Go to full page →

Sehatr’Asa Maro FK 44

Misy sehatr’asa maro izay ahitan’tanora tombontsoa azo hararaotina ho amin’ezaka mahasoa. Tokony hisy fandaminana atao hivondronan’tanora ary omena fanabeazana feno hiasa ho toy ny mpitsabo mpanampy, mpamangy mitory ny filazantsara sy mpamaky Baiboly, ho toy ny mpampiely boky, mpitandrina, sy Misiônera mitory ny filazantsara amin’alalan’asa fitsaboana. - CT, t. 543. FK 44.2

Tokony hanabe ny tanora hanampy ny tanora isika; ary raha miezaka ny hanao izany asa izany izy ireo dia hahazo fanandramana izay hanofana azy ho tonga mpiasa manolotena amin’sehatra mivelatra kokoa. - TFC, b. 6, t. 115 . FK 45.1

Tokony hobeazina ny lehilahy sy ny vehivavy ho tonga mpiasa eo amin’mpifanolo-bodirindrina aminy sy any amin’toerana hafa. Aoka ny rehetra no hametraka ny fony sy ny sainy, ho tonga manan-tsaina momba ny asa ho amin’izao fotoana izao, manofana ny tenany hanao ny asa izay mifanentana aminy indrindra. - TFC b. 9, tt. 118,119 . FK 45.2