Go to full page →

Alamina Ho Amin’ny Fanompoana FK 46

Ry tanora lahy sy vavy, tsy azonareo atao ve ny mamorona tarika, ary, tahaka ny miaramilan’i Kristy, mirotsaka an-tsehatra amin’asa, ka ampiharo amin’izany ny fahaizanareo toetr’olona hanatonana azy sy ny fahakingana ary talenta anananareo ho amin’asan’Tompo, mba hamonjenareo fanahy tsy ho any amin’fandringanana? Aoka hisy tarika toy izany halamina any amin’fiangonana rehetra hanao izany asa izany (...). Moa ve ny tanora lahy sy vavy izay tena tia an’i Jesôsy tsy hanao fandaminana eo anivon’izy ireo ho toy ny mpiasa, tsy ho an’ireo izay efa milaza ho mpitandrina ny Sabata fa ho an’ireo izay tsy mbola ao anatin’finoantsika? - ST, 29 May 1893 . FK 46.1

Aoka ny tanora lahy sy vavy ary ny ankizy handeha hiasa amin’anaran’i Jesôsy Aoka izy ireo hitambatra eo amin’vinavina sy fanatanterahana asa. Tsy afaka mamorona tarika mpiasa ve ianareo, ary hanokana fotoana hiarahana mivavaka sy hangatahana ny Tompo hanome anareo ny fahasoavany, ary hanatanteraka asa miaraka? - YI, 09 Aog. 1894 . FK 46.2