Go to full page →

Ny Toe-Tsaina Tia Ady Manetsika Izao Tontolo Izao FK 75

Ny toe-tsaina tia ady no manetsiketsika izao tontolo izao. Tsy ho ela dia hahatratra ny fahafenoan’fahatanterahany ny faminaniana ao amin’i Daniela 11. Tsy ho ela dia hahazo toerana ireo sehatra korontana voalaza ao amin’io faminaniana io. - TFC, b. 9, t. 14. FK 75.4

Naseho ahy fa ao amin’korontana fara tampony ny mponin’tany. Ady, fandatsahan-dra, tsy fisiana, mosary, sy areti-mandringana no manerana ny tany (...). Voasarik’izany toe-javatra miseho izany ny fisainako. Toa ohatra ny nisy fotoana kely nisian’fiadanana. Indro indray fa naseho teo anoloako ny mponin’tany; ary ao anatin’fikorontanana fara tampony indray ny zavatra rehetra. Fifandonana, ady, fandatsahan-dra sy mosary ary areti-mandringana no manjaka eny rehetra eny Ireo firenena hafa mandray anjara amin‘izany ady sy korontana izany Ny ady no miteraka mosary. Ny tsy fisiana sy ny fandatsahan-dra no miteraka areti-mandringana. Ary ho reraka ny fon‘ny olona noho ny tahotra «ny amin’izay hitranga eto ambonin’tany”. - TFC, b. 1, t. 268. FK 76.1