Go to full page →

Ny Sasany Mitomoe-Poana Miandry Ny Fotoana Hisian’ny Famelombelomana FK 358

Etsy an-kilany, misy ireo izay tsy manararaotra amimpahendrena ny fotoana mety ankehitriny, fa mitomoe-poana miandry ny fotoana manokana hisian’ny famelombelomana ara-panahy izay hampitombo be dia be ny fahazoany manazava ny hafa. Manao antsirambina ny andraikiny sy ny tombontsoany ankehitriny izy, ka mamela ny fahazavany hihamatroka; manantena izy fa hisy fotoana izay tsy hanaovany fiezahana, nefa hahatonga azy ho fitaovana handray fitahiana manokana izay hanova azy sy hahavonona azy ho amin’ny fanompoana. — VM, t. 49. FK 358.2