Go to full page →

Fanokanan-Tena FK 330

Ny fahamasinana marina dia fanoloran-tena ho eo amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra. Io no fepetra amin’ny fiainana kristianina marina. Mangataka fanokanan-tena tsy misy fepetra amintsika i Kristy, ho amin’ny fanompoana tsy zarazaraina. Ny fo, ny saina, ny fanahy sy ny hery no angatahiny ho an’ny asany. Tsy tokony hankamamiana ny tena. Izay velona ho an’ny tenany dia tsy kristiana. - HF, t. 31. FK 330.2

(...) Ny zavatra voalohany hianaran’izay rehetra te-hiasa miaraka amin’ Andriamanitra, dia ny lesona momba ny tsy fahatokiana ny «izaho»; amin’izay dia voaomana izy tamin’ny nizarany taminy ny toetra amam-panahin’i Kristy. Tsy ny fanabeazana any amin’ny sekoly ara-tsiansa ambony indrindra no ahazoana izany. Vokatry ny fahendrena azo izay avy amin’Ilay Andriamanitra Mpampianatra ihany izany. - IFM, t. 251. FK 330.3

Tsy porofo marina ny maha-kristiana ny olona ny fanehoany haravoam-panahy rehefa misy toe-javatra tsy fahita amin’ny andavanandro. Ny fahamasinana dia tsy mahatonga ny olona iray ho lasam-borona ka toy ny tsy eto ambonin’ny tany intsony, fa fileferana kosa eo amin’ny sitrapon’Andriamanitra; fivelomana araka ny sitrapon’ny Raintsika; fitokisana amin’Andriamanitra eo amin’ny fitsapana, sy eo amin’ny haizina toy ny eo amin’ny mazava ihany koa; fandehanana amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana; fiankinana amin’Andriamanitra amin’ny fatokiana tsy misy adivarotra, sy fitoerana eo amin’ny fitiavany. — VM, t. 46. FK 331.1