Go to full page →

Adidin’ny Kristianina Ny Fampiantranoam-Bahiny FK 269

Andraikitsika eto amin’ity tontolo misy antsika ity ny ho velona hanasoa ny hafa sy ny ho tonga fitahiana ho azy ireo ary ny ho tia mampiantrano vahiny. Matetika indrindra àry no mety hanahirana antsika tokoa ny fikarakarana ireo izay tena mila izany sy ny hahazoany tombontsoa eo amin’ny fiarahamonina sy ny tokantrano misy antsika. Misy ny mandositra tsy hizaka ireo enta-mavesatra tena ilaina ireo. Tsy maintsy misy mibaby anefa izany Tsy tia mampiantrano vahiny anefa ny mpiray fanantenana amin’ny kapobeny ka tsy miara-mizaka araka ny tokony ho izy ny adidy kristianina. Vitsy noho izany no feno zotom-po sy mandray ny toeran’ireo mila fanampiana ireo ka miantsoroka enta-mavesatra. - TFC, b. 2, t. 645. FK 269.1

Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany” - Heb. 13:2. Tsy nihena mihitsy nandritra ny taonjato nifandimby ny herin’ireny teny ireny. Manohy mametraka eny amin’ny lalana izoran’ny zanany eny ny toe-javatra izay tsy inona fa fitahiana miafina ny Raintsika any andanitra. Mahita fifaliam-be ireo izay mahay manararaotra izany. - MM, t. 105. FK 269.2