Go to full page →

Ny Fandrefesana Avy Amin’Andriamanitra FK 121

Misy fandrefesana ny toetra mitohy tsy an-kijanona. Manombana ny tombam-bidin‘ny ara-pitondran-tenanao ny anjelin’Andriamanitra, mamotopototra izay ilainao, ary mitondra ny momba anao eo amin’Andriamanitra. - RH, 02 Apr. 1889. FK 121.1

Hotazonina ho tompon’ andraikitra isika tsirairay raha latsaka na dia tendron-tsoratra iray aza tamin’ izay manavanana antsika. Afatran’ Tompo marina indrindra izay rehetra nety ho azontsika nanompoana. Ny fahaizana tsy ampiasaina dia hampamoahina mihoatra noho ireo izay nampitomboina. Tazonin’ Andriamanitra ho tompon’ andraikitra isika ny amin‘ izay rehetra nety ho tratrantsika tamin‘ny fampiasana tsara ny talentantsika. Hotsaraina isika araka izay tokony ho nataontsika, nefa tsy notanterahintsika, satria tsy nampiasaintsika hanome voninahitra an’ Andriamanitra ny herintsika. Na dia tsy verintsika aza ny fanahintsika dia ho tsapantsika ao amin’ mandrakizay ny vokatry ny talenta tsy nampiasaina. Hisy fatiantoka mandrakizay noho ny fahalalana rehetra sy ny fahaizana izay nety ho azontsika, nefa tsy azontsika. - HF, t. 317 . FK 121.2