Tsy zava-kendren’Andriamanitra velively ny hiarahan’ny vahoakany mitamba-be ao anatina fiaraha-monina lehibe na fiangonana lehibe sasantsasany. Solon-tenany manerana ny vohon’ny tany ny mpianatr’i Kristy, ary ny hiparitaka manerana ny firenena sy ny renivohitra ary ny vohitra sy ny tanàna rehetra no nanendren’Andriamanitra azy ireo, tahaka ny jiro eo amin’ny haizin’izao tontolo izao. - TFC, b. 8, t. 244 . FK 251.1
Ny fikasana hitamba-be, na koa hiala amin’ny toerana samihafa, izay tsy dia ahitana fahavitrihana na hery mahataona firy, mba hanambatra izany hery izany ao amin’ny toerana iray, dia hanaisotra ny fahazavana eo amin’ireo toerana tian’ Andriamanitra hamirapiratan’izany fahazavana izany - TFC, b. 2, t. 633 . FK 251.2
Toy ny tanamasoandro manazava hatramin’ny toerana lavitra indrindra amin’ny tany, dia toy izany koa no tokony hahatraran’ny fahazavan’ny Filazantsara ny fanahy rehetra eto ambonin’ny tany Fa raha izay aza no nahatontosa ny fikasan’i Kristy ny Fiangonana, dia ho nahatratra izay rehetra voasaron’ny haizina ny fahazavana, dia ireo mitakizina ao amin’ny aloky ny fahafatesana ankehitriny. Tokony tsy hitangorona ao amin’ny toerana iray ny mpanaraka an’i Kristy, na handositra adidy sy handà hazo fijaliana, fa tokony hiely any amin’ny tany rehetra kosa ka hampiseho ny famirapiratan’ny fahazavan’i Kristy any amin’izay rehetra alehany; dia ho voavonjy ireo fanahy very. Ary amin’izay dia ho voatory haingana eran’izao tontolo izao ny «filazantsaran’ny fanjakana” (Mat. 24:14). - S, t. 41 . FK 251.3
Ry anadahy sy rahavavy, nahoana no mbola mihisitra ao amin’ny fiangonana ihany ianareo? Ianaro ny fanoharana mikasika ny ondry very ka mandehana toy ny mpiandry ondry marina mitady ny very, izay ao amin’ny tany hain’ny fahotana. Mandehana mitady ny very. - RH, 12 Des. 1893 . FK 252.1
Afaka mamita asa izay zara raha natombony ny mambra laika ao amin’ny fiangonantsika. Tsy misy tokony hifindra amin’ny toerana vaovao sasantsasany, noho ny tombontsoa araka izao tontolo izao. FK 252.2
Eo amin’izay misy hirika hahazoana antom-pivelomana, dia aoka hiditra eo ny ankohonana izay efa miorina amin’ny fahamarinana, ankohonana iray na roa eo amin’ny toerana iray mba hanao ny as an’ny misiônera. Tokony ho ao amin’izy ireo ny fitiavana ny fanahy hovonjena sy ny adidy mavesatra hatao amin’izy ireo, ary tokony hataony vain-dohandraharaha ny hitaona azy ho eo amin’ny fahamarinana. Azon’izy ireo atao ny mizara ny boky vokarintsika, manao fivoriam-bavaka any an-tokantranony, mifandray amin’ny mpiray vodirindrina ary manasa azy ho amin’izany fivoriambavaka izany. Amin’ireo fomba ireo no hipariahan’ny fahazavany ho amin’ny asa tsara. - TFC, b. 8, t. 245 . FK 252.3
Tokony hifindra any amin’ny vohitra sy ny tanàna kely ireo mpiray fanantenana izay maniry ny hifindra monina ka haneho ny voninahitr’ Andriamanitra ary mahatsapa ihany koa fa andraikiny ny manasoa ny hafa, ny manampy ary ny mamonjy fanahy izay tsy nitandroan’i Kristy ny ainy sarobidy. Kely na tsy misy mihitsy mantsy ny fahazavana any amin’ireo toerana ireo, ary tena hahasoa indrindra ny hitoerany any ka ho fitahiana ho an’ny hafa izy amin’ny asa mafy ataony sy ny fanandramany. Tokony handeha any amin’ny vohitra sy ny tanàna kely ny misiônera ka hanangana ny fanevan’ny fahamarinana. Tian’Andriamanitra raha miparitaka manerana ny vohon’ny tany ny vavolombelony, mba hidiran’ny fahazavan’ny fahamarinana any amin’izay tsy mbola tongany hatramin’izay, sy hitsanganan’ny fanevan’ny fahamarinana any amin’izay tsy mbola nahalala azy hatramin’izay - TFC, b. 2, t. 115. FK 252.4
Tsy misy mampientana zotom-po mitarika fahafoizan-tena, sy hampitombo ary hampahery ny toetra amam-panahy toy ny mirotsaka hiasa ho an’ny hafa. Betsaka ireo izay milaza ny tenany ho kristiana, no tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ihany, eo amin’ny fitadiavany hilatsaka ho anisan’ny fiangonana. Tiany ny handray tombontsoa amin’ny fiarahana amin’ny fiangonana sy amin’ny fikarakaran’ny mpitandrina. Manjary mambra ao amin’ny fiangonana lehibe sy mandroso izy, ary afa-po amin’izay kely ataony ho an’ny hafa. Amin’izany fomba izany dia misakana fitahiana sarobidy tsy ho an’ny tenany izy. Betsaka no handray tombontsoa lehibe amin’ny famoizana ireo fikambanana mahafinaritra sy moramora arahina ka handeha eo amin’ny toerana izay ilàna ny heriny eo amin’ny asa kristiana sy ahazoany mianatra mitondra andraikitra - TMF, tt. 114, 115 FK 253.1
An’arivony maro ireo toerana tokony hidirana any Amerika, izay tsy mbola nananganana mihitsy ny fanevan’ny fahamarinana, ary tsy mbola nandre velively ny fanambarana izany fahamarinana izany An’arivony maro ihany koa ireo tokony hirotsaka ao an-tany fijinjana no mbola ao anatin’ny fahalainana ara-panahy amin’izao fotoana izao. Vokatr’izany, feno fiatoana ny diany mankany an-danitra ary maneho fisalasalana izy ny amin’ny maha-Kristianina azy. Firaisana lalina amin’i Jesôsy Kristy no ilain’izy ireo. Amin’izay vao azo ampiharina amin’izy ireo ity teny ity: “ Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra hianareo.” Te hilaza amin’ny maro aho hoe: ‘Miandry olona hitondra anareo ho eo amin’tanimboaloboka ianareo ka hibaiko anareo hiasa, na hoentina eo aminareo ny tanimboaloboka mba tsy hahitanareo olana amin’fanaovana ny asa”. Ho sasa-poana miandry ianareo. Raha hanandratra ny masonareo ianareo, dia hahita ny vokatra efa miandry hojinjana, na aiza na aiza haleha, dia hahita asa eo akaiky eo na eny lavitra eny ianareo. Firy amin’ny maro anefa no hilazan’i Kristy hoe: “mpanompo tsara sady mahatoky” amin’ny andro fitsarana? Azoko an-tsaina ny fihetseham-pon’ny anjely raha mahita fa mihantomotra ny farany, kanefa mahita ireo izay milaza azy ho mahalala an’Andriamanitra sy i Jesôsy Kristy izay nirahany, mitambabe, miara-mitoetra sy manatrika ny fivoriam-bavaka, sady tsy faly rehefa tsy ampy hahavonto ny fanahiny sy hanamafy orina ny fiangonana ny toriteny Tsy manao na inona na inona arabakiteny anefa izy ireo mandritra izany... Moa ve izy ireo tsy hanao ilay asa efa nataon’i Jesôsy indrindra mba hamonjena azy, raha toa ka tsy mahomby ny tombantombana ara-bolany eto an-tany noho ny fifindrana any amin’ireo toerana, izay tsy mbola nanambaràna na oviana na oviana ny fahamarinana, na zara raha misy fahazavana mitsilopilopy mihitsy aza? - GCB, 1893, t. 131. FK 253.2
Hitantsika fa tena ilaina tokoa ny asa misiônera fitoriana ny fahamarinana, tsy ho an’ny firenen-kafa ihany anefa fa ho an’ireo izay akaiky antsika ihany koa. Misy vohitra sy tanàna kely tsy lavitra manodidina antsika, ary tsy mbola misy mihitsy ny ezaka famonjem-panahy natao tao. Nahoana ny fianakaviana sasany izay mahalala ny fahamarinana ankehitriny no tsy tokony hitoetra any amin’ireo tanàna sy vohitra kely ireo, ka hanangana ny fanevan’i Kristy, hiasa amim-panetrentena, amin’ny fomban’Andriamanitra fa tsy amin’ny azy, ary hitondra ny fahazavana manoloana ireo izay tsy mahalala izany mihitsy? FK 254.1
Hatokan’ny fiangonana amin’ny asa famonjena ireo fanahy izay namoizan’i Kristy ny ainy avokoa ny heriny rehetra rehefa takany amin’izay ny tena votoatin’ny hafatra. Hirotsaka amin’ny saha vaovao izy ireo. Misy ireo izay tsy notendrena ho mpitandrina no hiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famangiana ny fiangonana, ka hanamafy orina ireo zavatra sisa efa vonon-ko faty. Hisy ny laika hifindra monina any amin’ny vohitra sy ny tanàna kely, ary any amin’ireo toerana mitoka-monina indrindra, mba hamela ilay fahazavana efa nomen’Andriamanitra azy hamirapiratra eo amin’ny hafa. Toa tsy dia azo antenaina loatra ny fahitana ireo olona sasantsasany izay tafahaona amin’izy ireo, kanefa izao no hany fanontaniana tokony hipetraka: Hihavana amin’i Kristy ve izy ireo? Ho mpiara-miombona amin’ny toetrany ve izy, hany ka ho hita eo amin’ny fampianarany sy ny ohatra asehony ny hery mahataona avy amin’ilay Tompon’ny fahamarinana sy ny fahitsiana? FK 255.1
Any amin’ny toerana izay tsy mbola ahalalana ny fahamarinana, dia azon’ny anadahy sy ny rahavavy efa zatra miasa atao ny manofa efitrano lehibe, na toerana hafa azo hivoriana, ka hanangona ao izay rehetra tonga. Aoka izy ireo hampianatra ny fahamarinana amin’izany olona izany Tsy mila manao toriteny akory izy fa ny Baiboly no aoka hampiasainy ary Andriamanitra no havelany hiteny mivantana amin’ny alalaln’ny Teniny. Raha vitsy ihany no tonga, dia azon’izy ireo atao ny mamaky tsy amim-pisehosehoana na hafanampo tafahoatra ny hoe: “Izao no lazain’i Jehôvah”; hovakina sy hohazavaina ny fahamarinana tsotran’ny filazantsara, ary hiaraha-manao amin’izy ireo ny hira sy ny vavaka. - RH, 29 Sept 1891. FK 255.2