Go to full page →

Tsy Miangatra FK 339

Raha mbola niaina teo anivon’ny olona ny Mpamonjintsika, dia nitovy lenta tamin’ny mahantra ny fiainany Fantany, satria efa nihatra taminy, ny ahiahin’izy ireo sy ny zavatsarotra mahazo azy, koa noho izany dia afaka mampionona sy mampahery ny mpiasa feno fanetren-tena rehetra Izy. Izay manana fahatsapana marina ny fampianarana eo amin’ny fiainany dia tsy hihevitra na oviana na oviana fa misy fanavahana tokony hatao amin’ny sokajin’olona; koa hoe ny manankarena dia tokony hohajaina mihoatra noho ny mahantra. - IFM, tt. 60.3, 61.1. FK 339.1

(...) Rehefa mihodina tsy hijery ireo izay toa tsy misy antenaina sy tsy nampiraika ianao, moa ve tsapanao fa manao an-tsirambina ireo fanahy izay tadiavin’i Kristy ianao? Amin’ny fotoana indrindra izay ihodinanao aminy no mety ilany indrindra ny fangorahanao. Amin’ny fivoriana rehetra anaovana fotoam-pivavahana, dia misy fanahy maniry mafy ny hahita fitsaharana sy fiadanana. Mety ho toa manana fiainana tsy misy ahiahy izy, nefa tsy hoe tsy handairan’ny hery miasa avy amin’ny Fanahy Masina izy tsy akory. Betsaka amin’izy ireo no mety ho azo ho an’i Kristy. - HF, t. 159 . FK 339.2

Tsy tokony hofeperana ny fiantsoan’ny filazantsara, ka tsy aseho afa-tsy amin’ny olona vitsy voafantina, izay, araka ny heverintsika, hanome voninahitra antsika raha manaiky izany. Tokony homena ny rehetra ny hafatra. Na aiza na aiza misy fo misokatra handray ny fahamarinana, dia vonona hampianatra azy Kristy. Asehony azy ireo ny Ray sy ny fanompoana eken’Ilay mahay mamaky ny ao am-po. - IFM, t. 192. FK 339.3