Rehefa niditra ny tany Kanàna ny Isiraelita dia tsy nanatanteraka ny zava-kendren’Andriamanitra tamin’ny nakany ny tany iray manontolo ho azy. Taorian’ny famaboana tsy ara-drariny nataony, dia nitoetra tao izy mba haka fahafinaretana avy amin’ny vokatry ny fandreseny. Tamin’ny tsy finoany sy ny fitiavany fiainana feno fiadanana no niarahany nitoetra teo amin’ireo faritra efa azony, fa tsy mba nikisaka hitoetra any amin’ny faritra vaovao izy. Teo no nanombohany niala tamin’Andriamanitra. Tsy azon’Andriamanitra notanterahina taminy àry ny teny fikasany mikasika ny fitahiany, noho ny tsy fahombiazany teo amin’ny fanatanterahana ny zava-kendren’Andriamanitra. Moa tsy izany ihany no zavatra ataon’ny fiangonana amin’izao fotoana izao? Mitangorona eo amin’ny toerana izay ahazoany samirery ny tombontsoan’ny filazantsara ireo milaza azy ho Kristianina, kanefa manoloana azy izao tontolo izao iray manontolo mila ny filazantsara. Tsy tsapan’izy ireo fa tena ilaina tokoa ny mitoetra any amin’ny faritra vaovao, hitondra ny hafatry ny filazantsaran’ny famonjena any amin’ireo faritra manodidina. Mandà ny hanatanteraka ny baikon’i Kristy izy, izay manao hoe: “ Mandehana any amin ‘izao tontolo izao, ka mitoria ny filazantsara amin ‘ny olombelona rehetra.” Lio. 5:14. Tsy ho meloka tahaka ny fiangonana jiosy ihany koa ve izy ireo amin’izany? - TFC, b. 8, t. 119 . FK 261.1