Go to full page →

Teny Fikasana Tsy Iainana FK 358

Nanambara i Kristy fa momba ny mpanaraka Azy hatramin’ny farany ny herin’ny Fanahy miasa mangina. Nefa tsy iainana araka ny tokony ho izy izany teny fikazana izany, hany ka tsy hita araka ny tokony ho izy ny fahatanterahany. Tsy dia heverina firy ny teny fikasana momba ny Fanahy ka ampoizina ihany ny vokany — dia haintany ara-panahy, haizina ara-panahy, fihemorana ary fahafatesana ara-panahy. Na oviana na oviana hifantohan’ny saintsika amin’ny javamadinika tsy misy antony, dia banga ny herin’Andrimanaitra izay ilaina ho fampitomboana sy ho fampiroboroboana ny fiangonana, ary hitondra ny fitahiana hafa rehetra hanaraka azy na dia natolotra tamin’ny fahafenoany tsy voafetra aza izany TFC, b. 8, t. 21. FK 358.1