Go to full page →

Izay Tokony Hisy FK 121

Raha nanao ny adidiny ny miaramila tsirairay avy, raha nampaneno ny trômpetra araka ny tokony ho izy ny mpitily teo amin’mandan’i Ziona, dia nety ho efa nandre ny hafatra fampitandremana izao tontolo izao. Kanefa tara antaonany maro ny asa. Raha mbola matory ny olona, i Satana kosa efa nihoatra antsika. - TFC, b. 9, t. 29 . FK 121.3

Andeha horaisintsika ankehitriny ny asa izay nasaina hataontsika, ary hitory ny hafatra izay hanaitra ny lehilahy sy vehivavy hahatsapa ny loza mitatao amin’izy ireo. Raha ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito no nanao ny asa izay napetraka aminy, dia ho be lavitra noho ny ankehitriny ny isan’mpino. Ao amin’tanànan’i Amerika manontolo dia hisy olona izay ho voatarika handray ny hafatra ka hankatò ny lalàn‘Andriamanitra. - TFC, b. 9, t. 25. FK 121.4

Raha nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ny vahoakany tamin’fanomezana izao tontolo izao ny hafa-pamindrampo, dia ho efa niverina teto an-tany i Kristy, ary efa ho narahabaina tonga soa tany amin’tanàn’Andriamanitra ny olo-masina. - TFC, b 6, t. 450 . FK 122.1