Go to full page →

Miasa Ilay Mpamitaka Rain-Dahiny FK 75

Ankehitriny, raha manatona haingana dia haingana ny fiafaran’zavatra rehetra eto an-tany, Satana dia manao fara-ezaka hamandrihana an’izao tontolo izao. Mamisavisa drafitra maro izy hitanana ny saina sy hampiodinana azy tsy hifantoka amin’ireo fahamarinana tena ilaina amin’famonjena. Miasa mafy ny anjeliny any amin’tanàndehibe rehetra hampivondrona ireo izay manohitra ny lalan’Andriamanitra. Miasa ilay mpamitaka raindahiny mba hampiditra fikorontanana sy fikomiana ao amin’fiainan’ireo izay entanin’hafanam-po tsy mifanaraka amin’fahalalana. - VM, t. 193 . FK 75.1

Mpianatra Baiboly mazoto i Satana. Fantany fa kely sisa ny androny, ary miezaka amin’fomba rehetra izy mba hanoherana ny asan’Tompo eto an-tany. - TFC, b. 9, t. 16 . FK 75.2

Miezaka i Satana ankehitriny ny hihazona ny vahoakan’ Andriamanitra amin’toeran’tsy fanaovana na inona na inona, hihazona azy ireo tsy hanao ny anjarany amin’fanaparitahana ny fahamarinana, mba hahatonga azy ireo amin’farany holanjaina eo amin’mizana ka ho hita ho latsa-danja. - TFC, b. 1, t. 260 . FK 75.3