Go to full page →

Ny Tsiambaratelon’ny Fahombiazana FK 45

Ezaho, ry tanora, ny hahafantatra ny Tompo, ary ho fantatrao fa «voaomana tahaka ny fiavin’maraina ny fiaviny”. Katsaho mandrakariva ny hanatsara ny fahaizanao. Miezaha mafy ny hanahaka ny Mpanavotra anao. Aoka ho velona amin’finoana an’i Kristy. Ataovy ny asa izay nataony. Aoka ho velona amin’famonjena ireo fanahy izay nanolorany ny ainy. Miezaha amin’fomba rehetra hanampy ireo izay mifanerasera aminao (•••)• Miresaha amin’ireo zokinao ara-panahy, izay hanampy ny fanabeazana azonao, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, kely etsy kely ery. Ny fifandraisana ety Aminy izay nanolotra ny tenany ho toy ny sorona ho famonjena izao tontolo izao very no hahatonga anao ho mpiasa azo ekena. - TFC, b. 6, t. 416 . FK 45.3