Go to full page →

Antso Ho An’ireo Nehemia Môderina FK 249

Mila Nehemia maromaro ny fiangonana amin’izao andro izao, - tsy lehilahy mivavaka sy mitory ny filazantsara fotsiny, fa sady lehilahy izay tohanan’ny zava-kendrena voafaritra sy miorina tsara ihany koa ny vavaka sy ny toriteny ataony. Lalana tokony mbola harahin’ny mpitandrina sy ny mpitarika amin’izao fotoana izao ny nalehan’ity lehilahy hebreo tia tanindrazana ity teo amin’ny fanatanterahana ny fikasany. Tokony hasehon’izy ireo amin’ny fiangonana ny drafitra efa novolavolainy mba hahazoany ny fahalianany sy ny faniriany hiaramiasa. Aoka ho takatry ny olona izany drafitra izany ary avelao izy handray anjara amin’ny asa ka hanana tombontsoa manokana eo amin’ny firoboroboany. Mampiseho izay hotanterahan’ny vavaka sy ny asa feno fahendrena sy natao tamin-jotompo ny fahombiazana vokatry ny ezaka nataon’i Nehemia. Hitarika ho amin’ny asa feno zotom-po ny finoana velona. Ho hita betsaka eo amin’ny vahoaka ny toe-tsaina asehon’ny mpitarika. Fiangonana mitsilamodamoka, tsy dia taitaitra firy ary tia fahafinaretana no tsy maintsy ho hitantsika raha ny mpitarika ao aminy izay milaza fa mino ny fahamarinana lehibe sady mahatahotra ary hisedrana izao tontolo izao amin’izany fotoana izany no tsy mba mampiseho hafanampo miredareda hanomana ny vahoaka hijoro manoloana ny fitsaran’Andriamanitra. - SW, 29 Mar. 1904. FK 249.3