Ny fahotana no lehibe indrindra amin’ny fahoriana rehetra. Noho izany, anjarantsika ny miantra sy manampy ny mpanota. Nefa tsy ho tratra amin’ny fomba mitovy izy rehetra. Betsaka no manafina ny hanoanan’ny fanahiny. Mety hahita fanampiana be dia be ireny amin’ny alalan’ny teny mamy sy ny fahatsiarovana feno fitiavana. Misy koa hafa izay ao anatin’ny fahaporetana lehibe indrindra, nefa tsy fantany ny amin’izany. Tsy tsapany ity fahantrana mahatsiravina misy eo amin’ny fanahiny. Marobe no rendrika loatra ao amin’ny fahotana ka tsy manana fahalalana intsony momba ny zava-misy sy maharitra mandrakizay. Veriny ny fitovizany amin’Andriamanitra, ary tsy fantany akory fa manana fanahy hovonjena izy. Sady tsy manana finoana an’Andriamanitra izy no tsy matoky olombelona. Betsaka amin’izy ireny no tsy ho tratra raha tsy amin’ny asa feno fitiavana tsy mitady valiny. Izay ilainy eo amin’ny ara-nofo aloha no tokony hokarakaraina. Tsy maintsy homena hanina izy, hosasana ary hampiakanjoina mba ho mendrimendrika. Rehefa hitany mazava ny fitiavantsika tsy miaro fitiavan-tena dia ho moramora kokoa ho azy ny mino ny fitiavan’i Kristy. FK 267.3
Betsaka amin’ireo izay mania no mahatsapa ny henatra mahazo azy sy ny fahadalany. Mijery ny fahadisoana sy ny tsy mety ataony izy ka tratry ny famoizam-po. Tsy azo atao an-tsirambina ireny fanahy ireny. Rehefa misy olona iray voatery hilomano hanohitra ny rian-drano, dia ao ny herin’ny riaka rehetra misintona azy hiverin-dalana. Aoka hisy tanana hanampy sy hamikitra azy amin’izay, toy ny tanan’Ilay Zoky Lahy namikitra an’i Petera efa nilentika tao anaty rano. Mitenena amin’ny teny feno fanantenana, teny izay hampitoetra fahatokisana sy hamoha fitiavana. - HF, tt. 339, 340. FK 268.1
Ny fanahy torovan’ny fiainam-pahotana, nefa tsy mahalala izay hahitany fialan-tsasatra, dia anehoy ny Mpamonjy mangora-po. Raiso ny tanany, atsangano izy, manaova teny fampaherezana sy fanantenana aminy. Ampio izy hamikitra ny tanan’ny Mpamonjy. - TMF, t. 131 . FK 268.2