorona, na tamin’ny manan-kaja, na tamin’ny mpanapaka, na tamin’vahoaka sisa izay nanao ny asa .” - Neh 2:16. Tsy naniry ny hisarika ny sain’ny namany izy na ny fahavalo tamin’izany fisafoana nampalahelo izany. Hiteraka fandranitana mantsy izany ary koa tatitra hiely izay mety hanakana na handrava ny asany Nanokana ny alina sisa hivavahana i Nehemia; ezaka goavana mantsy no tsy maintsy hatao ny ampitso maraina mba hampaherezana sy hampiraisana indray ireo mpiray tanindrazana kivy sy voazarazara. - SW, 22 Mar. 1904 . FK 245.1
Tsy nisafidy ny hiankina amin’ny fanamparam-pahefana fotsiny ihany i Nehemia na dia nahazo alalana avy tamin’ny mpanjaka aza izy hitaky ny fiaraha-miasan’ny mponina teo amin’ny fananganana ny mandan’ny tanàna. Izay hahazoana ny fitokisan’ny olona sy ny firaisam-pony no hany nataony, satria fantany tsara fa ny firaisan’ny fo sy ny tanana no tena ilaina indrindra ho fahombiazana eo amin’ny asa lehibe efa natombony. FK 246.1
Rehefa nanangona ny vahoaka izy ny ampitson’io, dia nokendreny tsara mba hamelona indray ireo hery natoritory ny foto-keviny ary mba hamory azy ho tonga amin’ny isany teo aloha (...) Novelariny tanteraka teo anoloan’izy ireo ny olana ary nasehony fa ny fitambaran’ny fahefan’ny mpanjaka persianina sy ny an’Andriamanitry ny Isiraely no nanohana azy. Napetrak’i Nehemia avy hatrany tamin’ny vahoaka ny fanontaniana raha hanararaotra izany tombontsoa tsy manam-paharoa izany izy ka hiara-manangana aminy ny manda. Niditra mivantana tao am-pon’izy ireo io antso io; namadika ny tahotra tao aminy ho henatra ny fisehon’ny fankasitrahan’ny lanitra azy. Tamin-kery vaovao no niarahany niredona hoe: “Eny, aoka àry isika hitsangana ka handrafitra azy.” - SW, 29 Mar. 1904. FK 246.2
Niampita tany amin’ny vahoaka ilay hery masina sy fanantenana ambony tao amin’i Nehemia. Rehefa tafiditra tao anatiny izany toe-tsaina izany, dia nahatratra ny haavon’ny herim-panahin’ny mpitarika azy izy ireo. Nanjary Nehemia kely avokoa izy rehetra teo amin’ny sehatra nisy azy ary nanome hery sy nanohana ny rahalahiny nandritra ny asa. — SW, 29 Mar. 1904 . FK 246.3
Anisan’ireo namaly ny antso voalohany ny mpisoron’ny Isiraely. - Anisan’ireo voalohany nahamarika ny toe-tsaina feno fahazotoana sy hafanam-po teo amin’i Nehemia ny mpisoroan’ny Isiraely. Betsaka ny zavatra azon’ireo lehilahy ireo hatao mba hanakanana na hampandrosoana ny asa, raha ny toeram-pahefana notanany no jerena. Nandray anjara be tokoa tamin’ny fahombiazan’izany asa izany ny fahavononan’izy ireo dieny voalohany hiara-miasa. Izany koa no tokony hitranga eo amin’ny raharaha masina rehetra. Tokony ho lohany indrindra eo amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra ireo izay mitana toerana sy andraikitra lehibe ao amin’ny fiangonana, raha tsy misy firy ao amin’izy ireo ny fahazotoana, dia tsy ho hita eo amin’ny rehetra koa izany. ‘“Hanetsika ny maro tokoa anefa ny hafanam-pony”. Raha miredareda ny fahazavany, dia fanilo an’arivony no handray rehitra avy amin’ny lelafo. - SW, 5 Apr. 1904. FK 247.1
I Nehemia, amin’ny maha-mpandamina asa azy. - Fo iray sy fanahy iray nentanin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny fifaliana no nanetsika ny vahoaka an-kapobeny. Narafitr’ireo lehilahy manam-pahaizana sady to teny ho tarika ireo sokajin’olona isan-karazany, ka ny mpitarika izany antoko izany no tompon’andraikitra amin’ny fananganana ny ampahany voafaritra amin’ny manda. Nahafaly an’Andriamanitra sy ny anjely ny nahita ireto tarika niasa fatratra tamim-pirindrana teo amin’ireo korontam-baton’ny mandan’i Jerosalema, ary nahafinaritra ny sofina ihany koa ny nandre ny feon’ireo fitaovam-piasana “hatramin’mazava ratsy ka mandra-piposaky ny kintana ”. — SW, 5 Apr. 1904. FK 247.2
Fanehoana ny maha-mpitarika marina. - Tsy nihena velively ny hafanana sy ny herim-pon’i Nehemia teo amin’ny tena fanombohan’ny asa. Tsy nanakombona ny tanany mihitsy izy noho ny fahatsapany fa tsy tokony havela ho votsotra ny enta-mavesatra. Tsy nitsahatra ny nanara-maso ny asa tamim-pamailoana izy, notarihiny hatrany ny mpiasa, ary niandry izay mety ho sakantsakana rehetra izy sady nanao izay hahatomombana ny zavatra ilaina rehetra. Tsapa hatrany hatrany nanerana ny manda mirefy 5 kilaometatra latsaka kely ilay hery mahataona nananany. Tamin’ny teny tonga amin’ny liana azy indrindra no nampaherezany ny be fanahiana, nankasitrahany ny mpiasa mazoto, ary nanomezany aina ny malai-mihetsika. Tamin’ny maso toy ny an’ny voromahery no nanarahany ny fihetsiky ny fahavalony, izay nifamory sy nifampila hevitra tamin-kafanam-po tokoa mba hanomanana ted-dratsy. Nanatona akaiky ny mpiasa izy ireo tamin’izany ka niezaka ny hampiodina ny sainy mba tsy hahatontosa ny asa. FK 248.1
Nifantoka matetika teny amin’i Nehemia ny mason’ny mpiasa rehetra ary vonona ny hanatanteraka ny baiko kely indrindra izy, nandritra izany dia tafasandratra tany amin’Andriamanitra ny masony sy ny fony. Io Andriamanitra io no Lehibe fara tampon’ny asa iray manontolo, Izy no nametraka izany tao am-pon’ny mpanompony mba hanaovany ny fananganana. Nihafamy orina tao am-pon’i Nehemia ny finoana sy ny herin-tsaina ka niteny mafy toy izao izy: “Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay”, niverimberina ireo teniny ireo, nanakoako ary nampientanentana ny fon’ny mpiasa nitandahatra teo. - SW, 5 Apr. 1904 . FK 248.2
Tsy mba niferin’aina noho ny zava-tsarotra nanjo azy na nialangalana tamin’ny fanompoana mahatrotraka i Nehemia sy ireo mpiara-dia taminy. Tsy nanala ny fitafiany sy ny akanjo fiarovan-tenany mihitsy izy ireo, na alina na andro, eny, fa na dia tamin’ny fotoana fohy natao hialana sasatra aza. “Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin ‘ ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.” - Neh. 4:17 - SW, 26 Apr. 1904 . FK 248.3
Hery manohitra ny hetsika ara-pivavahana rehetra. - Tonga tamim-panajana hanatanteraka ny adidiny ny ankamaroan’ireo olona ambonimbony sy ny mpanapaka teo amin’ny Isiraely, kanefa nisy ihany ny sasantsasany teo amin’ny Tekoita, izay “ tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ny fanompoana ny Tompony.” - Neh. 3:5. Voarakitra amim-boninahitra ao amin’ny bokin’Andiramanitra ny anaran’ireo mpanangana mahatoky, ary voamarika amin-kenatra kosa ny fahatsiarovana ireo mpanompo malaina ireo ka ampitaina ho fampitandremana ny taranaka ho avy rehetra izany. FK 249.1
Eo amin’ny hetsika ara-pivavahana rehetra, dia misy ireo izay mihatakataka tsy mety hanao ny ezaka hampandrosoana ny asa, izay fantany tsara fa an’Andriamanitra. Ireo olona ireo anefa matetika no mpiasa mafana fo sy mavitrika indrindra eo amin’ny tetik’asa izay mampandroso ny tombontsoany feno fitiavan-tena. Tokony hotsaroana indrindra ilay boky firaketana ao ambony ao, dia ilay bokin’Andriamanitra, izay voasoratra ao anatiny ao avokoa ny antony rehetra manosika antsika hanao zavatra sy ny asantsika rehetra, boky izay tsy misy diso na maningana kely akory, ary tsy maintsy hitsarana antsika ihany koa. Ho voarakitra ao tsy misy diso ireo tombontsoa tokony nohararaotina hanompoana an’Andriamanitra kanefa natao an-tsirambina, ary hotsarovana mandrakizay kosa ireo asam-pinoana sy fitiavana na dia bitika sy tsy dia manao ahoana firy aza ny fahitana azy. - SW, 5 Apr. 1904. FK 249.2