Izao no vanim-potoanan’fahamaizinana ara-panahy eo amin’fiangonana eto amin’izao tontolo izao. Ny tsy fahalalana ny zavatry ny lanitra no nanafina an’Andriamanitra sy ny fahamarinana tsy ho hita. Mitambatra mihamatanjaka ny herin’faharatsiana. Mandokadoka ny mpiara-miasa aminy i Satana fa hanao asa izay hambabo izao tontolo izao. Raha ny tsy fanaovana na inona na inona no mahazo ny ampahan‘ny fiangonana, i Satana sy ny tafiny kosa miasa mafy. Tsy nanova fo izao tontolo izao ireo izay milaza ho fiangonana kristianina, satria izy ireo mihitsy no efa simban’fitiavantena sy ny avonavona, ary mila ny hahatsapa ny herin’Andriamanitra manova fo eo anivon’izy ireo mialoha ny hahafahany hitarika ny hafa amin’fitsipi-piainana madio sy ambonimbony kokoa. - TFC, b. 9, t. 65 . FK 76.2
Amin’izao androntsika izao, tahaka ny fahiny, dia avela ireo fahamarinana misy aina ao amin’tenin‘Andriamanitra ka atakalo vinavinan-kevitra sy hevi-dravin‘olombelona. Maro ireo izay milaza ho mpitory ny Filazantsara no tsy manaiky ny Baiboly manontolo ho teny avy amin‘ny tsindrimandrin’ Andriamanitra. Olon-kendry iray mitsipaka ampahany iray; ny anankiray hafa misalasala ny amin’faritra hafa. Manao fanamarihana toa ambony noho ny tenin’Andriamanitra izy ireny ka ny Soratra Masina izay tena ampianariny dia mifototra amin’fahefan’tenany ihany, potika amin’izay ny maha-izy ny Soratra Masina avy amin’Andriamanitra. Amin’izay dia miparitaka lavitra ny voan’tsi-finoana satria mikorontana ny ao an-tsain’olona ary tsy fantany intsony izay hinoana. Be dia be ireo finoana tsy tratry ny saina hodinihina. - HF, t. 23. FK 77.1
Tafakatra amin’faritra avo tsy mbola tratrany hatramin’izay ny faharatsiana, nefa maro ny mpitory ny filazantsara no miantsoantso hoe «miadana sy mandry fahizay”. Tokony handroso amin-kafanam-po amin’asany anefa ny mpitondra hafatra mahatokin’Andriamanitra. Mitafy ny fiadian’lanitra rehetra izy, ary tokony handroso tsy amintahotra sy amim-pandresena, ka tsy hampitsahatra mihitsy ny ady ataony raha tsy mandre ny hafatry ny fahamarinana ho an’izao tontolo izao ny fanahy tsirairay izay mety ho tratrany. - VM, t. 194 . FK 77.2
Misy antony tokony hahataitra eo amin’toetra ara-pivavahana hita eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Tsiratsiraina ilay Andriamanitra be famindrampo; hitsakitsahana ny didin’i Jehovah, fa ny didin’olombelona indray no ampianarina (Mat. 15:9). Manjaka ao amin’fiangonana maro ny tsy finoana; tsy hoe tsy finoana izay mandà ankitsirano ny Soratra Masina, fa tsy finoana mitafy ny lamban’fivavahana kristianina, nefa manozongozona ny finoana ny Baiboly ho tsy avy amin’Andriamanitra. Misolo toerana ny fitiavambavaka mafana ny fisehosehoana ivelany fotsiny, ka dia mandroso izay tsy izy ery, noho izany, ny fihemorana sy ny fitiavampahafinaretana «fa tahaka ny tamin’ny andron’i Lota ”, hoy Jesosy, FK 77.3
«(...) dia ho tahaka izany koa amin’andron’Zanak’olona” - Lio 21:34, 46. Vavolombelon’izany teny izany ny zava-miseho isan’andro. Mirimorimo manatona ny toerana hahamasaka ho amin’fandravana izao tontolo izao. Tsy ho ela intsony dia handevona ny ota sy ny mpanota ny fitsaran’Andriamanitra. - PM, t. 157,158 . FK 78.1