Go to full page →

Herim-Po FK 329

Asa lehibe no tanterahina ka drafitra lehibe no tsy maintsy atao; tsy maintsy misy feo mandeha mialoha hanaitra ny firenena. Ny lehilahy izay manana finoana malemy sy mihozongozona dia tsy anisan’ireo hampandroso ny asa amin’izao fotoanan’ny olana lehibe izao. Mila ny fahasahian’ireo lehilahy mahery fo sy ny finoan’ireo maritiora isika. - TFC, b. 5, t. 187. FK 329.1

Rehefa mihazona ny heriny am-pinoana isika dia hovainy, ary tena hovainy amin’ny fomba mahagaga ny fijery ivelany izay tsy azo antenaina sy mahakivy. Hotanterahiny izany ho voninahitry ny anarany. Miantso ny olony mahatoky Andriamanitra, dia izay mino Azy, hiresaka herim-po amin’ireo tsy mino sy tsy manana fanantenana. Ny Tompo anie hanampy antsika hifanampy sy haneho Azy amin’ny finoana velona. - TFC, b. 8, t. 12. FK 329.2

Ny fanantenana sy ny herim-po dia zava-dehibe loatra eo amin’ny fanompoana ankasitrahan’Andriamanitra. Fa izany no vokatry ny finoana. Heloka sy hevi-dravina foana ny fahakiviana - MM, t. 132. FK 329.3

Fahasahiana sy hery ary faharetana no tsy maintsy ananany. Na dia manakana ny làlany aza ny tsy fahafaha-manao maro miseho, noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia handroso izy. Ho solon’ny famisavisana ireo fahasahiranana dia antsoina handresy ireny izy ireo. Tsy misy na inona na inona hahakivy azy fa hanana fanantenana amin’ny zavatra rehetra izy. Amin’ny alalan’ny rojo volamenan’ny fitiavana tsy manan-tsahala, no ampifandraisan’i Kristy azy ireo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izao no tanjony: ny hery mahataona ambony indrindra eto amin’izao tontolo izao, mipoitra avy amin’ilay Loharanon’ny hery dia ho azy. Natao hanana ny hery hanoherana ny ratsy izy, hery izay na ny tany na ny fahafatesana na ny helo tsy mahafehy azy, hery izay hahafahany handresy toy izay nandresen’i Kristy. - GW, t. 39. FK 330.1