Tokony hiasa tahaka ny nataony ny mpanaraka an’i Kristy. Tokony hamahana ny noana isika, hanafy ny mitanjaka, ary hampahery ny mijaly sy ny tra-pahoriana. Tokony hanompo ny mamoy fo isika, ka hampitsiry fanantenana ao amin’izay tsy manana fanantenana. Dia ho tanteraka amintsika koa ny teny fikasana manao hoe: «Ny fahamarinanao no bo loha-lalanao; ary ny voninahitr’i Jehovah no ho vodi-lalanao.” - Isa. 58:8 — IFM, t. 369. FK 263.1
Efa nanatanteraka izay tian’ny Tompo hotanterahina ireo efa nanolo-tena ho amin’izany asa fanampiana izany, ary efa neken’ny Tompo ny asa mafy ataony. Asa tokony hataon’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito sy hotohanany amim-piraisam-po sy hafanam-po ary hazoniny amimpahazotoana tokoa izay efa vita teo amin’io sehatra io. Fatiantoka lehibe no manjo ny fiangonana raha ataony antsirambina io asa ao anatin’ny saha misy azy io ary laviny ny hitondra ireo enta-mavesatra ireo. Ho fitaovana mahomby eo amin’ny famonjena fanahy maro ny fiangonana raha toa ka nataony araka ny tokony ho izy io asa io. - TFC, b. 6, t. 295 . FK 263.2
Ny fanomezany rehetra dia tokony hampiasaintsika ho fitahiana ny olombelona, ho fanampiana ny mijaly sy ny sahirana; tokony hamahana ny noana isika hanafy ny mitanjaka, hiahy ny mpitondra tena sy ny kamboty, hanao fanompoana amin’ny ory sy ny voahosihosy. Andriamanitra dia tsy mihevitra na oviana na oviana ny hisian’ity fahoriana mianjady hatraiza hatraiza ity. Tsy nihevitra na oviana na oviana ny hisian’ny olona iray manaram-po be dia be amin’ny zava-tsoan’ny fiainana koa Izy, nefa ny zanaky ny hafa mitomany hanin-kohanina. Ny fitaovana mihoatra noho izay tena ilaina eo amin’ny fiainana dia nankinina tamin’ny olona mba hanaovana soa, hitahiana ny olombelona. Hoy ny Tompo: «Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana” - Lio. 12:33. «Aoka hazoto manome sy miantra” - 1 Tim. 6:18. «Fa raha manao fanasana hianao dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba” - Lio. 14:13. «Hamaha ny fatoran’faharatsiana» «hanaboraka ny fehin’zioga», «handefa ny ampahoriana ho afaka”, «hanapatapaka ny zioga rehetra». «Hizara ny mofonao ho an’ny noana», «hampiantrano ny ory manjenjena», «mba hanafianao izay hitanao mitanjaka”. «Mahavoky ny ory hianao» - Isa. 58:6, 7, 10. « Mandehana any amin’izao tontolo izao hianao, ka mitoria ny filazantsara amin’olombelona rehetra” - Mat. 16:15. Ireo no baikon’ny Tompo. Moa ve manao io asa io ny ankabeazan’ireo milaza ny tenany ho Kristiana? - HF, tt. 325 . FK 263.3
Ny fanaovan-tsoa no vokatra tian’i Kristy ho hita eo amintsika; teny feno halemem-panahy, asa an-tsitrapo, fiheverana feno fitiavana ny mahantra, ny sahirana ary ny malahelo. Ho avy hanatona akaiky dia akaiky ny anjely ary valiana any an-danitra ny fitarainana, rehefa misy fo mihevitra ny fo hafa vesaran’ny hakiviana sy ny alahelo, misy tanana manolotra ho an’ny mahantra, tafiana ny mitanjaka, raisina amin-kafanam-po ao an’efitra fandraisam-bahiny sy omena toerana ao am-po ny vahiny. Manjary feon-kira any an-danitra ny asam-pahamarinana sy ny asam-pamindrampo ary ny asa an-tsitrapo rehetra. Mitsinjo izay rehetra manao ireo asampamindrampo ireo avy eo amin’ny seza fiandrianany ny Ray, ka manao azy ho anisan’ny haren-tsarobidiny indrindra. FK 264.1
Ny asam-pamindrampo rehetra atao amin’ny mahantra sy ny ory dia heverina ho toy ny hoe i Jesôsy mihitsy no manao azy. Manakaiky bebe kokoa an’i Jesôsy ianao rehefa mamonjy ny mahantra, miray fo amin’ny malahelo sy ny ampahorina, ary manampy ny kamboty. - TFC, b. 2, t. 25. FK 264.2
Ny asa fanampiana ny mahantra, ny ampahaoriana, ny mijaly, ary ny malahelo no asa tokony efa nataon’ny fiangonana izay mino ny fahamarinana amin’izao fotoana izao hatry ny ela. Antsoina isika haneho ilay fangorahana ombam-pitiavana tao amin’ilay Samaritana, amin’ny fanomezana izay ilain’ny nofo, ny famahanana ny noana, ny fandraisana ny mahantra voailikilika, ka hanangona isan’andro ny fahasoavana sy ny hery avy amin’Andriamanitra. Hahatonga antsika hahatratra ny tena halalin’ny fahorian’olombelona sy hanampy ireo tsy afa-manampy ny tenany izany hery izany. Amin’ny fanaovana izany asa izany no hahazoantsika tombontsoa tsy manampaharoa hanehoana an’i Kristy ilay voahombo teo amin’ny hazo fijaliana - TFC, b. 6, t. 276. FK 265.1
Maro no manontany tena ny amin’ny antony mahatonga ny fivavahany ho tsy misy aina, ny finoany ho malemy dia malemy sy miahanahana, ny fanandramany amin’ny mahaKristianina azy ho maizina dia maizina sy tsy azo antoka tokoa. ‘ Tsy efa nifady ve izahay, ” hoy izy, “ary efa nampahory tena teo anatrehan’i Jehôvah Tompon’ny maro?” Efa nasehon’i Kristy ao amin’ny Isa. 58:6, 7 ny fomba mety hiovan’io toe-javatra io. Io no taharo efa nomanin’i Kristy ho an’ny fanahy malemy sy misalasala ary mangovitra. Aoka hitsangana hanampy ny olona mila fanampiana izay olona feno alahelo sy mandeha amim-pahakiviana eo anatrehan’i Jehôvah. - TFC, b. 6, t. 266. FK 265.2
Ny voninahitry ny lanitra dia ao amin’ny fanandratana ny lavo, amin’ny fampeherezana ny ory. Ary na aiza na aiza no mitoetra ao am-pon’ny olombelona Kristy dia haseho amin’izany fomba izany Izy. Na aiza na aiza no ihetsehan’ny fivavahan’i Kristy, dia hisy fitahiana. Na aiza na aiza izy no miasa dia hisy famirapiratana. - HF, t. 338.2 . FK 265.3
Nizara ny sombimofo tamin’i Elia ilay mpitondratena tany Zarefata ary ho setrin’izany dia voavonjy ny ain’izy mianaka. Nampanantena fitahiana safononoka an’izay rehetra miaramiory sy manohana ireo tsy nambinina noho ny tenany ny Tompo. Tsy nanam-piovana Izy Ankehitriny dia tsy latsadanja noho ny tamin’ny andron’i Elia akory ny heriny - MM, t. 105. FK 266.1
Ny fitiavan’i Kristy, aseho tamin’ny asa fanompoana tsy niharo fitiavan-tena, dia tokony hisy vokany bebe kokoa eo amin’ny fanovana ny mpanao ratsy noho ny sabatra na ny lapan’ny fitsarana. Ilaina ireo mba hampihororoho ny mpandika lalàna, nefa mahavita mihoatra noho izany ny iraka be fitiavana. Matetika ny fo izay mafy hidy noho ny fanomezan-tsiny no hivoha midanadana eo amin’ny fitiavan’i Kristy. - TMF, t. 75. FK 266.2