Betsaka no mahatsapa fa ho tombontsoa lehibe ny hamangy ny toerana sehatry ny fiainan’i Kristy teto an-tany, ny mandeha eo amin’izay nodiaviny, ny mijery ny farihy izay tiany ny nampianatra teo akaikiny, ary ny havoana sy ny lohasaha izay nitopazan’ny masony matetika tokoa. Tsy ilaintsika anefa ny mankany Nazareta, Kapernaomy na Betania, mba hanaraka ny dian’i Jesosy Ho hitantsika ny dian-tongony eo anilan’ny fandrian’ny marary, ao amin’ny tranobongon’ny mahantra, eo amin’ny lalana misy olona mifanizina ao amin’ny tanàn-dehibe sy eo amin’ny toerana rehetra izay misy fon’olombelona mila fampiononana. Ny fanaovantsika izay nataon’i Jesosy fony Izy teto an-tany, no handehanantsika eo amin’ny diany. - TFM, tt. 688, 689. FK 262.1
Niasa Jesosy hanamaivana ny fahoriana rehetra hitany. Tsy nanam-bola firy homena Izy, nefa matetika dia nahafoy ny tsy hihinan-kanina, mba hanamaivanany ny fahorian’ireo izay hitany fa sahirana noho Izy. Tsapan’ireo rahalahiny fa afaka manohitra marina ny hery miasa mangina avy amin’izy ireo ny avy amin’i Jesosy. Nanana fahaizana mifandray amin’ny hafa izay tsy nananan’izy rehetra Izy, na niriny hananana akory. Rehefa nanao teny henjana tamin’ny mahantra sy ny olona mivarilavo izy ireo, dia notadiavin’i Jesosy ireo olona ireo indrindra, ka nanaovany teny fampaherezana. Izay sahirana dia nomeny rano mangatsiaka iray kapoaka ary napetrany tamim-pahalemem-panahy teo an-tanan’izy ireo ny anjara haniny. Raha nanamaivana ny fahorian’izy ireo Izy, dia niaraka tamin’ny asam-pamindrampo nataony ny fahamarinana nampianariny, koa noho izany dia tafalentika lalina tao an-tsain’izy ireo izany. — IFM, t. 76. FK 262.2